1[Faminaniana ny amin'loza hanjo an'i Tyro] Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Tyro. Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava Tyro, ka tsy misy trano sady tsy azo idirana intsony ao; Avy tany amin'ny tany Kitima no nanambarana izany taminy.
1關於推羅的預言關於推羅的默示:他施的船隻啊,要哀號!因為推羅被毀滅了,再沒有房屋,也不能再作港口,這消息是他們從塞浦路斯地得來的。
2Mangina, ianareo mponina amoron-tsiraka! Ny mpandranto avy any Sidona, Izay mandeha eny ambonin'ny ranomasina, no efa nampanan-karena anao.[Heb. nameno]
2沿海的居民,就是靠航海致富的西頓商人哪!要靜默無言。
3Teny amin'ny rano be ny varin'i Sihora, dia ny vokatr'i Neily, ka nampiditra harena ho azy; Ary tonga tsenan'ny firenena izy.
3在大水之上,西曷的穀物、尼羅河的莊稼,都是推羅的收益,推羅成了列國的市場。
4Aoka ho menatra ianao, ry Sidona; Fa ny ranomasina, dia ny fiarovana mafy ao an-dranomasina, efa niteny hoe: Tsy mbola nihetsi-jaza aho, na niteraka, tsy mbola nitaiza zatovo aho, na namelona virijina.
4西頓啊,要慚愧!因為大海說過,就是海上的保障說過:“我沒有受過產痛,也沒有生產;我沒有養大過男孩,也沒有撫養過童女。”
5Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an'i Tyro.
5這消息傳到埃及時,埃及人就為推羅這消息非常傷痛。
6Mità ho any Tarsisy ianareo; Midradradradrà, ry mponina amoron-tsiraka.
6你們要過到他施去;沿海的居民哪,要哀號!
7Izao va no manjo anao, ry ilay niravoravo, izay efa naorina hatry ny fony fahagola sady nentin'ny tongony hivahiny any lavitra any? [Izao va no tanànanao miravoravo?]
7這就是你們歡樂的城嗎?它的起源溯自上古,它的腳把其中的居民帶到遠方去寄居。
8Iza no nikasa izany hamelezana an'i Tyro, mpanome satro-boninahitra, izany? Mpanapaka ny mpandrantony, Olo-malaza amin'ny tany ny mpivarony.
8誰策劃這事來攻擊推羅呢?它本是賜人冠冕的城,它的商人是王子,它的商賈是世上的尊貴人。
9Jehovah, Tompon'ny maro, no nikasa izany, mba hampietreny ny fiavonavonan'ny voninahitra rehetra, sy hanalany ny voninahitry ny olo-malaza rehetra amin'ny tany.
9這是萬軍之耶和華所定的旨意,要凌辱那些因榮美而有狂傲,使地上所有的尊貴人被藐視。
10Ry Tarsisy zanakavavy, aoka ianao hanafotra ny taninao tahaka an'i Neily; Fa tsy misy fifehezana intsony.[Heb. fehin-kibo]
10他施的居民哪!要像尼羅河一般流遍你的地,再沒有限制了。
11Ny tànan'i Jehovah nahifiny tambonin'ny ranomasina; Nampihorohoroiny ny fanjakana; Jehovah efa nandidy ny amin'i Kanana, mba horavana ny fiarovany mafy.
11耶和華已經向海伸手,使列國震動;耶和華又發出一個關於迦南的吩咐,就是要毀壞其中的保障。
12Ary hoy Izy: Tsy hiravoravo intsony ianao, ry virijina afa-baraka, Sidona zanakavavy; Miaingà, mità ho any Kitima; Kanefa na dia any aza tsy hahita fitsaharana tsy akory ianao.
12他又說:“受壓制的西頓居民哪,你們不再有歡樂了!起來,過到塞浦路斯去!就是在那裡,你們也得不到安息。”
13Indro ny tanin'ny Kaldeana! Tsy firenena intsony izy, fa nataon'ny Asyriana fonenan'ny bibi-dia any an-efitra; Manao tilikambo fitiliana izy ka mandrava ny lapan'ny mpanjaka ao ary mampody azy ho korontam-bato.[Na: Indro ny tanin'ny Kaldeana, Izay tsy mbola firenena fahiny, Fa ny Asyriana no nanorina azy ho an'ny mponina any an-efitra]
13看哪!使推羅成為曠野,走獸居住之處的,是來自迦勒底地的人,而不是亞述人;他們要築起攻城的高塔,拆毀推羅的城堡,使它成為廢墟。
14Midradradradrà ianareo, ry sambon'i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
14他施的船隻啊,要哀號!因為你們的保障已被毀滅了。
15Ary amin'izany andro izany dia hohadinoina fito-polo taona Tyro, toy ny andron'ny mpanjaka iray; Ary rehefa afaka fito-polo taona, Tyro dia hiharan'ilay tonon-kalon'ny janga manao hoe:
15七十年後推羅再蒙眷顧到那日,推羅必被忘記七十年,正如一個王朝的年日;七十年後,推羅必像妓女所唱之歌:
16"Makà lokanga, ka miveziveze eran'ny tanàna ianao, ry kala janga hadino; Mitendre tsara, ka mahereza mivazovazo, mba hahatsiarovana anao."
16“你被遺忘的妓女啊!拿起琴來,走遍全城吧。你要巧彈多唱,使人再想起你!”
17Ary rehefa afaka fito-polo taona, Jehovah hamangy an'i Tyro, ka dia hiverina amin'ny filan-tangy izy sy hijangajanga amin'ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao.Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika. [Na: mateza]
17七十年後,耶和華必眷顧推羅,推羅就恢復繁榮,可以與地上的萬國交易。
18Ary ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany; Fa ny varony dia ho an'izay mitoetra eo anatrehan'i Jehovah, ho hanina mahavoky sy ho fitafiana mendrika. [Na: mateza]
18它的貨財和所得的利益要分別為聖歸給耶和華,必不會積聚或儲藏起來;因為它的貨財必歸給那些住在耶和華面前的人,使他們吃得飽足,穿得漂亮。