1[Ny fahatsinontsinon'ny sampin'i Babylona, sy fanomezan-toky ny Isiraely hifikitra amin'i Jehovah, ary ny hery sy ny fahalalan'i Jehovah] Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby reraka.
1假神與真神的分別彼勒俯伏,尼波彎腰;巴比倫人的偶像馱在走獸和牲口上。你們所抬的現在都成了重擔,成了疲乏的牲畜身上的重負。
2Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.
2它們一同彎腰、俯伏,不能保護重負,它們自己反倒被擄去了。
3Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
3“雅各家啊,以色列家所有餘剩的人哪!你們都要聽我的話,你們自出母腹,就蒙我懷抱;自出母胎,就蒙我提攜。
4Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
4直到你們年老,我還是一樣;直到你們髮白,我仍然懷抱你。我以前既然這樣作了,以後我仍必提攜你;我必懷抱你,也必拯救你。
5Hampitovinareo amin'iza moa Aho, sy amin'iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?
5你們要把誰與我相比,誰與我相似呢?你們把誰與我比較,好使我們同等呢?
6Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
6那些從錢袋倒出金子,用天平稱銀子的人,雇用金匠製造神像;他們向神像又俯伏又叩拜。
7Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
7他們把神像抬起來,扛在肩頭上,然後把它安置在固定的地方,它就立在那裡,總不離開它的本位。雖然有人向它呼求,它也不能回答;它也不能救人脫離患難。
8Tsarovy izany ka mahereza ianareo eritrereto tsara izany, ry mpiodina. [Na: misehoa ho lehilahy]
8 神言出必行“你們當記念這事,要堅定不移;悖逆的人哪!你們要留心思想。
9Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela; Fa Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy hafa; Izaho no Andriamanitra, ka tsy misy tahaka Ahy,
9你們當記念上古以前的事,因為我是 神,再沒有別的神;我是 神,沒有神像我。
10Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
10我從起初就宣告末後的事,從古時就述說還未作成的事,說:‘我的計劃必定成功,我所喜悅的,我都必作成。’
11Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
11我把鷙鳥從日出之地召來,就是把成就我計劃的人從遠方召來。我不但說了,而且也要使我的話實現;我不但計劃好了,而且也必實行。
12Mihainoa Ahy ianareo madi-po izay lavitra ny fahamarinana:Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.
12心裡頑固的人哪!遠離公義的人哪!你們要聽我。
13Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.
13我使我的公義臨近了,必不遠離;我的救恩必不遲延。我要為以色列,我的榮耀,在錫安施行拯救。”