Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

52

1[Ny hanafahana an'i Jerosalema amin'ny fahandevozana sy ny fatorana] Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
1 神必拯救耶路撒冷錫安哪!你要醒來;醒來,披上你的力量。聖城耶路撒冷啊!要穿上你華美的衣服。因為未受割禮的和不潔淨的人,都再不得進到你那裡去。
2Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
2耶路撒冷啊!抖下塵土,起來,坐在位上吧!錫安被擄的居民(“居民”原文作“女子”)哪!解開你頸項上的鎖鍊。
3Fa izao no lazain'i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo.
3耶和華這樣說:“你們被賣是毫無代價的,你們被贖回也必不用銀子。”
4Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan'ny oloko tamin'ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana.
4主耶和華這樣說:“我的子民先前曾下到埃及,在那裡寄居;後來有亞述人無緣無故地欺壓了他們。
5Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
5現在我在這裡作甚麼呢?”耶和華說:“我的子民毫無代價被取去;統治他們的人大肆咆哮。”耶和華說:“我的名終日不住被藐視。
6Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.[Na: Eny, ho fantany amin'izany andro izany Aho]
6所以我的子民必認識我的名,因此到了那日他們就必知道,說這話的就是我。看哪!是我。”
7Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
7那傳福音、宣布平安、傳美好的福音、宣布救恩,又對錫安說“你的 神作王了”的,他的腳蹤在山上多麼的美!
8Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona.
8聽啊!你守望者的聲音。他們都揚起聲來,一同歡呼,因為耶和華歸回錫安的時候,他們必親眼看見。
9Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an'i Jerosalema.
9耶路撒冷的廢墟啊!你們要發聲,一同歡呼。因為耶和華安慰了他的子民,救贖了耶路撒冷。
10Jehovah efa nampiseho ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra; ary ny faran'ny tany rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitsika. [Heb. nampitanjaka]
10耶和華在萬國的眼前,顯露他的聖臂,地極的人必看見我們 神的拯救。
11Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah.
11你們要離開,要離開,要從那裡出來,不要觸摸不潔淨的東西。扛抬耶和華器皿的啊!你們要從巴比倫城中出來,要自潔。
12Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
12你們出來,不必著急;你們行走,也不必奔逃,因為耶和華要走在你們前面,以色列的 神必作你們的後盾。
13[Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, dia ny zava-mahagaga nataony, sy ny nandavan'ny maro Azy, sy ny fahoriana nentiny, sy ny avotra vitany, ary ny voninahitra homena Azy] Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. [Heb. hambinina]
13預言僕人受苦看哪!我的僕人必行事亨通,他必受尊崇,被高舉,成為至高。
14Fa toy ny nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak'olombelona),Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]
14許多人怎樣因你而驚奇,(因為他的容貌毀損得不像人,他的形狀毀損得不像世人);
15Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]
15照樣,他也必使多國的人驚異,君王要因他閉口不言,因為從未向他們述說過的事,他們必看見;他們從未聽過的,他們要明白。