1[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Jerosalema] Faminaniana ny amin'ny lohasahan'ny Fahitana. Inona re izato manjo anareo, no dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa ianareo, [Heb. anao][Heb. ianao]
1關於耶路撒冷的預言關於“異象谷”的默示:你們發生了甚麼事,以致你們都上了房頂呢?
2Ry ilay be horakoraka, tanàna be tabataba, vohitra miravoravo? Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an'ady.
2你這充滿喧嘩,繁囂、歡樂的城市啊!你們中間被殺的,並不是被刀劍所殺,也不是在戰場上陣亡。
3Niara-nandositra ny lehibenao, nafatotra tsy amin-tsipìka izy; Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra, na dia nitady handositra lavitra aza. [Na: Nafatotry ny mpandefa zana-tsipìka]
3你們所有的官長都一起逃跑;他們因沒有弓箭而被俘擄,你們中間所有被找到的都一起被俘擄,雖然他們已逃到遠方去。
4Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
4因此我說:“要轉開你們的眼,不要望著我,讓我痛哭吧!不要因我人民的毀滅,而急急安慰我。”
5Fa ao amin'ny lohasahan'ny fahitana dia misy andron'i Jehovah, Tompon'ny maro, andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra, ary fandravana ny manda sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra
5因為主萬軍之耶和華使“異象谷”有驚恐、踐踏、混亂的日子:城牆被拆毀,哀聲傳到山上。
6Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon'ampinga
6以攔拿著箭袋,並有戰車、步兵和騎兵;吉珥亮出盾牌。
7Izay tsara indrindra amin'ny lohasahanao dia feno kalesy, ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady
7你佳美的山谷都布滿戰車,又有騎兵在城門前列陣。
8Dia alana ny fisalobonan'i Joda, ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala ianao amin'izany andro izany.
8他挪去猶大的屏障了。到那日,你就仰望“森林倉庫”裡的武器;
9Ary hilanareo fa banga be ihany ny tanànan'i Davida; Ary mamory ny rano avy amin'ny kamory ambany ianareo.
9你們看見大衛的缺口很多,就儲存下池的水。
10Isainareo ny trano any Jerosalema, ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny manda.
10你們又數點耶路撒冷的房屋,把房屋拆掉,用來堅固城牆。
11Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan'ny manda roa ianareo halenan ny rano avy amin'ny kamory ela; Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao ianareo, na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.
11你們又在兩道城牆之間造一個水池,用來盛載舊池的水,你們卻不仰望作這事的主,也不顧念遠古以來計劃這事的 神。
12Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.
12到那日,主萬軍之耶和華叫人哭泣哀號,剃光頭髮,穿上麻布。
13Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.
13看哪!人還是歡喜快樂,宰牛殺羊,吃肉喝酒,說:“我們吃喝吧!因為明天我們就要死了。”
14Dia nambaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
14萬軍之耶和華親自啟示我說:“直到你們死的時候,這罪孽也不得赦免。”這是主萬軍之耶和華說的。
15[Ny amin'ny nanonganana an'i Sebna sy ny nanendrena an'i Eliakima ho solony] Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Andeha mankao amin'ilay mpanolo-tsaina io, dia ao amin'i Sebna, lehiben'ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:
15關於舍伯那的預言主萬軍之耶和華這樣說:“你去見這掌管庫房的,就是總管舍伯那,對他說:
16Manao inona etỳ ianao, ary inonao moa no etỳ, No manao fasana etỳ ianao, dia manao fasana ho anao etỳ amin'ny hantsana sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin'ny harambato? [Heb. ho azy]
16你在這裡有甚麼權利呢?你在這裡有甚麼人,竟在這裡為你自己鑿墳墓,就是在高處為自己鑿墳墓,在磐石中為自己鑿出安身之所呢?
17Indro, Jehovah hanipy mafy anao, eny, hofiazany mafy ianao,[Na: hosaronany]
17看哪,勇士啊!耶和華將要猛烈地拋擲你;他必把你緊緊抓住,
18Dia hovolavolainy toy ny kodiarana ka hahodiadiany ho any amin'ny tany malalaka; Dia any no hahafaty anao, ary ho any koa ny kalesin'ny voninahitrao ry ilay henatry ny mpianakavin'ny tomponao.
18把你捲了又捲,捲成球狀,然後擲到寬闊之地;你必死在那裡,你那華美的戰車也在那裡;你成了你主人之家的恥辱。
19Ary horoahiko hiala amin'ny fitoeranao ianao sy haongako hiala amin'ny raharahanao [Heb. haongany]
19我必革除你的官職,從你的原位上把你拉下來。
20Ary amin'izany andro izany dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak'i Hilkia;
20到那日,我必召希勒家的兒子,就是我的僕人以利亞敬來,
21Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao, sady hosikinako amin'ny fehin-kibonao izy; Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao, ary dia ho tonga rain'ny mponina eto Jerosalema sy ny taranak'i Joda izy.
21我會把你的外袍給他穿,把你的腰帶給他繫緊,把你的權柄交在他的手中;他要作耶路撒冷的居民和猶大家的父。
22Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanala hidin'ny tranon'i Davida; Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina; Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.
22我必把大衛家的鑰匙放在他肩頭上;他開了,就沒有人能關;他關了,就沒有人能開。
23Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin'ny fitoerana mafy izy ka ho sezam-boninahitra ho an'ny mpianakavin-drainy.
23我必堅立他,像釘子釘在穩固的地方;他必作父家榮耀的寶座。
24Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra, izay zanaka sy tera-drainy rehetra, dia ny fanaka madinita rehetra hatramin'ny lovia ka hatramin'ny siny samy hafa rehetra.Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
24他父家所有的榮耀,他的兒女和子孫以及各樣小器皿,從碗子到瓶子,都掛在他身上。
25Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin'ny fitoerana mafy; Eny, hokapaina izy ka hianjera, dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy; Fa Jehovah no efa niteny.
25萬軍之耶和華說:‘到那日,那釘在穩固地方的釘子必垂下來,被砍斷墜落;那掛在上面的擔子必被砍掉,因為這是耶和華說的。’”