1Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
1耶和華興起古列“我耶和華所膏立的古列,我緊握著他的右手,使列國降服在他面前;我也鬆開列王的腰帶;我使門戶在他面前敞開,使城門不得關閉;耶和華對古列這樣說:
2Handroso eo alohanao Aho ary handravona ny mikitoantoana sy hanorotoro ny varavarana varahina ary hanapatapaka ny hidy vy;
2我必親自領導你,把高低不平的路修平;銅門,我必打破;鐵門,我必砍斷。
3Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.
3我必把隱藏的寶物和在隱密處的財寶賜給你,使你知道我就是按著你的名呼召了你的耶和華,以色列的 神。
4Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko sy Isiraely voafidiko no niantsoako anao tamin'ny anaranao sy nanomezako anarana malaza ho anao, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
4因我的僕人雅各和我所揀選的以色列的緣故,我按著你的名呼召了你;你雖然不認識我,我卻給你這個尊貴的名號。
5Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho efa nampisikina anao, kanefa tsy nahafantatra Ahy ianao,
5耶和華以外沒有真神“我是耶和華,再沒有別的神了;除了我以外,並沒有真神;你雖然不認識我,我必堅固你,
6Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,
6為要叫從日出之地到日落之地的人都知道,除了我以外,沒有真神;我是耶和華,再沒有別的神了。
7Dia Izaho Izay mamorona ny mazava sy mahary ny maizina, manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Jehovah no manao izany rehetra izany.
7我造光,也造黑暗;我賜平安,也降災禍;我耶和華是造成這一切事的。
8Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin'ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin'izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.
8諸天啊!你們要從上滴下公義,讓雲層降下公義。讓大地裂開,生出救恩,使公義一同生長,是我耶和華創造了這事。
9Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
9那與他的創造主爭論的,有禍了!他不過是地上瓦片中的一片瓦片,泥土能對陶匠說:‘你在作甚麼?’或你所作成的說:‘他沒有手’嗎?
10Lozan'izay miteny amin-drainy hoe: Inona no aterakao? Na amin-dreniny hoe: Inona no aloaky ny kibonao? [Heb. ny vehivavy]
10那對父親說:‘你生的是甚麼’,或對母親說:‘你產的是甚麼’的,有禍了!”
11Izao no lazan'i Jehovah ny Iray Masin'ny Isiraely, dia ny namorona azy: Ny amin'ny zavatra ho avy no anontanio Ahy; ary ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany.
11以色列的聖者,造以色列的主耶和華這樣說:“你們可以問我將要來的事,關於我的眾子和我手所作的,你們也可以吩咐我回答。
12Izaho no nanao ny tany sy nahary ny olona eo amboniny; ny tanako ihany no namelatra ny lanitra sy nandahatra ny eny aminy rehetra. [Heb. nandidy]
12我造了地,又造了人在地上;我親手展開了諸天,又命定了天上的萬象。
13Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
13我憑著公義興起了古列,我必修平他的一切道路;他必建造我的城,釋放我被擄的子民,不必用工價,也不用賞賜,這是萬軍之耶和華說的。”
14Izao no lazain'i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran'i Egypta sy ny tombom-barotr'i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
14耶和華這樣說:“埃及勞碌得來的和古實所得之利,以及身量高大的西巴人,都必過來歸你,也要屬你;他們必帶著鎖鍊過來隨從你,向你俯伏,向你懇求,說:‘ 神真的在你們中間,此外,再沒有別的神,沒有別的真神。’”
15Marina tokoa fa Hianao dia Andriamanitra miafina, ry Andriamanitry ny Isiraely sady Mpamonjy ô.
15拯救者以色列的 神啊!你實在是隱藏自己的 神。
16Ho menatra sy hangaihay izy rehetra; eny, handeha aman-kenatra avokoa ny mpamorona sarin-javatra,
16製造偶像的都必蒙羞受辱,都要一同歸於羞愧。
17Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin'i Jehovah Amin'ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
17唯有以色列必靠著耶和華得救,得著永遠的拯救;你們必不蒙羞,也不受辱,直到永遠。
18Fa izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.
18因為創造諸天的耶和華,他是 神,塑造大地,把大地造成;他堅立大地;他創造大地,不是荒涼的;他塑造大地,是要給人居住;他這樣說:“我是耶和華,再沒有別的 神。
19Tsy tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak'i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
19我沒有在隱密處、在黑暗之地說過話;我沒有對雅各的後裔說過:‘你們尋求我是徒然的。’我耶和華講說公義,宣揚正直。
20Mivoria, ka avia, ary miaraha manatona, ianareo jentilisa sisa afaka. Tsy manam-pahalalana izay mitondra ny hazo nataony sarin-javatra voasokitra ka mivavaka amin'izay andriamanitra tsy mahavonjy.
20耶和華是獨一的拯救者“列國逃脫的人哪!你們要來集合,一同近前來。那些抬著木頭做的偶像,向不能拯救人的神祈求的,真是無知。
21Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
21你們述說吧!提出理由吧!讓他們彼此商議吧!誰從古時使人聽見這事呢?誰從上古把這事述說出來呢?不是我耶和華嗎?除了我以外,再沒有 神,我是公義的 神,又是拯救者;除了我以外,並沒有別的 神。
22Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo, ry vazan-tany rehetra! Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa.
22全地的人哪!你們都要歸向我,都要得救。因為我是 神,再沒有別的 神。
23Ny tenako no nianianako, nisy teny efa naloaky ny vavako tamin'ny fahamarinana ka tsy hitsoaka: Izaho no handohalehan'ny lohalika rehetra, sy hianianan'ny lela rehetra hoe: [Na: Nisy teny naloaky ny vavan'ny fahamarinana]
23我指著自己起誓,我的口憑著公義說出的話,決不改變:‘萬膝都必向我跪拜,萬口都要指著我起誓。’
24Ao amin'i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin'ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.
24人論到我必說:‘只有在耶和華裡面才有公義和能力’;向他發怒的,都必來到他面前,並且要蒙羞。
25Ao amin'i Jehovah no hanamarinana ny taranak'Isiraely rehetra sy hananany rehareha.
25以色列所有的後裔,都必靠耶和華得稱為義,並要誇勝。”