Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

29

1[Ny loza hanjo an'i Jerosalema, sy ny mbola hamonjena azy] Lozan'i Ariela, lozan'i Ariela, Tanàna nitoeran'i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; [Ariela = Fatan'Andriamanitra, na: Lionan'Andriamanitra][Heb. nitobian']
1耶路撒冷的遭遇亞利伊勒、亞利伊勒(“亞利伊勒”意即“祭壇的爐”,代表耶路撒冷),大衛曾在此安營的城啊,有禍了!雖然你一年又一年按時舉行節期,
2Dia hampahory an'i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy.
2我卻要使亞利伊勒受困苦,成了一座充滿悲傷哀號的城,我要以它為亞利伊勒。
3Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao.
3我必四面安營攻擊你,築起攻城的臺來圍困你,堆起高壘攻擊你。
4Dia haetry ianao ka hiteny ao amin'ny tany, ary ao amin'ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin'ny tany tahaka ny an'ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin'ny vovoka no ikiakiahan'ny teninao.
4你必降低,從地中說話;你說的話必細微,如同出於塵土;你的聲音必像交鬼者的聲音,從地裡出來;你的言語必像耳語般低微,如同出於塵土。
5Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany.
5但你敵人的數量必多如灰塵,那些強暴者的數量也多如被吹散的糠秕,這必在頃刻之間,突然發生。
6Avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hihavian'ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona.
6萬軍之耶和華必用雷轟、地震、大聲、旋風、暴風和吞滅人的火燄來懲罰他們。
7Ary ho tahaka ny fahitana eo amin'ny nofy amin'ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an'i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy.
7那時,所有攻擊亞利伊勒的列國眾軍,就是所有攻擊亞利伊勒和它的堡壘,以及迫害它的,必如夢景,如夜間的異象。
8Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona.
8又像飢餓的人在夢中吃飯,醒了以後,仍然覺得飢餓;又像口渴的人在夢中喝水,醒了以後,仍然覺得口渴,心裡還是想喝。那攻打錫安山的列國眾軍,也必這樣。
9Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin'ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin'ny toaka.
9責人民無知與偽善你們留連吧,自我蒙蔽,繼續盲目吧!你們醉了,卻與酒無關,你們東倒西歪,也不是因為濃酒的緣故。
10Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany).
10因為耶和華把沉睡的靈,傾倒在你們身上;他緊閉你們的眼,就是先知;蒙蓋你們的頭,就是先見。
11Ary ny fahitana ny amin'izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin'ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy;
11對你們來說,整個異象就像密封的書卷的話,人把這書卷交給識字的,說:“請念吧!”他必回答:“我不能念,因為它是密封的。”
12Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho.
12人又把這書卷交給不識字的人,說:“請念吧!”他必回答:“我不識字。”
13Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany,
13主說:“因為這子民只用言語來親近我,用嘴唇尊崇我,他們的心卻遠離我。他們對我的敬畏,只是遵從傳統的吩咐。
14Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin'ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan'ny mazava sainany.
14因此,看哪!我要再向這子民施行奇事,就是奇妙又奇妙的事;他們智慧人的智慧必要消沒,他們聰明人的聰明必被隱藏。”
15Lozan'izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan'i Jehovah, sady ao amin'ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika?
15那些向耶和華深藏謀略的人,有禍了!他們在暗中行事,說:“誰看見我們?誰知道我們?”
16Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy?
16你們顛倒事理了!窯匠怎能被看作泥土呢?被造的怎能對造它的說:“他沒有造我”?製成品怎可對製成它的說:“他不聰明”?
17Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala?
17謙卑者將來的快樂不是還有一點點的時候,黎巴嫩就要變為肥田,肥田就要被看為樹林嗎?
18Amin'izany andro izany dia ho ren'ny marenina ny tenin'ny taratasy, ary na dia ao amin'ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason'ny jamba.
18到那日,聾子必聽見這書卷上的話;瞎子的眼,必在迷蒙黑暗中也能看見。
19Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin'i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin'ny olona hifaly amin'ny Iray Masin'ny Isiraely,
19困苦的必因耶和華增添喜樂;貧窮的人必因以色列的聖者而快樂。
20Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin'ny ratsy,
20因為強暴人歸於無有,好譏笑人的必被滅絕;所有意圖行惡的,必被剪除。
21Dia ireo manameloka olona amin'ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin'ny lainga foana.
21他們只用一句話就定了人的罪,又設下網羅來陷害城門口那執行裁判的,用毫無根據的事屈枉義人。
22Koa ny amin'ny taranak'i Jakoba dia izao no lazain'i Jehovah, Izay nanavotra an'i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany.
22因此,曾經救贖亞伯拉罕的耶和華,論到雅各家時,這樣說:“雅各今後必不再羞愧,他的臉容也不再變為蒼白,
23Fa raha ny zanany mahita ny asan'ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin'i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan'Andriamanitry ny Isiraely.Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
23因為他看見了他的子孫在他中間,就是我手所作的。他們必尊我的名為聖,必尊雅各的聖者為聖,也必敬畏以色列的 神。
24Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena.
24那些心中迷惑的,必明白真理,那些發怨言的,必接受教訓。”