1[Ny amin'ny fakam-panahy, sy ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra] Jakoba, mpanompon'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo, mamangy ny firenena roa ambin'ny folo monina any am-pielezana.
1以試煉為喜樂 神和主耶穌基督的僕人雅各,向散居各地的十二支派問安。
2Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo, [ Na: fizahan-toetra]
2我的弟兄們,你們遭遇各種試煉的時候,都要看為喜樂;
3satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.
3因為知道你們的信心經過考驗,就產生忍耐。
4Ary aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, mba ho tanteraka sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy tsy ampy na inona na inona.
4但忍耐要堅持到底(“堅持到底”原文作“有完全的功效”),使你們可以完全,毫無缺乏。
5Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. [ Na: kely fahendrena]
5你們中間若有人缺少智慧,就當向那厚賜眾人,而且不斥責人的 神祈求,他就必得著。
6Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
6可是,他應該憑著信心祈求,不要有疑惑;因為疑惑的人,就像被風吹蕩翻騰的海浪。
7Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany:
7那樣的人,不要想從主得到甚麼;
8olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.
8因為三心兩意的人,在他的一切道路上,都搖擺不定。
9Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany;
9富貴榮華轉眼消逝卑微的弟兄應當以高升為榮;
10fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
10富足的也不應該以降卑為辱;因為他如同草上的花,必要過去。
11Fa miposaka ny masoandro mbamin'ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon'ny manan-karena amin'ny alehany.
11太陽一出,熱風一吹,草必枯乾,花必凋謝,它的美容就消失了;富足的人也必在他的奔波經營中這樣衰落。
12Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.
12忍受試煉的人有福了能忍受試煉的人,是有福的;因為他經過考驗之後,必得著生命的冠冕,這冠冕是主應許給愛他的人的。
13Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy;
13人被試探,不可說“我被 神試探”;因為 神不能被惡試探,他也不試探任何人。
14fa samy alaim-panahy ny olona, raha tarihin'ny filany sy fitahiny izy.
14每一個人受試探,都是被自己的私慾所勾引誘惑的。
15Ary ny filàna, rehefa torontoronina, dia miteraka ota; ary ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana.
15私慾懷了胎,就生出罪;罪長成了,就產生死亡。
16Aza mety hofitahina ianareo, sy rahalahy malalako.
16我親愛的弟兄們,不要看錯了。
17Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.
17各樣美好的賞賜,各樣完備的恩賜,都是從上面、從眾光之父降下來的,他本身並沒有改變,也沒有轉動的影子。
18Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.
18他憑著自己的旨意,藉著真理的道生了我們,使我們作他所造的萬物中初熟的果子。
19Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra;
19要作行道的人我親愛的弟兄們,你們要知道,人人都應該快快地聽,慢慢地說,慢一點動怒;
20fa ny fahatezeran'ny olona tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.
20因為人的忿怒並不能成全 神的義。
21Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
21所以你們應當擺脫一切污穢和所有的邪惡,以溫柔的心領受 神栽種的道;這道能救你們的靈魂。
22Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
22你們應該作行道的人,不要單作聽道的人,自己欺騙自己;
23Fa raha misy mpihaino ny teny, nefa tsy mpankatò, dia toy ny olona mizaha ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy;
23因為人若只作聽道的人,不作行道的人,他就像一個人對著鏡子看自己本來的面貌,
24fa mijery ny tenany izy, dia lasa, ary miaraka amin'izay dia hadinony ny tarehiny.
24看過走開以後,馬上就忘記自己的樣子。
25Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany.
25唯有詳細察看那使人自由的全備的律法,並且時常遵守的人,他不是聽了就忘記,而是實行出來,就必因自己所作的蒙福。
26Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
26如果有人自以為虔誠,卻不約束他的舌頭,反而自己欺騙自己,這人的虔誠是沒有用的。
27Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
27在父 神看來,純潔無玷污的虔誠,就是照顧患難中的孤兒寡婦,並且保守自己不被世俗所污染。