Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

18

1[Ny haneken'ny Etiopiana an'i Jehovah noho ny handrenesany ny nandringanana ny Asyriana] Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,
1關於古實的預言古實河外,船隻彼此碰撞,響聲四起之地,有禍了!
2Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin'ny ony maro ny taniny.[Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indindra; na: mahery mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]
2這就是那經常差派使者,在水面上乘坐蒲草船渡海的地方。去吧!快行的使者,到那身軀高大、皮膚光滑的國去,到一個遠近都為人所懼怕的民族那裡去,這國是強盛和踐踏人的,他們的地有河流把地分開。
3Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
3世上所有的居民,住在全地上的人哪!山上豎起旗幟的時候,你們要注意;號角吹響的時候,你們要聆聽。
4Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin'ny hainandro fararano.[Na: Toy ny hainandro mipoaka tsara sy ny][Heb; rahon'ando]
4耶和華這樣對我說:“我要從我的居所安靜觀看,像日光中閃爍的熱氣,又像收割時的熱氣中有露水的雲彩。”
5Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
5因為在收割以前,花蕾開盡,花朵也成了將熟的葡萄之時,他就用鐮刀削去嫩枝,又砍掉蔓延的枝子。
6Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]
6它們都要撇下,給山間的鷙鳥,和地上的野獸;鷙鳥必吃它們來度過夏天,地上的百獸必吃它們來度過冬天。
7Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona. [Na: ela fiainana][Na: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny][Na: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy][Heb. manitsakitsaka]
7到那時,這個身軀高大、皮膚光滑的國,就是遠近都為人所懼怕的民族,強盛和踐踏人的國,他們的地有河流把地分開,他們必把禮物帶來給萬軍之耶和華,就是奉到錫安山,萬軍之耶和華立他名的地方。