Malagasy

聖經新譯本

Hebrews

12

1[Fananarana hampahatanjaka ny sain'ny malemy finoana sy hampaharitra azy] Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
1專一注視耶穌所以,我們既然有這麼多的見證人,像雲彩圍繞著我們,就應該脫下各樣的拖累,和容易纏住我們的罪,以堅忍的心奔跑那擺在我們面前的賽程;
2mijery an'i Jesosy, Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy, Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra Izy.
2專一注視耶穌,就是我們信心的創始者和完成者。他因為那擺在面前的喜樂,就忍受了十字架,輕看了羞辱,現在就坐在 神寶座的右邊。
3Fa hevero tsara Ilay naharitra ny fanoherana nataon'ny mpanota taminy, fandrao ho ketraka ianareo, ka ho reraka ny fanahinareo. [ Na: ireo mpanota manimba tena]
3這位忍受罪人那樣頂撞的耶穌,你們要仔細思想,免得疲倦灰心。
4Hianareo tsy mbola nanohitra niady tamin'ny ota hatramin'ny fahalatsahan-drà.
4主必管教他所愛的你們與罪惡鬥爭,還沒有對抗到流血的地步;
5Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin'ny zanaka hoe: "Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon'i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;
5你們又忘記了那勸你們好像勸兒子的話,說:“我兒!你不可輕看主的管教,受責備的時候也不要灰心;
6Fa izay tian'i Jehovah no faizany, Ary izay zanaka rehetra raisiny no kapohiny" (Oha. 3.11,12).
6因為主所愛的,他必管教,他又鞭打所收納的每一個兒子。”
7Famaizana no anton'ny iaretanareo; Andriamanitra mitondra anareo tahaka ny zanaka; fa aiza moa izay zanaka tsy faizan-drainy?
7為了接受管教,你們要忍受,因為 神待你們好像待兒子一樣;哪有兒子不受父親管教的呢?
8Fa raha tsy faizana tahaka ny itondrana azy rehetra ianareo, dia zazasary, fa tsy zanaka.
8作兒子的都受過管教。如果你們沒有受管教,就是私生子,不是兒子了。
9Ary koa, isika dia nanana ny rain'ny nofontsika ho mpanafay antsika ka efa nanaja azy; tsy mainka va ny hanekentsika ny Rain'ny fanahy, ka ho velona isika?
9還有,肉身的父親管教我們,我們尚且敬重他們;何況那萬靈的父,我們不是更要順服他而得生嗎?
10Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin'ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.
10肉身的父親照著自己的意思管教我們,只有短暫的日子;唯有 神管教我們,是為著我們的好處,使我們在他的聖潔上有分。
11Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
11但是一切管教,在當時似乎不覺得快樂,反覺得痛苦;後來卻為那些經過這種操練的人,結出平安的果子來,就是義。
12Koa hatanjaho ny tanana miraviravy sy ny lohalika malemy; [ Na: ahitsio]
12把下垂的手發軟的腿挺起來所以,你們要把下垂的手和發軟的腿挺直起來;
13ary manaova lala-mahitsy halehan'ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa.
13也要把你們所走的道路修直,使瘸子不至於扭腳,反而得到復原。
14Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
14你們要竭力尋求與眾人和睦,並且要竭力追求聖潔。如果沒有聖潔,誰也不能見主。
15Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin'ny fahasoavan'Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;
15你們要小心,免得有人失去了 神的恩典;免得有苦根長起來纏繞你們,因而污染了許多人;
16fandrao hisy mpijangajanga na olona tsy manaja ny masina, dia tahaka an'i Esao, izay nivarotra ny fizokiany hahazoany hanina indraim-bava.
16又免得有人成為淫亂的和貪戀世俗的,好像以掃一樣,為了一點點食物,竟把自己長子的名分出賣了。
17Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.
17你們知道,後來以掃想要承受祝福,卻被拒絕了;他雖然帶著眼淚尋求,還是沒有反悔的餘地。
18[Ny halehiben'ny fahasoavana azo amin'ny fanekena vaovao, sy ny halehiben'ny helok'izay mandà izany] Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra
18不可違背那警戒人的 神你們不是來到那座摸得著的山。那裡有烈火、密雲、幽暗、暴風、
19sy ny fanenon'ny trompetra ary ny feon'ny teny, ka izay nandre izany dia nangataka mba tsy hasian-teny intsony izy;
19號筒的響聲和說話的聲音;那些聽見這聲音的人,都請求 神不要再向他們多說話;
20fa tsy tohany ilay nandidiana hoe: "Ary raha misy biby aza mikasika ny tendrombohitra, dia hotoraham-bato izany" (Eks. 19. 12, 13),
20因為他們擔當不起那命令:“就是走獸挨近這山,也要用石頭把牠打死。”
21ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo]. 9.19).
21當時,顯出的景象是那麼可怕,連摩西也說:“我非常恐懼戰兢。”
22Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan'Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin'ny anjely tsy omby alinalina,
22你們卻是來到錫安山和永活的 神的城,就是天上的耶路撒冷;在那裡有千萬的天使聚集,
23amin'ny fihaonana fifaliana sy ny fiangonan'ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin'Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin'ny fanahin'ny olona marina izay efa natao tanteraka, [ Na: ho amin'ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian'ny anjely] [ Gr. eklesia]
23有名字登記在天上眾長子的教會,有審判眾人的 神,有被成全的義人的靈魂,
24sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an'i Abela.
24有新約的中保耶穌,還有他所灑的血。這血所傳的信息比亞伯的血所傳的更美。
25Tandremo mba tsy holavinareo Izay miteny. Fa raha izy ireo tsy afa-nandositra tamin'ny nandavany ilay nilaza ny tenin'Andriamanitra taminy tetỳ ambonin'ny tany, mainka fa isika, raha mihodina miala amin'ilay avy any an-danitra,
25你們要謹慎,不要棄絕那位說話的,因為從前的人棄絕了那位在地上警戒他們的,尚且不能逃罪;何況現在我們背棄那位從天上警戒我們的呢?
26Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).
26當時他的聲音震動了地;現在他卻應許說:“下一次,我不但要震動地,還要震動天。”
27Ary ny hoe "indray maka koa" dia manambara ny hanovana izay zavatra ampihorohoroina, toy ny zavatra natao, mba haharetan'izay zavatra tsy ampihorohoroina.
27“下一次”這句話,是表明那些被震動的,要像被造之物那樣被除去,好使那些不能震動的可以留存,
28Koa satria mandray fanjakana tsy azo ampihorohoroina isika, dia aoka isika hanana fahasoavana ho entintsika manao izay fanompoana sitrak'Andriamanitra amin'ny fanajana sy ny fahatahorana; [ Na: hanana fanahy misaotra]fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).
28因此,我們既然領受了不能震動的國,就應該感恩,照著 神所喜悅的,用虔誠敬畏的心事奉他;
29fa Andriamanitsika dia afo mandevona (Deo. 4.24).
29因為我們的 神是烈火。