1[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Moaba. Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin'ny indray alina no nandravana an'i Kira-moaba, ka fongotra izy;
1預言摩押必傾覆關於摩押的默示:一夜之間,摩押的亞珥受到蹂躪,就滅亡了!一夜之間,摩押的基珥受到蹂躪,也滅亡了!
2Miakatra ho ao amin'ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin'ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran'i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.[Na: ho ao Baita]
2他們進入房子,又往底本,上到高處去哭泣,摩押人為尼波和米底巴哀號;各人頭上都光禿,鬍鬚剃淨。
3Eny an-dalambe dia misikina lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
3他們在街上都腰束麻布;在房頂上,在廣場上,各人都哀號,流淚痛哭。
4Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan'i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.[Heb. voaomany]
4希實本和以利亞利都呼喊,他們的聲音達到雅雜,因此摩押配帶武器的人大聲呼叫,各人的心都戰兢。
5Ny foko mitaraina noho ny amin'i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin'ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin'ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima. [Na: ny hidiny (na: ny fiarovana azy) dia hatrany Zoara][Na: Dia ilay ombivavy kely telo taona]
5我的心為摩押哀號,它的逃民一直去到瑣珥,如同一頭三歲大的牝牛,要掙脫苦軛,他們登上魯希的山坡,隨走隨哭,他們在何羅念的路上,發出滅亡的哀號。
6Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
6因為寧林的眾水都已荒涼,青草枯乾,嫩草滅沒,完全沒有青綠之物。
7Ary amin'izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan'ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
7所以,他們把所得的和所積蓄的財富,都帶過了柳樹溪。
8Fa ny fitarainany manodidina ny sisin'i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny tany.
8哀號的聲音傳遍了摩押四境,哀聲直達以基蓮,又傳到比珥.以琳。
9Fa ny ranon'i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an'i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin'ny tany.
9底們的水充滿了血,我還要把更多的災禍加給底們,使獅子臨到摩押逃難的人和那地餘下的人中間。