1[Filazan-tantara mampiseho ny herin'ny finoana sy ny valiny] Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.
1論信心信就是對所盼望的事的把握,是還沒有看見的事的明證。
2Fa izany no nahatsara laza ny ntaolo.
2因著這信心,古人得到了稱許。
3Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin'Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao, ka dia tsy izay zavatra miseho no nanaovana izao zavatra hita izao.
3因著信,我們就明白宇宙(“宇宙”或譯:“諸世界”或“眾世代”)是因著 神的話造成的。這樣,那看得見的就是從那看不見的造出來的。
4Finoana no nanateran'i Abela ho an'Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an'i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin'ny fanatitra nataony: ary amin'izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
4信心的偉人因著信,亞伯比該隱獻上更美的祭品給 神;藉著這信心,他被 神稱許為義人,這是 神指著他的禮物所作的見證;他雖然死了,卻藉著信仍然說話。
5Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.
5因著信,以諾被遷去了,使他不至於死,人也找不著他,因為 神把他遷去了。原來在遷去以前,他已經得了 神喜悅他的明證。
6Fa raha tsy amin'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.
6沒有信,就不能得到 神的喜悅;因為來到 神面前的人,必須信 神存在,並且信他會賞賜那些尋求他的人。
7Finoana no nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
7因著信,挪亞在還沒有看見的事上,得了 神的警告,就動了敬畏的心,做了一艘方舟,使他全家得救。藉著這信心,他就定了那世代的罪,自己也承受了那因信而來的義。
8Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.
8因著信,亞伯拉罕在蒙召的時候,就聽命往他將要承受為業的地方去;他出去的時候,還不知道要往哪裡去。
9Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy;
9因著信,他在應許之地寄居,好像是在異鄉,與承受同樣應許的以撒、雅各一樣住在帳棚裡。
10fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.
10因為他等待那座有根基的城,就是 神所設計所建造的。
11Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
11因著信,甚至撒拉,她雖然過了生育的年齡,還是能夠懷孕,因為她認為那應許她的是信實的。
12Koa dia avy tamin'ny anankiray, izay efa toy ny maty, no nihavian'ny maro toy ny kintana eny amin'ny lanitra sy toy ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hita isa.
12所以從一個好像已死的人,竟然生出許多子孫來,仿佛天上的星那麼眾多,海邊的沙那麼無數。
13Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy.
13這些人都是存著信心死了的,還沒有得著所應許的,只不過是從遠處看見,就表示歡迎,又承認他們在世上是異鄉人,是客旅。
14Fa izay milaza izany zavatra izany dia maneho marimarina fa mitady izay ho taniny izy.
14因為說這樣話的人,是表明他們在尋求一個家鄉。
15Ary raha tàhiny nahatsiaro ny tany nialany izy, dia ho nahita andro hiverenany.
15如果他們懷念已經離開了的地方,還有可以回去的機會。
16Fa amin'izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an'ireo Izy.
16但是現在他們所嚮往的,是一個更美的、在天上的家鄉。所以, 神不以他們稱他為 神而覺得羞恥;因為他已經為他們預備了一座城。
17Finoana no nanateran i Abrahama an'isaka, raha nizahan-toetra izy; eny, ny zananilahy tokana no naterin'ilay efa nandray tsara ny teny fikasana,
17因著信,亞伯拉罕在受試驗的時候,就把以撒獻上;這就是那歡喜領受應許的人,獻上了自己的獨生子;
18dia ilay nilazana hoe: "Avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao" (Gen. 21.12).
18論到這個兒子,曾經有話說:“以撒生的,才可以稱為你的後裔。”
19Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy.
19亞伯拉罕認定, 神能使人從死人中復活,因此,就喻意說,他的確從死裡得回他的兒子。
20Finoana no nitsofan'isaka rano an'i Jakoba sy Esao ny amin'ny zavatra ho avy.
20因著信,以撒給雅各和以掃祝福,論到將來的事。
21Finoana no nitsofan'i Jakoba rano ny zanak'i Josefa roa lahy, rehefa ho faty izy, ka nivavaka izy, niankina tamin'ny lohan'ny tehiny.
21因著信,雅各臨死的時候,分別為約瑟的兒子祝福,又倚著杖頭敬拜 神。
22Finoana no nilazan'i Josefa ny fialan'ny Zanak'isiraely, rehefa ho faty izy, sy nanafarany ny amin'ny taolany.
22因著信,約瑟臨終的時候,提到以色列子民出埃及的事,並且為自己的骸骨留下遺言。
23Finoana no nanafenan'ny ray aman-drenin'i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin'ny mpanjaka.
23因著信,摩西的父母在摩西生下來以後,因為看見孩子俊美,就把他藏了三個月,不怕王的命令。
24Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe izy,-
24因著信,摩西長大了以後,就拒絕被稱為法老女兒的兒子。
25nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana,
25他寧願選擇和 神的子民一同受苦,也不肯享受罪惡中暫時的快樂。
26nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy.
26在他看來,為著基督受的凌辱,比埃及的財物更寶貴,因為他注視將來的賞賜。
27Finoana no nandaovany an'i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran'ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.
27因著信,他離開了埃及,不怕王的忿怒;因為他堅定不移,就像看見了人不能看見的 神。
28Finoana no nitandremany ny Paska sy ny famafazana ny rà, fandrao hahatratra ny azy ilay nandringana ny lahimatoa. [ Na: nanendreny]
28因著信,他立了逾越節和灑血的禮,免得那滅命的侵犯以色列人的長子。
29Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman'ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
29因著信,他們走過了紅海,好像走過旱地一樣;埃及人也試著要過去,就被淹沒了。
30Finoana no nampirodana ny màndan'i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
30因著信,耶利哥的城牆被圍繞了七天,就倒塌了。
31Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.
31因著信,妓女喇合和和平平接待了偵察的人,就沒有和那些不順從的人一起滅亡。
32Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an'i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
32我還要再說甚麼呢?如果再要述說基甸、巴拉、參孫、耶弗他、大衛、撒母耳和眾先知的事,時間就不夠了。
33izay nandresy fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona,
33他們藉著信,就戰勝了敵國,伸張了正義,得到了應許,堵住了獅子的口,
34namono ny fidedadedan'afo, afaka tamin'ny lelan-tsabatra, raha nalemy dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin'ny ady, dia nampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa.
34消滅了烈火的威力,逃脫了刀劍的鋒刃,軟弱變成剛強,在戰爭中顯出大能,把外國的軍隊擊退。
35Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
35有些婦女得回從死裡復活的親人;但也有些人忍受了酷刑,不肯接受釋放,為的是要得著更美的復活。
36ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa;
36又有些人遭受了戲弄、鞭打,甚至捆鎖、監禁;
37notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin'ny sabatra, dia nirenireny nitafy hoditr'ondry sy hoditr'osy; efa lao, ory, fadiranovana
37被石頭打死,被鋸鋸死,(後期抄本在此加上“受試探”)被刀殺死。他們披著綿羊山羊的皮到處奔跑、受窮乏、遭患難、被虐待;
38(nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory) dia nirenireny tany an-efitra sy tany an'tendrombohitra sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.
38原是這世界不配有的人。他們飄流無定,在曠野、山嶺、石洞和地穴棲身。
39Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana,fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
39所有這些人都藉著信得了稱許,卻還沒有得著所應許的;
40fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika.
40因為 神已經為我們預備了更美的事,使他們若不跟我們在一起,就不能完全。