Malagasy

聖經新譯本

Hosea

10

1Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
1斥責以色列拜偶像以色列最茂盛的葡萄樹,自己能結果子。他的果子越多,他就越增添祭壇;他的土地越肥美,他就使柱像越美麗。
2Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny [Heb. Malambolambo]
2他們心懷詭詐,現在要承擔這罪的懲罰。耶和華必拆毀他們的祭壇,毀壞他們的柱像。
3Amin'izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
3那時他們必說:“我們沒有君王,因為我們不敬畏耶和華。至於君王,他能為我們作甚麼呢?”
4Niteniteny foana izy tamin'ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
4他們說很多話,起假誓,又立盟約;所以審判像毒草一般在田間的犁溝中生長起來。
5Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
5撒瑪利亞的居民必因伯.亞文的牛犢而懼怕;拜牛犢的人民必為它哀慟。拜牛犢的祭司必為它哀號,都因它的榮耀離開它而被擄去了。
6[Ary ny mpisorony mangovitra noho ny aminy, dia noho ny amin'ny voninahiny, fa lasan-ko babo izany] Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
6人要把它帶到亞述去,作貢物獻給那裡的大王。以法蓮必受羞辱,以色列必因自己的計謀蒙羞。
7Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin'ny rano.
7至於撒瑪利亞,她與她的君王必被剪除;好像浮在水面的枯枝一般。
8Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
8伯.亞文的邱壇,就是以色列的罪惡,都要被拆毀;荊棘和蒺藜必在他們的祭壇上面長起來。那時人要對大山說:“遮蓋我們!”對小山說:“倒在我們身上!”
9Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
9耶和華的審判以色列啊!從基比亞的日子以來,你就犯罪,他們仍然留在那裡,難道攻擊惡人的戰禍不能在基比亞趕上他們嗎?
10Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
10我必來懲罰他們;他們被自己那雙重的罪孽捆綁的時候,列國就集結起來攻擊他們。
11Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.[Heb. hihoarako]
11以法蓮是一頭馴服的母牛,喜愛踹穀;我卻要把軛扣在牠肥美的頸項上,我要使以法蓮拖犁;猶大要耕田,雅各必耙地。
12Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.[Na: Miasà tany vaovao ho anareo][Na: hampianarany anareo ny fahamarinana]
12你們要為自己撒種公義,就能收割慈愛的果子,你們要翻鬆荒地。現在是尋求耶和華的時候,直等到他來,降下公義的雨在你們身上。
13Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo ianareo.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
13你們耕種奸惡,收割不義,自吃謊言的果子;因為你倚靠自己的戰車和眾多的勇士。
14Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]Toy izany no hataon'i Betela aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]
14所以必有鬨嚷之聲攻擊你的眾民,你的一切城堡都必被毀壞,正如沙勒幔在爭戰的日子毀壞伯.亞比勒一般,有母親與兒女一同在那裡被摔死。
15Toy izany no hataon'i Betela aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]
15以色列家啊,因你們的罪大惡極,我必這樣待你們。在風暴中,以色列的王必全然被除滅。