1Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
1離棄 神的必將被擄以色列啊!不要歡喜;不要像外族人一樣快樂,因為你行了邪淫,離開你的 神,在各打穀場上喜愛賣淫的賞賜。
2Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
2打穀場和榨酒池不能餵養他們,新酒也必使他們失望。
3Tsy honina ao amin'ny tanin'i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
3他們必不得住在耶和華之地;以法蓮要回到埃及去,要在亞述吃不潔之物。
4Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an'i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'i Jehovah.
4他們必不得向耶和華奠酒,他們的祭物也不能使他喜悅。他們的餅好像喪家的餅,凡吃這餅的,都必被玷污;因為他們的餅只可自己吃,不可帶進耶和華的殿。
5Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin'ny fotoam-pivavahana sy amin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah?
5那麼,在規定集會的日子和耶和華節期的時候,你們能作甚麼?
6Fa he! lasa izy noho ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.[Na: miala amin']
6看哪!他們逃到亞述去,埃及要收殮他們,摩弗要埋葬他們。他們珍貴的銀器必為蒺藜所佔有,他們的帳棚必長滿荊棘。
7Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr'Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan'ny helokao sy ny habetsahan'ny fanoherana.
7懲罰的日子臨近,報應的時候來到,以色列必定知道,因著你們眾多的罪孽和深仇大恨,先知被看為愚昧,受靈感動的人被當作瘋子。
8Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin'Andriamanitro; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin'ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.[Na: Efraima dia tily tao amin'Andriamanitro]
8先知與 神一同作以法蓮的守望者,在他所行的一切路上,都滿有捕鳥人的網羅,在他 神的家中只有仇恨。
9Fatra-panao ratsy toy ny tamin'ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
9以法蓮深深敗壞,如同在基比亞的日子一般。 神必記得他們的罪孽,懲罰他們的罪惡。
10Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy.
10以色列犯罪及其後果“我遇見以色列,好像在曠野裡遇見葡萄。我看見你們的列祖,像看見無花果樹初熟的果子。他們卻來到巴力.毗珥,專作羞恥的事,成為可憎惡的,像他們所愛的偶像一樣。
11Ny amin'i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan'anaka, na ho torontoronina.
11至於以法蓮,他們的榮耀必如鳥兒飛逝;沒有生育,沒有懷胎,沒有成孕。
12Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin'ny handaozako azy!
12即使他們把兒女養大,我也必使他們喪子,一個不留。我離棄他們的時候,他們就有禍了。”
13Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin'ny tany mahafinaritra tahaka an'i Tyro, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin'ny mpamono izy.[Na: araka ny nahitako azy hatrany Tyro, dia voavoly, etc]
13在我看來,以法蓮的兒女註定被當作獵物;以法蓮要把自己的兒女帶出來,交給施行殺戮的人。
14Jehovah ô, omeo azy - inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza sy ny nono ritra.[Na: momba]
14耶和華啊,求你賜給他們;你要賜給他們甚麼呢?求你使他們墜胎小產,乳房萎縮。
15Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian'ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
15“他們的一切罪惡都在吉甲,我在那裡憎恨他們,因他們的惡行,我要把他們從我的家裡趕出來;我不再愛他們,他們的領袖都是叛徒。
16Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.
16以法蓮被擊打,他們的根枯乾了,必不能再結果子。即使他們生產,我必殺死他們所生的愛子。”
17Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.
17我的 神必棄絕他們,因為他們不聽從他;他們必在列國中飄流。