1[Fampitahana an'i Kristy sy Mosesy] Koa amin'izany, ry rahalahy masina, mpiombona ny fiantsoana avy any an-danitra, hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy,
1耶穌比摩西更尊貴因此,同蒙天召的聖潔的弟兄啊!你們應該想想耶穌,就是作使徒、作我們所宣認的大祭司的那一位。
2Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an'i Mosesy koa tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra. [Izahao Nom. 12. 7]
2他忠於那位委派他的,好像摩西在 神的全家盡忠一樣。
3Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan'ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony.
3他比摩西配得更大的榮耀,好像建造房屋的人比房屋配得更大的尊貴一樣。
4Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
4因為每一間房屋都是人建造的,只有萬物是 神建造的。
5Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin'ny tranon'Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;
5摩西不過是個僕人,在 神的全家盡忠,為以後要傳講的事作證;
6fa Kristy kosa dia Zanaka manapaka ny tranon'Andriamanitra; ary isika no tranony, raha hazonintsika mafy hatramin'ny farany ny fahasahiana sy ny firavoravoana momba ny fanantenana.
6但是基督卻是兒子,管理自己的家。如果我們把坦然無懼的心和可誇的盼望持守到底,我們就是他的家了。
7Koa araka izay lazain'ny Fanahy Masina hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo,
7以色列人因不信得不到安息所以,就像聖靈所說的:“如果你們今天聽從他的聲音,
8Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana, tamin'ny andro fakam-panahy tany an-efitra,
8就不要硬著心,好像在曠野惹他發怒、試探他的日子一樣;
9Izay nakan'ny razanareo fanahy Ahy tamin'ny nizahany toetra Ahy, Ary nahita ny asako efa-polo taona izy.
9在那裡,你們的祖先以試驗來試探我,觀看我的作為有四十年之久。
10Koa tezitra tamin'izany taranaka izany Aho Ka nanao hoe: Ireo dia maniasia amin'ny fony mandrakariva Ka tsy nahalala ny lalako;
10所以,我向那個世代的人發怒,說:‘他們心裡常常迷誤,不認識我的道路。’
11Ary araka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.7-11).
11我就在烈怒中起誓,說:‘他們絕不可進入我的安息。’”
12Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona;
12弟兄們,你們要小心,免得你們中間有人存著邪惡、不信的心,以致離棄了永活的 神;
13fa mifananara isan'andro, raha mbola atao hoe "Anio"; fandrao hisy aminareo ho tonga mafy fo noho ny famitahan'ny ota.
13趁著還有叫作“今天”的時候,總要天天互相勸勉,免得你們中間有人受了罪惡的誘惑,心裡就剛硬了。
14Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany;
14如果我們把起初的信念堅持到底,就是有分於基督的人了。
15raha atao hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin'ny fahasosorana." (Sal. 95 7, 8).
15經上說:“如果你們今天聽從他的聲音,就不要硬著心,像惹他發怒的時候一樣。”
16Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin'i Mosesy niala tany Egypta va?
16那時,聽了他的話而惹他發怒的是誰呢?不就是摩西從埃及領出來的那些人嗎?
17Ary iza no nahatezitra Azy efa-polo taona? Tsy izay nanota va, ka dia niampatrampatra tany an-efitra ny fatiny?
17四十年之久, 神向誰發怒呢?不就是向那些犯了罪陳屍曠野的人嗎?
18Ary iza no nianianany fa tsy hiditra any amin'ny fitsaharany, afa-tsy izay tsy nanaiky?Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.
18他又向誰起誓說,他們絕對不可以進入他的安息呢?不就是向那些不順從的人嗎?
19Ka dia hitantsika fa tsy nahazo niditra izy ireo noho ny tsi-finoany.
19這樣看來,他們不能進入安息,是因為不信的緣故。