Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

1

1Ny fahitan'Isaia, zanak'i Amoza, izay hitany ny amin'ny Joda sy Jerosalema tamin'ny andron'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, izay samy mpanjakan'ny Joda.
1先知責備子民在烏西雅、約坦、亞哈斯和希西家作猶大王的時候,亞摩斯的兒子以賽亞看見異象,是關於猶大和耶路撒冷的:
2[Ny alahelon'i Jehovah noho ny niodinan'ny Isiraely, ary ny nananarany azy sy ny nokasainy hatao aminy] Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
2諸天哪!要聽。大地啊!要留心聽。因為耶和華說:“我把孩子養育,使他們成長,他們卻背叛了我。
3Ny omby mahalala ny tompony, Ary ny boriky ny fihinanam-bilon'ny tompony; Fa ny Isiraely tsy mahalala, Ny oloko tsy misaina.
3牛認識主人,驢認識主人的槽;以色列卻不認識我,我的子民不明白我。”
4Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, Efa nanamavo ny Iray Masin'ny Isiraely. Efa nihodina izy.
4嗐!犯罪的國,罪孽深重的子民,行惡的子孫,敗壞的兒女!他們離棄了耶和華,藐視以色列的聖者,他們轉離了他。
5Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
5你們為甚麼屢次悖逆,還要受責打嗎?你們整個頭都受了傷,整個心都發昏了。
6Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy.
6從腳掌到頭頂,沒有一處是完全的;盡是創傷、鞭痕和流血的傷口;沒有擠乾淨傷口,沒有包紮,也沒有用膏油滋潤。
7Ny taninareo dia efa lao; Ny tanànanareo dia voadotra tamin'ny afo; Ny tany volenareo dia lanin'ny fahavalo eo imasonareo, ary lao izy toy ny efa noravan'ny fahavalo.[Heb. hafa firenena]
7你們的土地荒涼,你們的城鎮被火燒毀,你們的田地,在你們面前給外族人侵吞;被外族人傾覆之後,就荒涼了。
8Ary Ziona zanakavavy dia nilaozana tahaka ny trano rantsan-kazo ao anaty tanim-boaloboka, Sy tahaka ny fandriana mihantona an'ny mpiandry voly ao anaty tanimbolim-boantango, Dia tahaka ny tanàna atao fahirano.[voantangom-bazaha]
8僅存的錫安居民(“居民”原文作“女子”),好像葡萄園中的草棚,瓜田裡的茅屋,被圍困的城鎮。
9Raha tsy nosisan'i Jehovah. Tompon'ny maro, olona vitsivitsy isika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma Ary nitovy tamin'i Gomora.
9若不是萬軍之耶和華給我們留下一些生還者,我們早已像所多瑪、蛾摩拉一樣了。
10Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.
10一面守節,一面犯罪你們這些所多瑪的官長啊!要聽耶和華的話;你們這些蛾摩拉的人民啊!要側耳聽我們 神的教訓。
11Hataoko inona ny zavatra betsaka vonoinareo ho fanatitra? hoy Jehovah; Efa tofoka ny ondrilahy atao fanatitra dorana sy ny saboran'ny zanak'omby mifahy Aho, Ary tsy sitrako ny ran'ny vantotr'ombilahy sy ny an'ny zanak'ondry ary ny an'ny osilahy.
11耶和華說:“你們獻上眾多祭物,對我有甚麼益處呢?公綿羊的燔祭和肥畜的脂肪,我已經夠了;公牛、羊羔和公山羊的血,我都不喜悅。
12Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako?
12你們來朝見我的時候,誰要求你們這樣踐踏我的院子呢?
13Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masina haroharoam-paharatsiana!
13不要再帶沒有意義的供物來了,燒獻祭物的香氣也是我厭惡的。我厭煩月朔、安息日和集會;作罪孽又守嚴肅會,是我不能容忍的。
14Ny voaloham-bolanareo sy ny fotoam-pivavahanareo dia halan'ny fanahiko, Mavesatra amiko izany, Ka sasatra mitondra azy Aho.
