Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

21

1[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra Ranobe. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.[Heb. Ranomasina]
1關於巴比倫的預言關於海旁曠野的默示:有敵人從曠野,從可怕之地而來,好像南地的暴風猛烈掃過一般。
2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.
2我被指示去看一個慘酷的異象:那行詭詐的仍然行詭詐,那行破壞的仍然行破壞。以攔哪,上去吧!瑪代啊,圍攻吧!我要使一切歎息止住。
3Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
3因此,我滿腰疼痛,痛苦抓住我,好像產婦的痛苦一樣;我絞痛彎腰至聽不見,我驚惶至看不到。
4Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.
4我的心迷糊,驚恐威嚇著我;我所愛慕的黃昏,竟使我戰兢。
5Velarina ny latabatra, miambina ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga![Na: velarina ny tsihy]
5他們擺設筵席,鋪張地氈,又吃又喝。領袖們,起來吧!用油抹淨盾牌。
6Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.
6因為主這樣對我說:“你去設立守望的,叫他把所看見的報告出來。
7Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;
7他一看見騎兵一對一對而來,又有驢隊和駱駝隊,他就要留意,非常留意。”
8Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina;
8後來,守望者像獅子般吼叫著說:“主啊!我每日不斷站在守望樓上,每夜立在我守望的崗位中。
9Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin'ny tany.[Heb. sarin-javatra voasokitra]
9看哪!有一隊騎兵來了,馬兵一對一對而來。”又有人答話說:“傾倒了,巴比倫傾倒了!它所有雕刻的神像都被打碎在地上了。”
10Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ô! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.[Heb. zanaky ny famoloako]
10我那被打的禾稼啊!我禾場上的穀啊!我從萬軍之耶和華,以色列的 神那裡聽見的,都告訴你們了。
11[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Edoma. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? [Heb. Doma]
11關於以東的預言關於以東(“以東”原文作“度瑪”,意即寂靜,在這裡暗示以東的困境)的默示:有人從西珥呼叫我說:“守望的啊!黑夜還有多長?守望的啊!黑夜還有多長?”
12Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverena. [Na: avia indray]
12守望的說:“早晨到了,黑夜也會再來;你們若要問,就儘管問;也可以回頭再來問。”
13[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.
13關於阿拉伯的預言關於阿拉伯的默示:底但的商隊啊!你們必在阿拉伯的森林中住宿。
14Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;
14提瑪地的居民哪!要拿水來給那些口渴的,拿餅來接待那些逃難的。
15Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.
15因為他們逃避了刀劍、已出鞘的刀劍和上了弦的弓,以及嚴重的戰禍。
16Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
16主對我這樣說:“按照雇工的年數,一年之內,基達的一切光榮都必化為烏有。
17Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.
17弓箭手剩餘的人數,就是基達人的勇士,必定很少;這是耶和華以色列的 神說的。”