Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

3

1Fa, indro, Jehovah, Tompon'ny maro, Manaisotra amin'i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan'aina,
1耶路撒冷的混亂狀態看哪!主萬軍之耶和華,快要從耶路撒冷和猶大,除掉人所倚靠的和所倚賴的,就是眾人所倚靠的糧,眾人所倚賴的水;
2Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona,
2除掉勇士和戰士、審判官和先知、占卜的和長老、
3Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody.
3五十夫長和尊貴的人、謀士和有技藝的工人,以及精通法術的。
4Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy.
4我必使孩童作他們的領袖,使嬰孩管轄他們。
5Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin'ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin'ny manan-daza.
5人民必互相壓迫,人欺壓人,也欺壓自己的鄰舍;年輕人要欺凌老年人,卑賤人必欺凌尊貴人。
6Raha misy olona angatahin'ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao,[Heb. hazon']
6人若在父家裡,拉住自己一個兄弟,說:“你有一件外衣,你就作我們的官長吧!這敗落的事就歸你的手處理。”
7Dia namaly izy amin'izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho.
7那時,那人必高聲說:“我不作醫治你們的人,因為我家裡沒有糧食,也沒有外衣,你們不要立我作人民的官長。”
8Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an'i Jehovah Mba hihaika ny mason'ny voninahiny.
8耶路撒冷敗落,猶大傾倒,是因為他們的舌頭和行為都敵對耶和華,惹怒了他那充滿榮光的眼目。
9Ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an'i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan'ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin'ny tenany izy.
9他們面上的表情指證他們的不對;他們像所多瑪一般宣揚自己的罪惡,並不隱瞞;他們有禍了,因為他們自招禍害。
10Lazaonareo ny amin'ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny.
10你們要告訴義人,他們必得福樂,因為他們必享自己行為所結的果子。
11Lozan'ny ratsy fanahy! hiharan'ny ratsy izy, Satria ny valin'ny nataon'ny tànany ihany no hanody azy.
11惡人卻有禍了,他們必遭災難,因為他們必按自己手所作的得報應。
12Ny amin'ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao.
12至於我的子民,孩童欺壓他們,婦女管轄他們;我的子民啊!那引導你們的,使你們走錯了路,並且混亂了你們所走的方向。
13Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena.
13耶和華的審判耶和華起來辯論,站著審判人民。
14Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben'ny olony amin'ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan'ny malahelo izay efa nalaina an-keriny.
14耶和華必審問他子民中的長老和領袖,說:“那吞盡葡萄園的,就是你們;從貧窮人那裡掠奪的,都在你們家中。”
15Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan'ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
15主萬軍之耶和華說:“你們為甚麼壓迫我的子民,搓磨貧窮人的臉呢?”
16Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin'i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony,
16錫安女子的命運耶和華又說:“因為錫安的女子高傲,走路挺直頸項,媚眼看人,俏步徐行,用腳發出叮噹聲。
17Noho izany dia hataon'ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan'ny zanakavavin'i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany.
17因此,主必使錫安的女子頭頂長出禿瘡;耶和華又使她們露出前額。”
18Amin'izany andro izany dia hesorin'i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, [Na: voavola]
18到那日,主必除掉她們華美的腳釧、髮網、月牙圈、
19Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara,[Na: haba]
19耳墜、手鐲、蒙臉的帕子、
20Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka,[Heb. diadema]
20頭飾、腳環、華帶、香盒、符囊、
21Na ny peratra, na ny kavin'orona,
21戒指、鼻環、
22Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra,
22美服、外衣、錢袋、
23Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana;[He. hamama]
23鏡子、細麻襯衣、頭巾、蒙身帕子。
24Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin'ny vy mahamay.[Heb. lamba malailay]
24必有腐臭代替馨香,繩子代替腰帶,光禿代替美髮,麻衣繫腰代替美服,烙痕代替美貌。
25Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an'ady;Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
25你的男丁要倒在刀下,你的勇士必死在戰場。
26Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky,
26錫安的城門必悲哀哭號,錫安被掠奪,成了一片荒涼後,必坐在地上。