1Fa Jehovah hamindra fo amin'i Jakoba, ary mbola hifidy ny Isiraely indray ka hamponina azy ao amin'ny taniny; ary ny vahiny hikambana aminy, ary ny taranak'i Jakoba ho namany
1以色列重歸故土耶和華憐憫雅各,再揀選以色列,使他們安居在自己的國土上的時候,外族人必與他們聯合,歸屬於雅各家。
2Dia haka azy ny firenena ka hanatitra azy hody; ary ny taranak'Isiraely hanana azy ho ankizilahiny sy ankizivaviny ao amin'ny tanin'i Jehovah; dia ho tonga mpamabo izay namabo azy izy; ary hampanompo izay nampahory azy.
2以色列人必把他們帶回自己的國土去,以色列家必在耶和華所賜的地上得著這些外族人作僕婢;也要擄掠那些擄掠過他們的,並且統治那些欺壓過他們的。
3[Hira fifaliana hataon'ny Isiraely noho ny nanetrena ny mpanjakan'i Babylona] Ary amin'ny andro hanomezan'i Jehovah fitsaharana anao ho afaka amin'ny fahorianao sy ny fitebitebin'ny fonao ary ny fanompoana mafy izay nampanompoana anao,
3譏諷巴比倫之歌耶和華使你脫離痛苦、愁煩、被迫作的苦工,得享安息的日子,
4dia hataonao izao oha-teny ny amin'ny mpanjakan'i Babylona izao: Hià! mitsahatra ilay mpampahory! Eny. tsy ao intsony ilay tanàna volamena! [Na: mampandoa hetra]
4你必唱出這首詩歌來諷刺巴比倫王,說:“欺壓人的,怎麼止息了呢!強暴怎麼止住了呢!
5Jehovah efa nanapatapaka ny tehin'ny ratsy fanahy. Dia ny tehina fanapahan'ny mpanapaka,
5耶和華折斷了惡人的杖和統治者的棒,
6Izay namely firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny famelezana tsy nanam-pitsaharana, sady nampanompo firenena tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fanenjehana tsy misy antra.
6就是那在忿怒中不住擊打眾民、在怒氣中管轄列國、毫無抑制地施行迫害的。
7Miadana ka mandry fahizay ny tany rehetra; Velominy ao ny hoby,
7現在全地都平靜安息,各人都發聲歡呼。
8Eny, ny hazo kypreso sy ny sedera any Libanona hifaly anao hoe: Hatrizay niambohoanao izay dia tsy nisy mpikapa niakatra tatỳ aminay.
8連松樹和黎巴嫩的香柏樹都因你歡樂,說:‘自從你躺下以後,再沒有砍伐的人上來砍伐我們了。’
9Taitra ny fiainan-tsi-hita any ambany noho ny aminao mba hitsena anao amin'ny fihavianao; Mamoha ny matoatoa hitsena anao izy, dia ireny bibilahy rehetra tambonin'ny tany; Aingainy hiala amin'ny seza fiandrianana ny mpanjakan'ny firenena rehetra.[Heb. Sheola][Heb. osilahy]
9地下的陰間因你震動,並迎接你的來臨;又因你而喚醒了所有曾在地上作過領袖的陰魂;又使所有曾在列國中作君王的,都離位站起來。
10Izy rehetra samy hiteny aminao hoe: Hay! ianao koa mba efa osa tahaka anay! Efa tonga tahaka anay ianao!
10他們都必答話,對你說:‘你也變為衰弱,像我們一樣嗎?你也與我們相似嗎?’
11Efa navarina ho etỳ amin'ny fiainan-tsi-hita ny tabihanao mbamin'ny feon'ny valihanao; Kankana no ilafihanao, ary olitra no mandrakotra anao.[Heb. Sheola]
11你的威勢和你的琴瑟音樂,都被帶下陰間了;你下面鋪的是蟲,上面蓋的是蛆。
12Endrey! latsaka avy tany an-danitra ianao, ry ilay fitarik'andro, zanaky ny maraina; Voakapa hianjera amin'ny tany ianao, ry ilay mpandripaka firenena.
12明亮之星、清晨之子啊!你怎麼從天上墜落?你這傾覆列國的,怎麼被砍倒在地上?
13Ary ianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin'ny kintan'Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; Dia hipetraka eo an-tendrombohitra; fivoriana any am-parany avaratra aho;
13你心裡曾說:‘我要升到天上,我要高舉我的寶座到 神的眾星之上,我要坐在聚會的山上,在北方的極處。
14Hiakatra ho any ambonin'ny havoan'ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra;
14我要升到雲的高處,我要使自己像那至高者一般。’
15Kanjo hampidinina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ho any ampara-vodilavaka ianao.[Heb. Sheola]
15然而,你卻被拋下陰間,落到坑中的極處。
16Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe: Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana
16那些看見你的,都必定睛看你,他們必注視著你,說:‘那使大地震動,使列國搖撼,
17Ary nanao izao tontolo izao ho efitra sy nandrava ny tanànany Ary tsy nandefa ny mpifatotra hody?
