1[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Egypta] Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, ary ny fon'i Egypta dia ketraka ao anatiny.[Na: mandositra azy]
1關於埃及的預言關於埃及的默示:看哪!耶和華駕著輕快的雲,來到埃及;埃及的偶像在他面前戰兢,埃及人的心都驚怕。
2Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana, ka samy hiady amin'ny rahalahiny avy sy amin'ny namany avy izy; Ny tanàna hiady amin'ny tanàna, ary ny fanjakana amin'ny fanjakana.
2我要激動埃及人去攻擊埃及人,他們就相爭起來,各人攻擊自己的兄弟,各人攻擊自己的鄰舍,城攻擊城;國攻擊國。
3Ary ho very hevitra ny Egyptiana; Eny, hofoanako ny saina ataony; Ary hila saina amin'ny andriamani-tsi-izy sy amin'ny mpibitsibitsika amin'ny odiny izy sy amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin'ny mpanao sikidy.
3埃及人的意志必消沉,我要破壞他們的計謀;他們必求問偶像、念咒的、交鬼的和行巫術的。
4Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin'izay fitondrana mafy, ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
4我必把埃及人交在殘暴的主人手中;兇猛的君王要管轄他們;這是主萬軍之耶和華說的。
5Ny rano amin'ny ranomasina ho tankina, ary ny ony ho ritra ka ho maina;
5海中的眾水必乾透,河床必枯竭乾涸。
6Ho maimbo ny sampantsampan'ny ony; Ary ny lahin-dranon'i Egypta hihena ka ho maina; Ny volotara sy ny zozoro halazo; [Heb. Mazora]
6河道必發臭,埃及眾河流的水必消退乾涸;葦子和蘆荻都必枯萎。
7Ny tany eny amoron'i Neily sy ny tanimbary rehetra eny amoron'i Neily samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.
7尼羅河旁、尼羅河口的草田,以及沿著尼羅河所種的田都必枯乾,被吹散,不再存在。
8Dia hitomany ny mpaka hazan-drano, ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily, Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin'ny rano.[Heb; mpamelatra]
8打魚的人必哀號;所有在尼羅河上垂釣的必悲傷;那些在水面上撒網的,必灰心難過。
9Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin'ny fihogo sy izay manenona hariry.
9那些用梳好的麻來紡紗的,和那些織白布的,都必羞愧。
10Ny andrin'ny tany ho torotoro, ary ny mpikarama rehetra halahelo.[Na: fanorenan']
10埃及的柱石必被打碎,所有受雇的工人也必心裡憂愁。
11Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana; Hevi-poana no avoak'izay hendry indrindra amin'ny mpanolotsain'i Farao; Ahoana no ilazanareo amin'i Farao hoe: Zanak'olon-kendry aho sady taranak'ireo mpanjaka fahagola?
11瑣安的領袖非常愚昧,法老那些最有智慧的謀士所籌算的,都成為愚昧。你們怎能對法老說:“我是智慧人的兒子,是古代君王的後裔”呢?
12Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo? Aoka hanambara aminao izy, ary aoka ho fantany izay nokasain'i Jehovah, Tompon'ny maro, hatao amin'i Egypta.
12你的智慧人在哪裡呢?萬軍之耶和華向埃及所定的旨意是怎樣的?就讓他們告訴你,使你知道吧!
13Efa adala ny mpanapaka any Zoana, efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa; Ary efa nampivembena an'i Egypta ireo fehizoron'ny fireneny. [Heb. Nofa]
13瑣安的領袖都變為愚昧,挪弗的領袖都受了欺騙;那些在埃及支派中作房角石的,使埃及人走錯了路。
14Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta; ka efa nampivembena azy tamin'ny asany rehetra ireo, dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa. [Heb. nangaroharo]
14耶和華讓歪曲的靈攙入埃及當中,以致他們使埃及一切所作的都有謬誤,好像醉酒的人嘔吐的時候,東倒西歪一樣。
15Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana, na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro. [palma]
15無論是頭或尾、棕枝或蘆葦所作的,都不能為埃及成就甚麼事。
16Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra noho ny faninjitr'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny tànany, izay ahinjiny hamelezany azy.
16到那日,埃及人必像婦人一樣。他們必因萬軍之耶和華在埃及之上揮手而戰兢恐懼。
17Ary ny tanin'ny Joda dia ho fahatahoran'i Egypta, ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy noho ny fikasan'i Jehovah, Tompon'ny maro, izay kasainy ny amin'ny hamelezana azy.
17猶大地必使埃及驚恐;無論誰向埃及人提起猶大地,他們都懼怕,因為這是萬軍之耶和華向埃及所定的旨意。
18Amin'izany andro izany dia hisy tanana dimy amin'ny tany Egypta samy hiteny ny fitenin'i Kanana sy hianiana ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro; Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa. [Ira-haresa = Tanàna haringana, na Tanànan'ny masoandro]
18到那日,埃及地必有五座城的人說迦南的方言,又指著萬軍之耶和華起誓,必有一座城稱為“毀滅城”(“毀滅城”或譯:“太陽城”)。
19Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Jehovah eo amin'ny tany Egypta sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an'i Jehovah.
19到那日,在埃及地必有一座獻給耶和華的祭壇;在埃及的邊界上必有一根獻給耶和華的柱子。
20Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, ao amin'ny tany Egypta izany; Fa hitaraina amin'i Jehovah noho ny mpampahory izy, ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy. [Na: ary izao no ho famantarana sy vavolombelona, etc.: Raha mitaraina]
20這都要在埃及地作萬軍之耶和華的記號和證據。埃及人因受人欺壓向耶和華哀求的時候,他就差派一位拯救者和維護者到他們那裡,他必拯救他們。
21Ary Jehovah hanao izay hahafantaran'ny Egyptiana Azy, ary ny Egyptiana kosa hahalala an'i Jehovah amin'izany andro izany; Dia hanompo Azy amin'ny fanatitra alatsa-drà sy amin'ny fanatitra hohanina izy ka hivoady amin'i Jehovah sady hanefa ny voadiny.
21耶和華必被埃及人認識。到那日,埃及人必認識耶和華;他們也要用祭物和供物來敬拜他,並且向耶和華許願、還願。
22Ary Jehovah hamely ny Egyptiana, eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana; Dia hiverina ho any amin'i Jehovah ireo, ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.
22耶和華必擊打埃及,既擊打、又醫治,他們就回轉歸向耶和華,他必應允他們的禱告,醫治他們。
23Amin'izany andro izany dia hisy lalambe avy any Egypta mankany Asyria, koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria, ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka. [Heb. hiara-manompo]
23到那日,必有一條從埃及通到亞述的大道;亞述人要進到埃及,埃及人也要進入亞述;埃及人要與亞述人一同敬拜耶和華。
24Amin'izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin'i Egypta sy Asyria ho fitahiana eo amin'ny tany;Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.
24到那日,以色列必與埃及和亞述一起成為地上列國的祝福。
25Fa hotahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, ireo ka hataony hoe: Hotahina anie Egypta oloko, sy Asyria, asan'ny tanako, ary Isiraely lovako.
25萬軍之耶和華賜福給他們,說:“我的子民埃及,我手的工程亞述,我的產業以色列,都是有福的!”