14你們的月朔和制定的節期,我心裡恨惡;它們都成了我的重擔,我已承擔得不耐煩了。
15Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran'olona ny tananareo.[Heb. rà nalatsaka]
15所以你們張開雙手的時候,我必掩眼不看你們;即使你們多多禱告,我也不聽;你們的手都沾滿血腥。
16Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan'ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
16務要除惡行善你們要洗滌自己,潔淨自己;從我眼前除掉你們的惡行;要停止作惡,
17Mianara hanao ny tsara, Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory, Omeo rariny ny kamboty, tsarao ny adin'ny mpitondratena.
17學習行善,尋求公平,指責殘暴的人,替孤兒伸冤,為寡婦辨屈。”
18Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
18耶和華說:“你們來,我們彼此辯論;你們的罪雖像硃紅,必變成雪白;雖紅如丹顏,必白如羊毛。
19Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny voka-tsoa amin'ny tany;
19你們若願意聽從,就必得吃地上的美物;
20Fa raha mbola mandà sy miodina ihany ianareo, Dia ho lanin'ny sabatra: Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
20你們若不聽從,反而悖逆,就必被刀劍吞滅。”這是耶和華親口說的。
21Indrisy! tonga janga ity tanàna mahatoky Izay feno ny rariny taloha Sady nitoeran'ny fahamarinana, Fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
21聖城的罪惡那忠貞的城,怎麼會變成妓女!她從前充滿公平,有公義居在其中,現在卻有兇手居住。
22Ny volafotsinao efa tonga tain-drendrika; Ny divainao efa voatsatso rano;
22你的銀子變成了渣滓,你的酒用水攙混。
23Ny lehibenao dia mpiodina sady naman'ny mpangalatra; Samy tia kolikoly sy fatra-nitady tambitam-by avokoa izy rehetra; Ny kamboty tsy mba omeny rariny, Ary ny adin'ny mpitondratena tsy avelany ho entina eo anatrehany.
23你的官長存心悖逆,與盜賊同夥;人都貪愛賄賂,追索私酬;他們不替孤兒伸冤,寡婦的案件也呈不到他們面前。
24Ka dia hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Ilay Maherin'ny Isiraely: E! hiala fo amin'ny mandrafy Ahy Aho Ary hamaly ny fahavaloko.
24若悔改必得救贖因此,主萬軍之耶和華,以色列的大能者說:“哎!我要向我的對頭雪恨,向我的仇敵報復。
25Dia hamerina ny tanako ho aminao Aho, Ka hodioviko amin'ny lavenona ianao hahafahan'ny tain-drendrikao, ary hesoriko ny firaka rehetra aminao.[Heb. sirahazo]
25我必把手轉過來攻擊你;我要煉除你的渣滓,如同用鹼來煉一樣,我要除去你的一切雜質。
26Dia hampodiko ho toy ny teo aloha ny mpitsaranao, Ary ny mpanolo-tsainao ho toy ny tamin'ny voalohany; Ary rehefa afaka izany, ianao dia hantsoina hoe: Tanànan'ny fahamarinana, Tanàna mahatoky.
26我必恢復你的審判官,像起初一樣;也必恢復你的謀士,像起先一般;以後,你必稱為公義的城、忠貞的城。”
27Ziona havotana amin'ny fitsarana, ary izay efa mibebaka ao dia havotana amin'ny fahamarinana;[Heb. miverina]
27錫安必因公平蒙救贖,城中悔改的人也必因公義蒙救贖。
28Ary samy haringana avotoa ny mpiodina sy ny mpanota, Eny, ho lany ritra izay mahafoy an'i Jehovah.
28但悖逆的和犯罪的,必一同滅亡,離棄耶和華的,也必滅亡。
29Fa hahazo henatra ianareo noho ny amin'ny hazo terebinta izay nifalianareo, ary hangaihay ianareo noho ny amin'ny saha izay natokanareo.[Heb. izy]
29你們必因你們所喜愛的橡樹抱愧,必因你們所選擇的園子蒙羞。
30Fa ho tahaka ny hazo terebinta malazo ravina ianareo, Sy ho tahaka ny saha tsy misy rano.Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
30因為你們必像一棵葉子凋落的橡樹,又如一個缺水的園子。
31Ny mahery ho tahaka ny vohavoha, Ary ny asany ho tahaka ny kilalaon'afo, Dia hiaraka hodorana izy roa tonta, Ka tsy hisy hamono ny afo.
31有權勢的必如麻絮,他所作的好像火星;都要一同焚毀,沒有人能撲滅。