Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

34

1[Ny hampijaliana ny fahavalon'ny Isiraely, indrindra fa Edoma, sy ny fahasambaran'ny navotan'i Jehovah] Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.
1 神要審判其子民的仇敵列國啊,要近前來聽!眾民哪,要留心聽!地和地上所充滿的,世界和其中所出的一切,都要聽!
2Fa Jehovah dia tezitra amin'ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin'ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina.[Heb. hatao herema]
2因為耶和華向列國發怒,向他們所有的軍隊發烈怒,要把他們滅盡,要把他們交出來受屠殺。
3Ary izay voavono amin'ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon'ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon'ny ràny.
3他們被殺的必被拋棄在外面,屍體的臭氣上騰,眾山都被他們的血所溶化。
4Izay rehetra eny amin'ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon'ny ravina mihintsana avy amin'ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin'ny aviavy.
4天上的萬象都必消殘;天也像書卷一般被捲起,所有星宿也必衰殘,像葡萄樹的葉子衰殘一樣,又像無花果樹的葉子凋落一樣。
5Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin'ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin'i Edoma iny sy amin'ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy. [Heb. hatao herema]
5因為我的刀在天上已經喝足了,看哪!它要落在以東,以及我決定要滅絕的民身上,為要施行審判。
6Ny sabatr'i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin'ny matavy sy amin'ny ran'ny zanak'ondry sy ny osilahy ary amin'ny fonomboan'ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin'ny tany Edoma.
6耶和華的刀染滿了血,這刀因脂肪、羊羔和公山羊的血,以及公綿羊腰子的脂肪而滋潤,因為耶和華在波斯拉有殺牲獻祭的事,在以東地有大屠殺。
7Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin'ny vantotr'omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny.
7野牛、牛犢與壯牛要與他們一同倒下,他們的地喝足了血,他們的塵土因脂肪而肥潤。
8Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an'i Ziona.
8因為耶和華有報仇的日子,為錫安的案件,必有報應之年。
9Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra.
9以東的河水都要變成石油,它的塵土必變成硫磺,它的地土要變成燒著的石油,
10Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
10晝夜不熄,煙氣永遠上騰,並且必世世代代變為荒涼,永永遠遠無人經過。
11Fa ho zara-tanin'ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana.
11但鵜鶘與箭豬要佔據那地,貓頭鷹和烏鴉必住在其中。耶和華必把空虛的準繩、混沌的線鉈,拉在其上。
12Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. [Heb. hiantso ny fanjakana]
12它的顯貴一個也沒有了,以致不能稱為一國,所有的領袖也沒有了。
13Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin'ny lapan'ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin'ny trano fiarovany; Ary ho fonenan'ny amboadia sy fitoeran'ny ostritsa izy. [Heb.jakala]
13以東的宮殿必長荊棘,它的堡壘必長蒺藜和刺草;它要作野狗的住處,作鴕鳥的居所。
14Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin'ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin'ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy.[Na: jakala][Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7][Heb. lilita]
14曠野的走獸必與豺狼相遇,野山羊必呼喊牠的同伴;連夜間的怪物也必在那裡棲身,為自己尋找休息的地方。
15Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin'ny alokaloka any; Any koa no hiangonan'ny papango, samy eo amin'ny namany avy.
15箭蛇要在那裡築窩、下蛋、孵蛋,並且聚子在牠的陰影下;鷂鷹也各與自己的伴偶,聚集在那裡。
16Izahao ao amin'ny bokin'i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan'i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy.[Heb. vavako]Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
16你們要查考和閱讀耶和華的書卷;這些都無一缺少,也沒有一個是沒有伴偶的,因為他的口已吩咐了,他的靈已把牠們聚集。
17Ary Izy no efa tinendry anjara ho an'ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an'ireo tamin'ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
17他也為牠們抽籤,他的手用準繩給牠們分地;牠們必永遠得著那地,也要世世代代住在其中。