1[Ny hitsarana an'i Samaria sy Jerosalema, sy fanoharana mahamarina ny fitondran'Andriamanitra] Lozan'ny satro-boninahitra, izay reharehan'ny mpimamo any Efraima, sy ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaky ny fileon-divay.[Heb. matavy]
1警告以法蓮以法蓮那些醉漢所戴的高傲冠冕,有禍了!它在肥美谷山頂上的榮美,有禍了!它必如將殘的花朵,滿了喝醉酒的人。
2Indro, ny Tompo manana izay mahery sady matanjaka, tahaka ny rivo-kavandra sy ny tafio-drivotra mandoza; Koa tahaka ny fandriaky ny rano be manafotra no hanjerany azy mafy ho amin'ny tany.
2看哪!主有一個大能大力的人,像一陣冰雹、一陣毀滅的暴風,像漲溢猛流的大水,他必用手把它摔落地上。
3Dia hohitsahin'ny tongotra ny satro-boninahitra, Izay reharehan'ny mpimamo any Efraima.
3以法蓮的醉漢所戴的高傲冠冕,必被踐踏在腳下。
4Ary ny voninkazo mihamalazo amin'ny firàvany tsara tarehy, izay eo an-dohan'ny lohasaha lonaka, dia ho tahaka ny voan'aviavy mialin-taona, raha tsy mbola tonga ny fahavaratra, koa izay mahita azy dia mijery, ary raha vao raisiny, dia arapany. [Heb. matavy]
4它在肥美谷山頂上如將殘的花朵一般的榮美,必像夏天以前初熟的無花果。那些看見它的人,都必注意;一到手裡,就把它吞吃了。
5Ary amin'izany andro izany Jehovah, Tompon'ny maro, dia ho satro-boninahitra tsara tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an'ny olony sisa,
5警告耶路撒冷的領袖到那日,萬軍之耶和華必作他余民的榮耀冠冕,
6Ary ho fanahy fitsarana ho an'izay mipetraka eo amin'ny fitsarana, sy ho hery ho an'izay mampiverina ny ady hatreo am-bavahady.
6也必作在位上施行審判者公平的心靈,並作在城門口擊退敵人者的力量。
7Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon'ny divay ary mivembena azon'ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon'ny toaka; Resin'ny divay ireo; Mivembena azon'ny toaka izy; Miraingiraingy amin'ny fahitana izy ary midoladola eo amin'ny fitsarana.
7就是這地的人,也因酒搖晃不定,因濃酒東倒西歪;祭司和先知都因濃酒搖晃不定,被酒弄至昏亂,因濃酒東倒西歪。他們見異象的時候,搖晃不定,他們判斷的時候,也顛顛倒倒。
8Fa feno loa sy loto ny latabatra rehetra, ka efa tsy misy madio hitoerana.
8因為各席上都滿了污穢的嘔吐,沒有一處是乾淨的。
9Iza no hampianariny fahalalana? Ary iza no hampahafantariny fianarana? Zaza vao notazana va? Ny vao nitsaha-nono va?
9他們說:“他要把知識教導誰呢?要使誰明白他所傳的信息呢?是那些剛斷奶,剛離開母懷的嗎?
10Fa didy anampy didy, didy anampy didy; Fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ;
10因為他所說的,只是些重複又重複的話,和毫無意義的字母,這裡一點,那裡一點罷了。”
11Eny, amin'ny molotra miambakambaka sy amin'ny fiteny baiko no hitenenany amin'ity firenena ity,
11耶和華要藉著外族人的嘴唇和外族人的舌頭,對這人民說話。
12Izay nilazany hoe: Ity no fitsaharana, ampitsaharo ny reraka, ary ity no famelombelomana; Nefa tsy nety nihaino ireo. [Na: Dia Izy Izay nilaza taminy]
12他曾對他們說:“這就是安息之處,你們若使疲乏的人得安息,就必得著這安歇的地方。”但他們不肯聽從。
13Ary ny tenin'i Jehovah dia ho tonga didy anampy didy aminy tokoa, eny, didy anampy didy, fitsipika anampy fitsipika, fitsipika anampy fitsipika; Kely etỳ, ary kely erỳ, mba hanaovany dia mianotra, ka ho torotoro izy sy hofandrihana ary hosamborina.
13所以耶和華對他們所說的話,就成了重複又重複的話,和毫無意義的字母,這裡一點,那裡一點,以致他們雖然往前走,卻必仰面跌倒,並且跌傷,陷入網羅被纏住。
14Koa mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry mpaniratsira, izay manapaka ity firenena eto Jerosalema ity.
