Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

54

1[Ny hanitarana ny Fiangonana, sy ny voninahitra ho azony] Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
1耶和華對以色列的愛不能生育、沒有生養過孩子的啊!你要歡呼。沒有生產過的啊!你要發聲歡呼,高聲呼喊。因為棄婦比有夫之婦有更多兒子。這是耶和華說的。
2Halalaho ny itoeran'ny lainao, ary aoka hohenjanina ny ambain-dainao, ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao;
2要擴張你帳幕的地方,伸展你居所的幔子,不要限制;要拉長你的繩索,堅固你的橛子。
3Fa hitatra any amin'ny ankavanana sy any amin'ny ankavia ianao, ary ny taranakao hahazo ny jentilisa, ka dia hasiany mponina ny tanàna lao.
3因為你要向南向北擴展,你的後裔必佔有列國之地,又使荒廢了的城鎮有人居住。
4Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
4不要懼怕,因為你必不致蒙羞;也不要抱愧,因為你必不致受辱,你必忘記你幼年時的羞愧,也不再記念你寡居時的恥辱。
5Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany; Ary ny Iray Masin'ny Isiraely no Mpanavotra anao, Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
5因為造你的,就是你的丈夫;萬軍之耶和華是他的名;救贖你的,就是以色列的聖者;他被稱為全地的 神。
6Fa Jehovah efa nampody anao, izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy, ary tahaka ny vady efa novadina hatry ny fony mbola tanora, fa efa napetraka, hoy Andriamanitrao. [Heb.niantso]
6因為耶和華召喚你,如同召喚被離棄、心靈憂傷的妻子,就是幼年時所娶卻被棄絕的妻子;這是你的 神說的。
7Indray mipi-maso monja no nahafoizako anao; fa amin'ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao.
7我只是暫時離棄你,卻以極大的憐憫把你招聚回來。
8Tamin'ny firehetan'ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipi-maso monja, fa amin'ny famindram-po mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy Jehovah, Mpanavotra anao.
8在怒氣漲溢的時候,我暫時向你掩面,卻要以永遠的慈愛憐憫你;這是耶和華你的救贖主說的。
9Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon'i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon'i Noa. Dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
9這事對我就好像挪亞時代的洪水一般;我怎樣起誓不再使挪亞時代的洪水漫過大地,我也照樣起誓不向你發怒,也不斥責你。
10Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
10雖然大山可以挪開,小山可以遷移,但我的慈愛必不從你身上挪開,我和平的約也必不遷移;這是憐憫你的耶和華說的。
11Hianao, ry ory izay afotofoton'ny tafiodrivotra sady tsy manana fampiononana, indro, Izaho handatsaka ny vatonao amin'ny antimony sy hanorina ny fanambaninao amin'ny safira,
11耶路撒冷將來的景況受困苦、被風飄蕩、不得安慰的啊!你看,我要用彩色的石頭安置你的基石,以藍寶石奠定你的根基。
12Hataoko robina ny tilikambo madinikao, sy karbonkolo ny vavahadinao, ary vato soa ny faritaninao manodidina.
12又用紅寶石做你的城樓,用紅玉做你的城門,用各種寶石做你四周的圍牆。
13Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin'i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan'ny zanakao.
13你所有的兒女都必受耶和華的教導,你的兒女必大享平安。
14Amin'ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany. [Heb. Manalavira]
14你必因公義得以堅立;你必遠離欺壓,你必無所懼怕;你也必遠離驚嚇,因為驚嚇必不會臨近你。
15Na dia misy miara-mioko aza, dia tsy avy amiko izany; ary na iza na iza miara-mioko hamely anao dia ho tonga hiandany aminao kosa. [Na: ho lavo noho ny aminao]
15看哪!必有人起來攻擊你,但那不是出於我;攻擊你的,必因你仆倒。
16Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin'ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana. [Na: fiadiana araka ny asany]Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
16看哪!那吹炭火、打造出合用武器的鐵匠,是我創造的;那殘害人、行毀滅的,也是我創造的。
17Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
17為攻擊你而製成的武器,都沒有效用;在審判的時候興起來與你爭辯的舌頭,你都必定它為有罪。這是耶和華眾僕人的產業,他們的義是從我而得;這是耶和華說的。