1[Anatra sy fanaovam-beloma] Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
1教導信徒該作的事你們總要保持弟兄的愛。
2Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin'izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
2不要忘了用愛心接待人,有人就是這樣作,在無意中就款待了天使。
3Tsarovy izay mifatotra, ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo, ary izay ampahorina, satria mbola eo amin'ny tena koa ianareo.
3你們要記念那些被囚禁的人,好像跟他們一起被囚禁;也要記念那些受虐待的人,好像你們也親自受過。
4Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
4人人都應該尊重婚姻,婚床也不要玷污,因為 神一定審判淫亂的和姦淫的人。
5Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory" (Jos. 1.5).
5你們為人不要貪愛錢財,要以現在所有的為滿足;因為 神親自說過:“我決不撇下你,也不離棄你。”
6Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?" (Sal 118. 6).
6所以我們可以放膽說:“主是我的幫助,我決不害怕,人能把我怎麼樣呢?”
7Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nitory ny tenin'Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran'ny fiainany, ka araho ny finoany.
7你們要記念那些領導過你們,把 神的道傳給你們的人;你們要觀察他們一生的成果,要效法他們的信心。
8Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
8耶穌基督昨天、今天、一直到永遠都是一樣的。
9Aza mety havilin'izay fampianarana maro hafahafa ianareo. Fa tsara raha ampiorenina amin'ny fahasoavana ny fo, fa tsy amin'ny hanina, izay tsy mahasoa ny mahavatra azy.
9你們不要被各樣怪異的教訓勾引去了。人心靠著恩典,而不是靠著食物得到堅定,才是好的;因為那些拘守食物的人,從來沒有得過益處。
10Isika manana alitara, izay tsy ananan'ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.
10我們有一座祭壇,壇上的祭物,是那些在會幕中供職的人沒有權利吃的。
11Fa rehefa nentin'ny mpisoronabe niditra ho ao amin'ny fitoerana masina ho fanatitra noho ny ota ny ran'ny biby, dia nodorana teny ivelan'ny toby ny fatiny.
11那些祭牲的血,由大祭司帶進聖所作贖罪祭,祭牲的身體卻要在營外焚燒。
12Ary amin'izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan'ny vavahady mba hahamasina ny olona amin'ny ràny.
12所以耶穌也是這樣在城門外受苦,為的是要藉著自己的血使人民成聖。
13Koa aoka isika hivoaka hankeo aminy eo ivelan'ny toby, mitondra ny latsa izay nentiny.
13那麼,讓我們也出到營外到他那裡去,擔當他的凌辱。
14Fa etỳ isika tsy manana tanàna maharitra, fa mitady ny ho avy.
14因為在這裡我們沒有長存的城,我們卻是尋求那將要來的城。
15Koa aoka isika hanatitra ny fanati-piderana amin'ny alalany ho an'Andriamanitra mandrakariva, dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny anarany.
15所以,我們要藉著耶穌,常常把頌讚的祭品獻給 神,這就是承認他的名的人嘴唇的果子。
16Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak'Andriamanitra.
16你們也不要忘記行善和捐輸,這樣的祭是 神所喜悅的。
17Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
17你們要聽從那些領導你們的人,也要順服他們;因為他們為你們的靈魂警醒,好像要交帳的人一樣。你們要使他們交帳的時候快快樂樂,不至於歎息;如果他們歎息,對你們就沒有好處了。
18Mivavaha ho anay; fa matoky izahay fa manana fieritreretana tsara ka te-hitondra tena tsara amin'ny zavatra rehetra.
18請為我們禱告,因為我們深信自己良心無虧,願意凡事遵行正道。
19Nefa mainka mangataka anareo hanao izany aho, mba hampodina faingampaingana kokoa ho aminareo.
19我更加要求你們為我們禱告,好使我們能夠快點回到你們那裡去。
20Ary Andriamanitry ny fiadanana, Izay nitondra an'i Jesosy Tompontsika, Mpiandry ondry lehibe, hiala amin'ny maty, mitondra ny ran'ny fanekena mandrakizay, [ Na: Mpiandry ondry lehibe amin'ny ran'ny fanekena mandrakizay hiala amin'ny maty]
20祝福和問安願賜平安的 神,就是那憑著永約的血,把群羊的大牧人我們的主耶穌,從死人中領出來的那一位,
21Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Na: asa tsara] [Na: (anatintsika)]
21在一切善事上成全你們,好使你們遵行他的旨意;又藉著耶穌基督在我們裡面,行他所喜悅的事。願榮耀歸給他,直到永永遠遠。阿們。
22Ary mangataka aminareo aho, ry rahalahy, zakao ny teny fananarana; fa efa nanoratra epistily fohifohy ihany ho aminareo aho.
22弟兄們,我勸你們耐心接受我這勸勉的話,因為我只是簡略地寫給你們。
23Aoka ho fantatrareo fa efa afaka Timoty rahalahintsika; koa raha tàhiny handeha faingana izy, dia hiaraka aminy hamangy anareo aho.
23你們要知道,我們的弟兄提摩太已經釋放了;如果他來得早,我就跟他一起去看你們。
24Manaova veloma amin'izay rehetra mpitondra anareo sy ny olona masina rehetra. Izay an'Italia dia manao veloma anareo.Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.
24請問候所有領導你們的人和所有聖徒。從意大利來的人也問候你們。
25Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana. Amena.
25願恩惠與你們眾人同在。