Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

50

1[Ny amin'ny nisaorana ny Isiraely, sy ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah] Izao no lazain'i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin'izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
1以色列的罪惡與僕人的順服耶和華這樣說:“我離棄了你們的母親,休書在哪裡呢?或者我的債主中,哪一個是我把你們賣了給他的呢?看哪!你們被賣是因你們的罪孽;你們的母親被離棄是因你們的過犯。
2Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin'ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian'ny rano sady matin-ketaheta.
2為甚麼我來的時候,沒有人在呢?為甚麼我呼喚的時候,沒有人答應呢?難道我的手太軟弱不能救贖嗎?或是我沒有能力拯救嗎?看哪!我以斥責使海乾涸,我使江河變成曠野,江河的魚因無水發臭,因乾渴而死。
3Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.
3我使諸天以黑暗為衣服,以麻布作它們的遮蓋。”
4Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay [Heb.efa nampianarina]
4主耶和華賜給了我一個受教者的舌頭,使我知道怎樣用言語扶助疲乏的人;主每天清晨喚醒我,他每天清晨喚醒我的耳朵,使我能像受教者一樣靜聽。
5Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
5主耶和華開啟了我的耳朵,我並沒有違抗,也沒有後退。
6Ny lamosiko natolotro ho amin'ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin'izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin'ny henatra sy ny rora.
6我把我的背給打我的人打,把我的腮頰給拔我鬍鬚的人拔;我並沒有掩面躲避人的羞辱和人的唾液。
7Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
7但主耶和華必幫助我,所以我必不羞愧,因此我板著臉好像堅硬的燧石,我也知道我必不會蒙羞。
8Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
8那稱我為義的,與我相近;誰與我爭訟呢?讓我們一同站起來吧!誰是指控我的?讓他就近我來。
9Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin'ny kalalao izy.
9看哪!主耶和華幫助我,誰能定我有罪呢?看哪!他們都要像衣服漸漸破舊,蛀蟲必把他們吃光。
10Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny. [Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana]He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.
10你們中間誰是敬畏耶和華,聽從他僕人的聲音的?誰是行在黑暗中,沒有亮光的呢?他該倚靠耶和華的名,依賴他的 神。
11He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.
11看哪!你們點火的,用火把圍繞自己的,都行在你們火燄的光裡,都走在你們所燃點的火把中吧!這是你們從我手裡所要得的:你們必躺臥在痛苦之中。