17使世界如同荒野,傾覆城鎮,又不釋放囚犯的,就是這人嗎?’
18Ny mpanjaka rehetra amin'ny firenena samy mandry amin'ny voninahitra avokoa, ary samy ao am-pasany avy;[Heb. tranony]
18列國的君王都在榮耀中安睡,各在自己的墳墓裡。
19Fa ianao kosa dia nariana niala lavitra ny fasanao, tahaka ny solofon-kazo ratsy izay ariana, sady voatsindrin'ny fatin'ny voavono ianao, dia ireo voatrabaky ny sabatra, ka midina ho ao amin'ny vato ao an-davaka, tahaka ny faty hitsakitsahin'ny tongotra.
19但你要從你的墳墓中被逐出,好像一根被厭棄的樹枝,你被那些遭刀劍所殺的人掩蓋,就是那些被拋到坑中石頭那裡的人。你就像一具遭人踐踏的屍體。
20Tsy halevina tahaka ireny ianao, satria efa nanimba ny taninao sady efa namono ny olonao; tsy hotononina mandrakizay ny taranaky ny mpanao ratsy!
20你必不得與別的君王同葬,因為你敗壞了你的國,殺戮了你的人民;願那些惡人的後裔永遠不被人提說。
21Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran'izao tontolo izao.
21因為他們的祖宗犯了罪孽,你們要為他的子孫預備屠殺之處;不要讓他們興起來,佔有地土,在世上布滿城鎮。”
22Fa hitsangana hamely azy aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary hofoanako ny anaran'i Babylona sy izay sisa ao mbamin'ny zanany sy ny taranany, hoy Jehovah.
22萬軍之耶和華說:“我必興起攻擊他們,把巴比倫的名號、所剩餘的人,以及後裔子孫,都一同剪除。”這是耶和華說的。
23Ary hataoko fonenan'ny sokina sy fihandronan'ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
23“我必使巴比倫被箭豬所佔,又使它變為泥沼之地;我必用毀滅的掃帚把它掃淨。”這是萬軍之耶和華說的。
24Jehovah, Tompon'ny maro, efa nianiana hoe: Araka izay noheveriko no hatao aminy ary araka izay nokasaiko no hotovina aminy,
24萬軍之耶和華起了誓,說:“我怎樣想,事就怎樣成就;我怎樣計劃,事就怎樣立定,
25Dia ny hanorotoro ny Asyriana ao amin'ny taniko, ary ny hanitsakitsaka azy eny an-tendrombohitro; ny zioga fitondrany dia hiala amin'ireo, ary ny entany ho afaka amin'ny sorony
25就是在我的地上粉碎亞述人,在我的山上踐踏他們;他們所加的軛必離開以色列人,他們所加的重擔必離開以色列人的肩頭。”
26Izany no fikasana ny amin'ny tany rehetra, ary izany no tanana ahinjitra amin'ny firenena rehetra.
26這就是對全地所定的旨意,就是向列國伸出的手。
27Fa Jehovah, Tompon'ny maro, no efa nikasa, ka iza indray no hahafoana izany? Ary ny tànany dia voahinjitra, ka iza no hampihemotra izany?
27因為萬軍之耶和華決定的事,誰能阻攔呢?他的手伸了出來,誰能使他收回呢?
28[Faminaniana ny loza hanjo an'i Filistia] Tamin'ny taona nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nisy izao faminaniana ny loza hanjo izao:
28亞哈斯王去世的那一年,有以下的默示:
29Aza mifaly, ry Filistia rehetra, saingy tapaka ny tsorakazo namely anao; fa avy ao an-kibon'ny bibilava no hihavian'ny menarana, ary ny aterany ho tonga menaran'afo manidina.[Heb. fakan'][Heb. sarafa]
29預言非利士地的災禍非利士全地啊!不要因為那擊打你們的杖折斷了就歡喜,因為從蛇的根必生出毒蛇來,牠所生的,是會飛的蛇。
30Ny faraidina indrindra hihinana, ary ny mahantra handry fahizay; Fa hataoko maty mosary kosa izay tsy ringana aminao, eny, izay sisa aminao ho matiny.[Heb. matoan'ny mahantra][Heb. ny fakanao]
30最貧寒的人必有食物吃,貧乏人必安然躺臥;我必用饑荒毀滅你的根,你餘剩的人,必被饑荒所殺。
31Midradradradrà, ry vavahady, ary mitaraina, ry tanàna; Aoka ho ketraka avokoa ianao, ry Filistia! Fa misy setroka mitranga avy any avaratra, ary tsy misy miala amin'ny laharany akory ny miaramilany.Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.
31城門啊,要哀號!城鎮啊,要呼叫!非利士全地啊,要戰慄發軟!因為有煙從北方來,在他的行伍中沒有離隊逃走的。
32Ary inona moa no valiny ho entin'ny iraky ny jentilisa? Izao: Jehovah efa nanorina an'i Ziona, ary ao no hialofan'izay olony ory.
32人要怎樣回答外族的使者呢?要說:“耶和華建立了錫安,他子民中的困苦人必在其中避難。”