Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

49

1[Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, Izay voatendry hamory sy hamonjy ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako.
1 神揀選的僕人及他的使命眾海島啊!你們要聽我的話。遠方的萬族啊!你們要留心聽。我在母胎的時候,耶和華就呼召了我;我出母腹的時候,他就提了我的名。
2Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin'ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin'ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
2他使我的口如快刀,把我藏在他手的陰影之下;他又使我成為磨亮的箭,把我藏在他的箭袋裡。
3Ary hoy Izy tamiko: Mpanompoko Hianao, ry Isiraely ô. Izay entiko mampiseho ny voninahitro.
3他對我說:“你是我的僕人以色列,我要藉著你得榮耀。”
4Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin'i Jehovah ny rariny tokony ho Ahy, Ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamanitro.
4但我說:“我勞碌是徒然的;我用盡氣力,是虛無虛空的;然而我當得的公理是在耶和華那裡,我的賞賜是在我的 神那裡。”
5Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
5現在,耶和華說:(他自我還在母胎的時候,就造了我作他的僕人,好使雅各回轉歸向他,使以色列可以聚集到他那裡;我在耶和華眼中被看為尊貴,我的 神是我的力量。)
6Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany.
6“你作我的僕人,使雅各眾支派復興,使以色列中得保全的歸回,只是小事,我還要使你作列國的光,使我的救恩傳到地極。”
7Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
7以色列的救贖主,以色列的聖者耶和華,對那被人藐視的、被本國憎惡的、被統治者奴役的,這樣說:“君王看見了,就必起立,領袖看見了,也要下拜,都因信實的耶和華,就是揀選了你的、以色列的聖者的緣故。”
8Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
8耶和華這樣說:“在悅納的時候,我應允了你,在拯救的日子,我幫助了你;我要保護你,使你作人民的中保,復興那地,使人承受荒涼之地作產業,
9ka hanao amin'ny mpifatotra hoe: Mivoaha, Ary amin'izay ao amin'ny maizina hoe: Misehoa; hihinana eny an-dalana izy, ary na dia any an-tendrombohitra mangadihady aza dia hisy ahitra ho azy ihany; .
9對那些被囚的說:‘你們出來吧!’對那些在黑暗中的人說:‘你們現身吧!’他們沿途必得餵養,一切光禿的高處必成為他們的草場。
10Tsy ho noana na hangetaheta izy, ary tsy hamely azy ny hainandro migaingaina na ny masoandro; fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrany azy.
10他們必不飢餓,也不口渴,炎熱和太陽必不傷害他們,因為那憐憫他們的,要引領他們,帶領他們到水泉的旁邊。
11Hataoko lalana ny tendrombohitro rehetra, ary hasandratra ny lalambeko.
11我必使我的眾山成為道路,我的大道都必被修高。
12Indreo, tonga avy lavitra ireto; ary, indreo, avy any avaratra sy andrefana ireto, ary avy any amin'ny tany Sinima ireto.
12看哪!有些人從遠方而來;看哪!有些從北方,從西方而來,還有些從色尼姆地而來。”
13Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra.
13諸天哪!你們要歡呼。大地啊!你當快樂。眾山啊!你們要發聲歡呼。因為耶和華已經安慰了他的子民,也必憐憫他受困苦的人。
14Fa hoy Ziona'Jehovah efa nahafoy ahy, ary ny Tompoto efa nanadino ahy.
14 神的垂顧與復興但錫安說:“耶和華離棄了我,我的主忘記了我。”
15Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.
15婦人怎能忘記她吃奶的嬰孩,不憐憫她親生的兒子呢?即使她們可能忘記,我也不會忘記你。
16Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
16看哪!我已經把你刻在我的掌上;你的城牆常常在我面前。
17Tamy faingana ny zanakao; Ary izay nanimba sy nandrava anao dia miala aminao.
17重建你的要急速歸回,那些毀壞你的和那些使你荒廢的,都必離你而去。
18Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon'ny ampakarina.
18你舉目向四周觀看吧!他們都集合到你那裡來。耶和華說:“我指著我的永生起誓,你要披戴他們,如同披戴裝飾品;你要以他們作華帶束腰,像新婦一樣。
19Fa ny taninao rava sy ny fonenanao lao ary ny taninao simba dia tsy ho omby amin'izany noho ny habetsahan'ny mponina, ary ho lasa lavitra ireo nihinana anao.
19至於你那些被毀壞荒廢之處和你那些被拆毀之地,現在給眾人居住必顯為太狹窄了,那些吞滅你的都必遠離你。
20Ny zanakao izay efa lasa teo dia mbola hilaza eo an-tsofinao hoe: Tsy omby ahy loatra ity tany ity, Mikisaha kely mba hitoerako.
20你喪子以後所生的兒女還要說給你聽,說:‘這地方給我居住太狹窄了;求你給我預備地方居住吧!’
21Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
21那時你心裡必說:‘我既喪子,又不能生育;我是被擄的,又是被放逐在外的,誰給我生了這些孩子呢?誰把這些孩子養大呢?看哪!我獨自一人被撇下,這些孩子是從哪裡來的呢?’”
22Izao no lazain'i Jehovah Tompo; Indro, hanandratra ny tanako amin'ny jentilisa Aho ary hanangana ny fanevako amin'ny firenena; dia hitrotro ny zanakao eo an-tratrany ireo, ary ny zanakaovavy ho entiny eny an-tsorony.
22主耶和華這樣說:“看哪!我必向列國舉手,我要向萬民豎立我的旗幟;他們要把你的兒子都抱在懷中帶來,把你的女兒都放在肩上背來。
23Mpanjaka no ho rainao mpitaiza anao, ary zanakavavin'andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao izy ka hilelaka ny vovoka amin'ny tongotrao; Dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah, ka tsy ho menatra izay miandry Ahy.
23列國的君王要作你的養父,他們的王后必作你的保姆;他們必臉伏於地向你下拜,舐你腳上的塵土。那麼,你就知道我是耶和華,那些仰望我的決不會羞愧。”
24Azo alaina eny amin'ny mahery va ny sambotra? Na ho afaka va ny babo marina?
24被搶去的怎能從勇士手中奪回呢?被俘擄的怎能從強暴者的手裡救出來呢?
25Nefa izao no lazain'i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
25但耶和華這樣說:“就是勇士所俘擄的,也可以奪回,強暴者所搶去的,也可以救出來;與你相爭的,我必與他們相爭;你的兒女,我卻要拯救。
26Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
26我要使那些欺壓你的人,吃自己的肉;他們必喝自己的血醉倒,好像喝了甜酒一樣;那麼所有的人都必知道,我耶和華是你的拯救者,是你的救贖主,是雅各的大能者。”