Malagasy

聖經新譯本

Hebrews

5

1Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin'ny olona ka tendrena ho solon'ny olona hanao ny raharahan'Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
1每一個大祭司都是從人間選出來,奉派替人辦理與 神有關的事,為的是要獻上禮物和贖罪的祭物。
2dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin'ny fahalemena ihany;
2他能夠溫和地對待那些無知和迷誤的人,因為他自己也被軟弱所困。
3ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an'ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an'ny olona ihany.
3因此,他怎樣為人民的罪獻祭,也應該怎樣為自己的罪獻祭。
4Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona.
4沒有人可以自己取得這大祭司的尊榮,只有像亞倫一樣,蒙 神選召的才可以。
5Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7);
5照樣,基督也沒有自己爭取作大祭司的尊榮,而是曾經對他說:“你是我的兒子,我今日生了你”的 神榮耀了他;
6ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4).
6就像他在另一處說:“你是照著麥基洗德的體系,永遠作祭司的。”
7Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra, [ Gr. nanatitra] [ Na: voahaino ka afaka tamin'ny fahatahorany]
7基督在世的時候,曾經流淚大聲禱告懇求那位能救他脫離死亡的 神;因著他的敬虔,就蒙了應允。
8dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
8他雖然是兒子,還是因著所受的苦難學會了順從。
9ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy,
9他既然順從到底,就成了所有順從他的人得到永遠救恩的根源;
10fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka."
10而且蒙 神照著麥基洗德的體系,稱他為大祭司。
11[Anatra sy famporisihana hampandroso tsara ny olona] Ny amin'izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
11勸勉信徒要長大成人論到這些事,我們有很多話要說,可是很難解釋;因為你們已經遲鈍了,聽不進去。
12Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
12到這個時候,你們應該已經作老師了;可是你們還需要有人再把 神道理的初步教導你們。你們成了只能吃奶而不能吃乾糧的人!
13Fa izay rehetra mivelona amin'ny ronono dia tsy zatra amin'ny tenin'ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [ Na: tanteraka]
13凡是吃奶的,還是個嬰孩,對公義的道理沒有經歷;
14Fa ho an'izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an'izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. [ Na: tanteraka]
14只有長大成人的,才能吃乾糧,他們的官能因為操練純熟,就能分辨是非了。