14錫安的基石因此好譏笑人的人哪!就是管轄這些在耶路撒冷的人民的,你們要聽耶和華的話。
15Satria ianareo manao hoe: Efa nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay ary efa nanao fifanarahana tamin'ny fiainan-tsi-hita ka na dia ho avy aza ny loza manafotra, dia tsy hihatra aminy izany, fa ny lainga no nataonay ho fiarovana, ary ny fitaka ho fierena, [Heb. Sheola][Heb. kotopia]
15因為你們曾說:“我們與死亡立了約,與陰間結了盟;刑罰的鞭子掃過的時候,必不會碰到我們,因為我們以謊言作遮蔽,以虛假作庇護。”
16Dia izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, ka tsy mba ho taitra izay mino.
16所以主耶和華這樣說:“看哪!我在錫安放置一塊石頭,是試驗過的石頭,是穩固的基石,寶貴的房角石;信靠的人,必不著急。
17Ny fitsarana no hataoko ho fitsipika, ary ny fahamarinana ho pilao; Hopaohin'ny havandra ny lainga fiarovana, ary hindaosin'ny rano ny fierena.
17我要以公平為準繩,以公義為線鉈;冰雹必把謊言的遮蔽沖去,大水必漫過庇護所。”
18Hofoanana ny fanekenareo amin'ny fahafatesana, ary tsy haharitra ny fifanarahanareo amin'ny fiainan-tsi-hita raha ho avy ny loza manafotra, dia ho tonga fanitsakitsany ianareo.[Heb. Sheola][Heb. kotopia]
18你們與死亡所立的約要廢除,你們與陰間所結的盟必立不住;刑罰的鞭子掃過的時候,你們就必被踐踏。
19Ary na oviana na oviana no ihaviany, dia hahatratra anareo izany; Fa isa-maraina isa-maraina no hihaviany, na andro na alina; Ary ny vokatry ny fahafantarana izany fianarana izany dia fangovitana ihany.
19每次掃過的時候,都把你們抓去;因為每早晨它必漫過,白天與黑夜也是這樣;人若明白所傳的,必受驚恐。
20Fa fohy loatra ny farafara ka tsy azon'ny olona ilamparana; Ary kely ny firakotra ka tsy maharakotra, raha misy te-hirakotra azy.
20床鋪太短,人就不能伸直,被窩太窄,就蓋不住全身。
21Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin'ny tendrombohitra Perazima, ho tezitra tahaka ny teo amin'ny lohasahan'i Gibeona Izy, mba hanaovany ny asany tsy ilay fanaony mandrakariva anefa, ary hahavitany ny ataony tsy ilay vitainy mandrakariva anefa.
21耶和華必像在毗拉心山一樣興起,又像在基遍谷一樣發怒,為要作成他的工,他那奇妙的工,好成就他的事,就是奇異的事。
22Koa dia aza maniratsira intsony ianareo, fandrao atao mafy ny famatorana anareo; Fa fahafonganana voatendry no efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Hamelezana ny tany rehetra.
22現在,你們不可再譏笑了,免得捆綁你們的繩索綁得更緊,因為我從主萬軍之耶和華那裡聽到,決定要在全地上施行毀滅的事。
23Mihainoa ianareo, ka mandrenesa ny feoko; Mitandrema, ka mandrenesa ny teniko.
23農務的比喻你們要側耳聽我的聲音,留心聽我的話。
24Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
24農夫怎會不斷耕犁來撒種呢?他怎會常常開墾耕地呢?
25Rehefa voaravony tsara ny tany, moa tsy afafiny amin'izay va ny voan'ny nigela, ary tsy apariakany va ny komina, ary tsy alahany mitandahatra tsara va ny vary tritika sy ny vary hordea amin'ny tany voafaritra ho azy Ary ny ampemby kosa eny an-tsisiny? [Na: spelta]
25他犁平了地面,不就撒種小茴香,播種大茴香,按行列種小麥,在指定的地方種大麥,在田邊種粗麥嗎?
26Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy. [Na: Samy ataony araka izay tandrifiny ho azy avy; Fa Andriamaniny no mampianatra azy]
26因為他的 神教導他,指教他正確的方法。
27Fa tsy ny kodia vy no ivelezana ny nigela, ary tsy ny kodian'ny sariety no akodiadia amin'ny komina; Fa ny nigela dia velezina amin'ny fantàka, ary ny komina amin'ny tehina.
27打小茴香是不用尖耙的,軋大茴香也不用碾輪;而是用杖打小茴香,用棍打大茴香。
28Moa mongomongoiny va ny vary hatao mofo? Tsia, fa tsy veleziny na hampandehanany ny kodian'ny sarietiny sy ny soavaliny lalandava izy; Tsy mongomongoiny tsy akory izy.Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.
28做餅的穀粒怎麼要碾碎的呢?從來沒有人碾碎它們,雖然他讓車輪和馬匹輥過穀粒,卻不會把他們碾碎。
29Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro; Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena.
29這也是出於萬軍之耶和華,他的謀略奇妙,他的智慧廣大。