1Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
1信的人可以進入安息所以,那進入安息的應許,既然還給我們留著,我們就應該戰戰兢兢,恐怕我們中間有人像是被淘汰了。
2Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre. [ Na: satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy]
2因為有福音傳給我們,像傳給他們一樣,只是他們所聽見的道,對他們沒有益處,因為他們沒有用信心與所聽見的打成一片(“沒有用信心與所聽見的打成一片”,有古卷作“沒有用信心與聽從這道的人打成一片”)。
3Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
3然而我們信了的人,就可以進入那安息。正如 神所說:“我在烈怒中起誓說,他們絕不可進入我的安息!”其實 神的工作,從創立世界以來已經完成了。
4Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2.3).
4因為論到第七日,他在聖經某一處說:“在第七日 神歇了他的一切工作。”
5Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11].
5但在這裡又說:“他們絕不可進入我的安息。”
6Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
6既然這安息還留著要讓一些人進去,但那些以前聽過福音的人,因為不順從不得進去;
7dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio", araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95.7, 8)
7所以 神就再定一個日子,就是過了很久以後,藉著大衛所說的“今天”,就像前面引用過的:“如果你們今天聽從他的聲音,就不要硬著心。”
8Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
8如果約書亞已經使他們享受了安息, 神後來就不會再提到別的日子了。
9Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
9這樣看來,為了 神的子民,必定另外有一個“安息日”的安息保留下來。
10Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy. [ Na: izy]
10因為那進入 神安息的人,就歇了自己的工作,好像 神歇了自己的工作一樣。
11Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
11所以,我們要竭力進入那安息,免得有人隨著那不順從的樣子就跌倒了。
12Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
12 神的道是活的、有效的 神的道是活的,是有效的,比一切兩刃的劍更鋒利,甚至可以刺入剖開靈與魂,關節與骨髓,並且能夠辨明心中的思想和意念。
13Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason'izay iafaran'ny ataontsika.
13被造的在 神面前沒有一樣不是顯明的,萬有在他的眼前都是赤露敞開的;我們必須向他交帳。
14[Fampitahana an'i Kristy sy ny mpisoronabe] Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak'Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.
14我們的大祭司耶穌我們既然有一位偉大的、經過了眾天的大祭司,就是 神的兒子耶穌,就應該堅持所宣認的信仰。
15Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory. [ Gr. tandrifin'izany]
15因為我們的大祭司並不是不能同情我們的軟弱,他像我們一樣,也曾在各方面受過試探,只是他沒有犯罪。
16Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory. [ Gr. tandrifin'izany]
16所以,我們只管坦然無懼地來到施恩的寶座前,為的是要領受憐憫,得到恩惠,作為及時的幫助。