Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

35

1Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.
1得救者的福樂曠野和乾旱之地必歡喜;沙漠要快樂,又像番紅花一般開花,
2Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny famirapiratan'Andriamanitsika.
2必茂盛地開花,大大快樂,並且歡呼。黎巴嫩的榮耀、迦密和沙崙的華美也賜給它;人們必看見耶和華的榮耀、我們 神的華美。
3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.
3你們要堅固無力的手,穩固搖動的膝。
4Lazao amin'izay reraka am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo. [Heb. maimaika]
4又對那些憂心的人說:“你們要剛強,不要懼怕。看哪!你們的 神,他要來報仇,來施行報應,他必來拯救你們。”
5Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina.
5那時,瞎子的眼必打開,聾子的耳必暢通。
6Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.
6那時,瘸子必像鹿一般跳躍,啞巴的舌頭必大聲歡呼;曠野必湧出大水,沙漠必流出江河。
7Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.[ny miraja][Na: jakala]
7灼熱的沙地必變為水池,乾旱之地必變成泉源;在野狗的住處,就是牠們躺臥之處,必成為青草、蘆葦和蒲草生長的地方。
8Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza. [Na: Fa ho an'ireo izy]
8那裡必有一條大路,要稱為“聖路”;不潔淨的人不能經過,那是為那些行走正路的人預備的;愚昧的人不會在路上留連。
9Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
9那裡必沒有獅子,猛獸也不會上去,在那裡必遇不見牠們;
10Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
10只有蒙救贖的人必歸回,必歡呼地來到錫安;永遠的喜樂必臨到他們的頭上;他們必得著歡喜和快樂,憂愁和歎息都必逃跑了。