Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

2

1[Ny voninahitra marina voatendry ho an'ny Isiraely, sy ny hanafoanana ny voninahiny tsy izy] Ny teny izay hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny Joda sy Jerosalema.
1錫安末後必為萬國的中心(彌4:1~3)亞摩斯的兒子以賽亞得到默示,有關猶大和耶路撒冷:
2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
2在末後的日子,耶和華殿的山,必被堅立,超乎眾山,必被高舉,過於萬嶺;萬國都要流歸這山。
3Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah, Ho any an-tranon'Andriamanitr'i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin'ny lalany, Ka handehanantsika amin'ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan'ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin'i Jehovah.
3必有多國的人前來,說:“來吧!我們上耶和華的山,登雅各 神的殿;他必把他的道指教我們,我們也必遵行他的路。”因為訓誨必出於錫安,耶和華的話必來自耶路撒冷。
4Ary hitsara ny adin'ny jentilisa Izy Ka hampiaiky firenena maro; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely Na hianatra ady intsony
4他要在列國施行審判,為多國的人斷定是非。他們必把刀打成犁頭,把矛槍打成鐮刀。這國不舉刀攻擊那國,他們也不再學習戰爭。
5Ry taranak'i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Jehovah.
5雅各家啊,來吧!我們要在耶和華的光中行走!
6Fa efa nanary ny taranak'i Jakoba olonao Hianao, Satria feno ny fanao avy any atsinanana izy Ary efa mpanandro tahaka ny Filistina Sady efa be zana-bahiny.[Na sady efa nanao fanekena tamin'ny]
6一切偶像全被廢棄耶和華啊!你離棄了你的子民雅各家,是因為他們充滿了東方的迷信,和占卜的人,像非利士人一樣,並且與外族人擊掌交易。
7Ary ny taniny dia feno volafotsy sy volamena. Sady tsy hita lany ny hareny; Ary ny taniny dia feno soavaly, Sady tsy hita isa ny kalesiny;
7他們的地滿了金銀,他們的財寶沒有窮盡,他們的地滿了馬匹,他們的車輛也無數。
8Ny taniny dia feno andriamani-tsi-izy koa; Eo anatrehan'ny asan'ny tanany no iankohofany, Dia izay nataon'ny rantsan-tanany;
8他們的地滿了偶像;他們敬拜自己雙手所做的,就是他們的指頭所做的。
9Koa ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary aza mamela ny helony Hianao!
9卑賤人向偶像俯首,尊貴人也降卑,所以不可饒恕他們。
10Midira ao amin'ny vatolampy, Ary miere ao amin'ny vovoka Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany.
10要進入巖洞,藏在泥土中;躲避耶和華的驚嚇和他威嚴的榮光。
11Ny fiandranandran'ny mason'ny zanak'olombelona dia haetry, Ary ny fiavonavonan'ny olona hatao mitanondrika; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
11到那日,眼目高傲的人必降卑,性情驕傲的人也必俯首,唯獨耶和華被高舉。
12Fa misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hitsarana izay avo sy ambony toetra rehetra Ary izay misandratra rehetra, Ka dia haetry ireny,
12因為萬軍之耶和華必有一日,要攻擊一切驕傲的、狂妄的,和所有高抬自己的,他們都要降卑。
13Dia ny sedera rehetra any Libanona, izay avo sady andrandraina, Sy ny hazo ôka rehetra any Basana
13又要攻擊黎巴嫩所有高大的香柏樹,和巴珊所有的橡樹。
14Sy ny tendrombohitra avo rehetra Sy ny havoana andrandraina
14又攻擊所有的高山,和所有的峻嶺;
15Sy ny tilikambo miringiringy rehetra Sy ny manda mafy rehetra
15攻擊每一個高臺,和每一道堅固的城牆;
16Sy ny sambon'i Tarsisy rehetra Sy ny tao-zavatra tsara tarehy rehetra;
16攻擊所有他施的船隻,和所有美麗的船。
17Ary ny fireharehan'ny zanak'olombelona hatao mitanondrika, Ary ny fiavonavonan'ny olona haetry; Fa Jehovah ihany no hisandratra amin'izany andro izany.
17人的高傲必變為謙虛,人的狂妄都必降為卑微,在那日,唯獨耶和華被高舉。
18Ary ny andriamani-tsi-izy dia ho foana avokoa.
18偶像卻必全然消逝。
19Ary hiditra ao amin'ny zohy sy ny lava-bato ny olona Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
19耶和華起來,使大地震動的時候,人必進入石洞,進入土穴,躲避耶和華的驚嚇和他威嚴的榮光。
20Amin'izany andro izany dia harian'ny olona Ho an'ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
20到那日,人必把那些自己所做、供自己敬拜的金偶像和銀偶像,拋給田鼠和蝙蝠。
21Mba hidirany eo amin'ny fitriatry ny vatolampy sy eo an-tsefatsefaky ny harambato Noho ny tahotra avy amin'i Jehovah Sy ny voninahitry ny fahalehibiazany, Rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
21這樣,當耶和華起來,大地震動的時候,他們就能進入磐石縫中和巖石隙裡,躲避耶和華的驚嚇和他威嚴的榮光。
22Mitsahara, fa aza mitoky amin'ny olona; Fa fofonaina foana no eo am-bavorony, Ka hatao zinona izy?
22你們不要倚靠世人,他的鼻孔裡只有一口氣息,他實在算得甚麼呢?