Malagasy

聖經新譯本

Isaiah

55

1[Fiantsoana ny olona rehetra handray ny fahavoavan'Andriamanitra] He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
1 神白白的恩惠唉!口渴的人哪!你們都就近水來吧。沒有銀錢的,你們也要來,買了就吃。你們要來,買酒和奶,不用銀子,也不用付代價。
2Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.[Na: mandanja]
2你們為甚麼用銀子去買那不是食物的呢?為甚麼用你們勞碌得來的去買那不能使人飽足的呢?你們要留心聽我的話,就可以吃美物,使你們的心靈享受肥甘。
3Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida.
3你們要側耳而聽,要到我這裡來;你們要聽,就可以存活;我必與你們立永遠的約,就是應許賜給大衛的那確實的慈愛。
4Indro, nataoko vavolombelona ho an'ny firenena Izy, ho mpanapaka sy komandy amin'ny firenena.
4看哪!我已經立了他作萬族的見證人,為萬族的首領和司令。
5Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
5看哪!你要召聚你不認識的國;那些素來不認識你的國也必奔向你,都因耶和華你的 神、以色列的聖者的緣故,因為他已經榮耀了你。
6Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
6 神言出必行你們要趁著耶和華可以尋找的時候,尋找他,趁著他靠近的時候,呼求他。
7Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
7惡人要離棄自己的道路,不義的人當除去自己的意念,回轉過來歸向耶和華,耶和華就必憐憫他。你們當回轉過來歸向我們的 神,因為他大大赦免人的罪。
8Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
8耶和華說:“我的意念不是你們的意念,你們的道路也不是我的道路。
9Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
9天怎樣高過地,我的道路也怎樣高過你們的道路,我的意念也怎樣高過你們的意念。
10Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an'ny mpamafy sy hanina ho an'ny mpihinana, [Heb; nampiteraka]
10雨雪怎樣從天上降下來,不再返回天上,卻灌溉大地,使地上的植物發芽結實,使撒種的有種子,吃的人有糧食;
11Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
11從我的口所出的話也必這樣,必不徒然返回我這裡,卻要作成我所喜悅的,使它在我差遣它去作的事上必然亨通。
12Fa amin'ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin'ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. [myrta]
12你們必歡歡喜喜出來,平平安安蒙引導;大山小山都必在你們面前發聲歡呼,田野所有的樹木也都拍掌。
13Ny hazo kypreso haniry ho solon'ny tsilo, ary ny rotra ho solon'ny sampivato; ary ho anarana ho an'i Jehovah izany, dia ho famantarana mandrakizay izay tsy hesorina. [myrta]
13松樹要長起來代替荊棘,番石榴要長起來代替蒺藜。這要為耶和華留名,作永遠不能廢掉的記號。”