1Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;
1以色列人將蒙賜福“但現在,我的僕人雅各,我所揀選的以色列啊!你要聽。
2Izao no lazain'i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona, izay nofidiko; [Jesorona dia anaran'ny Isiraely]
2那創造你,從母胎裡就塑造了你,又要幫助你的耶和華這樣說:我的僕人雅各啊!我所揀選的耶書崙啊!你不要懼怕。
3Fa handatsaka rano amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin'izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny terakao;
3因為我要把水澆灌乾渴之處,把河水澆灌乾旱之地;我必把我的靈澆灌你的後裔,把我的福降給你的子孫。
4Dia haniry eny amin'ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan'ny rano mandeha ireny.
4他們要像從草中生長起來,又像溪水旁的柳樹。
5Ny anankiray hilaza hoe: An'i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin'ny tànany hoe: An'i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.[Na: eo amin']
5這個必說:‘我是屬耶和華的’;那個也必以雅各的名稱呼自己;另一個必親手寫上‘我是屬耶和華的’,並且要以以色列的名字替自己命名。”
6[Ny amin'i Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, sy ny amin'ny sampin'ny jentilisa] Izao no lazain'i Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
6 神是獨一真神耶和華以色列的王、以色列的救贖主、萬軍之耶和華這樣說:“我是首先的,我是末後的;除我以外,再沒有真神。
7Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
7誰像我呢?讓他宣告,讓他述說,又在我面前陳明吧!自從我設立古時的子民,未來的事和將要發生的事,讓他們把它們述說出來吧!
8Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin'ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
8你們不要驚惶,也不要懼怕。我不是老早就說了給你們聽,告訴了你們嗎?你們就是我的見證人。除我以外,還有真神嗎?沒有別的磐石;我一個也不知道。”
9Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon'ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
9製造偶像者的愚昧製造偶像的人,盡都是虛空的,他們所喜愛的,都沒有益處。他們的見證人,一無所見,一無所知,以致他們蒙羞。
10Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
10誰製造神像,或鑄造偶像,不想得到益處呢?
11Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
11看哪!所有與它同夥的都必蒙羞;工匠也不過是人罷了。讓他們都集合起來,都站立起來;讓他們都懼怕,都一同蒙羞。
12Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin'ny arina izy ary manamboatra azy amin'ny tantanana sy miasa azy amin'ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.[Na: manasa]
12鐵匠先用工具在鐵上雕刻,然後在火炭中加工,再用鎚子把鐵錘成形狀,用他有力的膀臂錘成。他若飢餓,就沒有力量;他若不喝水,就疲乏。
13Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin'ny fitsipihana; Manamboatra azy amin'ny vankona izy, dia manamarika azy amin'ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik'olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin'ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
13木匠拉線,用筆畫出輪廓,用鉋子鉋平,用圓規畫出模樣,做成人的形狀,有人一般的美麗,好住在廟裡。
14Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any an'ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin'ny ranonorana izany;
14他為自己砍伐香柏樹,或選取榆樹和橡樹,讓它在樹林中長起來;他栽種松樹,讓雨水使它長大。
15Ary dia anaovan'ny olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
15人可以用這樹作燃料,可以拿來生火取暖,又可以燒著烤餅;人竟然用它做神像敬拜,他做了雕刻的偶像,又向它叩拜。
16Ny sasany dorany amin'ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy! [Heb. ihinanany]
16他把木頭的一半放在火裡燃燒;在上面烤肉;吃了烤肉,並且吃飽了,就自己烤火取暖,說:“哈哈!我暖和了,我看見火了。”
17Ary ny sisan'izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
17他用剩下來的一半做了一個神像,就是他雕刻的偶像,他向它俯伏,向它敬拜,又向它禱告,說:“求你救我,因為你是我的神。”
18Tsy mahalala na mahafantatra ireny; Fa voatampina ny masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy mahalala.
18他們並不知道,也不明白;因為耶和華閉住他們的眼睛,使他們不能看見,塞住他們的心,使他們不能明白。
19Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin'ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin'ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan'izay vatan-kazo? [Na: vokatry ny hazo]
19沒有人細心思想,也沒有人有知識有聰明說:“我把木頭的一半放在火裡燃燒,我也在炭火上烘過餅,烤過肉吃,剩下的,我卻用來做了一個可憎之物,我要向木頭叩拜嗎?”
20Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
20他所追求的只是灰塵,被迷惑了的心使他偏離正道了;他不能救自己,也不會說:“在我的右手中不是有個假神嗎?”
21Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
21耶和華救贖之恩雅各和以色列啊!要記念這些話,因為你是我的僕人。我造了你,是要你作我的僕人;以色列啊!你必不會被我忘記。
22Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
22我塗抹了你的過犯,像密雲消散;我塗抹了你的罪惡,如薄雲滅沒,你當歸向我,因為我救贖了你。
23Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin'ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin'izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin'Isiraely.
23諸天啊!你們要歡呼,因為耶和華作成了這事。地的深處啊!你們要吶喊。群山啊!你們要發聲歡呼。樹林和其中所有的樹啊!你們都當這樣。因為耶和華救贖了雅各,他要藉著以色列使自己得榮耀。
24[Ny amin'i Kyrosy, izay voahosotr'i Jehovah ho mpanafaka ny Isiraely] Izao no lazain'i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
24你的救贖主,就是那在母胎中就造了你的耶和華這樣說:“我耶和華是創造萬物的,我是獨自展開諸天,鋪張大地的。
25Izaho mahafoana ny famantarana lazain'ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
25我使說假話者的兆頭失效,使占卜者都變成愚昧人;我使有智慧的人後退,使他們的知識變為愚拙。
26Ary mahatò ny tenin'ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin'i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin'ny tanànan'ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo, [Heb. mpanompony][Heb. irany]
26我使我僕人的話實現,使我使者的謀算成就。我對耶路撒冷說:‘你必有人居住。’對猶大的城鎮說:‘你們要再被建造起來,至於其中的廢墟,我必重建它們。’
27Ary milaza amin'ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
27我對深淵說:‘你乾了吧,我必使你的江河乾涸!’
28Ary milaza an'i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin'i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin'ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.
28我對古列說:‘我的牧人;他必成就我所喜悅的一切。’他要對耶路撒冷說:‘你必被重建起來!’他必對聖殿說:‘你的根基要奠定!’”