1[Ny handravana an'i Babylona] Mialà, ka mipetraha amin'ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin'ny tany, fa tsy amin'ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
1預言巴比倫的罪惡與審判巴比倫的處女啊!你下來,坐在塵土中吧!迦勒底的女兒啊!你坐在地上吧!沒有寶座了,因為你必不再被稱為柔弱嬌嫩的了。
2Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr'akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
2你要拿石磨去磨麵,你要揭開你的帕子,脫去長裙,露出大腿,渡過江河。
3Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.[Na: tsy hiera amin'olona; na: tsy hihaona amin'olona]
3你的下體必暴露出來,你的羞恥要被人看見;我必報仇,不顧惜任何人。
4Ny anaran'ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon'ny maro, Iray Masin'ny Isiraely.
4我們的救贖主,他的名字是萬軍之耶和華、以色列的聖者,他說:
5Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin'ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin'ny fanjakana intsony ianao.
5“迦勒底的女子啊!你要靜靜坐下,進到黑暗中去,因為人不再稱你為列國之后了。
6Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
6我曾對我的子民發怒,使我的產業被褻瀆,我把他們交在你的手裡,你卻對他們毫無憐憫。你竟把你的軛,重重壓在老年人的身上。
7Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
7你曾說:‘我必永遠作王后!’所以你不把這些事放在心上,也不思想這事的結局。
8Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan'anaka.
8因此,你這淫逸、安居的,現在要聽這話。你曾心裡說:‘只有我,除我以外再沒有別的;我必不會寡居,也不會經歷喪子的事。’
9Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
9不料喪子和寡居這兩件事,竟在忽然之間,一日之內,要臨到你身上!正在你多行邪術,竭力施符咒的時候,這兩件事就必都臨到你身上。
10Fa nitoky tamin'ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao]
10你向來倚靠自己的邪惡,說:‘沒有人看見我’;你的智慧和知識把你引入了歧途。你心裡說:‘只有我,除了我以外,再沒有別的。’
11Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.[Na: iposahany]
11但災禍必臨到你身上,你卻不知道它的來源;禍患必落在你身上,你卻不能把它除去;毀滅必忽然臨到你身上,你卻不知道。
12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan'ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
12繼續使用你從幼年時就勞碌施行的符咒和許多的邪術吧!或者你可以得到益處,也許你能叫人戰慄。
13Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. [Heb. mpizarazara] [Na: Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao amin'izay hanjo anao]
13你因你許多的計劃而勞累;現在讓那些劃分天象的,觀看星辰的,在月朔時說預言的,都站起來,拯救你脫離要臨到你身上的事。
14Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
14看哪!他們必像碎秸,火必要焚燒他們;他們不能救自己脫離火燄的威力;這不是可以烤火取暖的火炭,也不是可以坐在它面前的火。
15Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
15你所勞碌的事,都要這樣與你無益;從你年幼時與你交易的,也都必各奔各方,四處飄流,沒有人拯救你。”