1[Ny fiposahan'ny famonjena, sy ny fanesorana ny kapoaky ny fahatezeran'i Jehovah] Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. [Heb. Jereo]
1安慰錫安的話追求公義、尋求耶和華的啊!你們要聽我的話。你們要瞻仰那磐石,你們就是從其上鑿出來的;你們要瞻仰那採石坑,你們就是從其中挖出來的。
2Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. [Heb. Jereo]
2你們要瞻仰你們的祖宗亞伯拉罕,他們也要瞻仰那生你們的撒拉。亞伯拉罕獨自一人的時候,我呼召了他,賜福給他,使他有很多子孫。
3Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin'ny fisaorana sy ny feo fiderana.
3耶和華必安慰錫安,他要安慰它的一切荒場,使它的曠野像伊甸園一樣,使它的荒地像耶和華的園子一般,在其中必有歡喜快樂、感謝和歌聲。
4Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
4我的子民哪!你們要留心聽我;我的民族啊!你們要側耳聽我。因為訓誨必從我而去;我必堅立我的判詞為萬民之光。
5Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
5我的公義臨近,我的拯救已經發出了,我的膀臂審判萬民,眾海島的人都要等候我,並且仰賴我的膀臂。
6Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.[Na: tahaka ny fahafatin'ny moka]
6你們要仰觀天空,俯視大地;因為諸天必像煙雲消散,大地要像衣服漸漸破舊;其上的居民必像蠓蟲死亡,但我的拯救卻永遠長存,我的公義也不會廢去。
7Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon'ny zanak'olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
7認識公義,把我的訓誨存在心裡的人民哪!你們要聽我的話。你們不要怕人的辱罵,也不要因人的毀謗而驚惶。
8Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.
8因為蛀蟲必吃他們,像吃衣服一樣;蟲子必吃他們,像吃羊羢一樣。但我的公義永遠長存。我的拯救直到萬代。
9Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona? [Na: mamba; izahao Ezek. xxix. 3]
9耶和華的膀臂啊,醒來吧!醒來吧!穿上能力吧!像古時的日子,像上古的世代一樣醒來吧!從前砍碎了拉哈伯,刺透了海龍的,不是你嗎?
10Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin'ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan'ny navotana?
10使海,就是大淵的水乾涸,使海的深處變為蒙救贖的人經過之路的,不是你嗎?
11Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
11耶和華所贖的人必歸回;他們必歡呼著進入錫安;永遠的快樂要臨到他們的頭上。他們必得著歡喜快樂,憂愁歎息都必逃避。
12Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra
12“我,我耶和華是安慰你們的;你是誰,竟怕那會死的人,怕那被造如草的世人呢?
13ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
13你忘記了造你的耶和華,就是那展開諸天,奠定大地的根基的;又因那欺壓者準備行毀滅的時候所發的烈怒,你就終日不住懼怕呢?其實那欺壓者的烈怒在哪裡呢?
14Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
14被擄的快得釋放了,他們必不會死,必不會下到陰間裡,他們的食物也必不會缺乏。
15Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarako. [Na: Izay mampitsahatra ny rano, raha mirohondrohona ny onjany] [Heb. anarany]
15我是耶和華你們的 神,就是那攪動大海,使海中的波浪澎湃的;萬軍之耶和華是他的名。
16Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao. [Heb. Hamboly]
16我把我的話放在你的口裡,用我的手影蔽護你,好立定諸天,奠定大地的根基,對錫安說:‘你是我的子民。’”
17Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin'ny tànan'i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin'ny faikany.
17耶路撒冷啊,醒來!醒來!站起來吧!你從耶和華的手中喝了他烈怒的杯,喝盡了那使人搖搖擺擺的爵。
18Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
18她所生的眾子中,沒有一個引導她的;她養大的眾子中,沒有一個扶持她的。
19Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
19荒涼與毀滅,饑荒與刀劍,這兩樣臨到你,誰為你悲哀呢?誰能安慰你呢?
20Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin'ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran'i Jehovah sy ny teny mafy ataon'Andriamanitrao.
20你的眾子昏倒了,在各街頭上躺臥,好像羚羊在網羅之中;他們飽嘗了耶和華的烈怒,你的 神的斥責。
21Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
21所以,你這困苦的,不是因酒而醉倒的,要聽這話。
22Izao no lazain'i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an'ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian'ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.
22你的主耶和華,就是為自己的子民爭辯的 神,這樣說:“看哪!我已經把那使人搖搖擺擺的杯,就是我烈怒的爵,從你的手裡挪去了;你必不再喝這杯。
23Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.
23我必把這杯放在那些苦待你的人的手裡;他們曾對你說:‘你屈身俯伏,讓我們走過去吧!’你就以你的背作陸地,作街道,任由他們踏過去。”