1Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo. [Na: noho ny ratsy]
1以色列拜偶像受譴責義人死亡,沒有人放在心上;虔誠人去世,也沒有人明白;義人去世,是脫離了禍患。
2Miditra amin'ny fiadanana izy, mandry amin'ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin'ny hitsiny.
2行事為人正直的,死後必得進入平安,在他們的墳墓裡享安息。
3Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin'olona sy ny mpijangajanga.
3但你們這些巫婦的兒子,姦夫和妓女的後裔啊!你們都走近這裡行姦淫吧!
4Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga? [Na: zanaky ny fijangajangana]
4你們戲弄誰呢?你們張大嘴巴,伸長舌頭戲弄誰呢?你們不是悖逆的孩子嗎?不是虛謊的後裔嗎?
5Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin'ny hazo terebinta eny ambanin'ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin'ny tsefatsefaky ny harambato. [Na: amin'ny sampy]
5你們在橡樹林中,在青翠樹下慾火焚心;在山谷間,在巖穴裡,宰殺自己的孩子作祭牲。
6Ao amin'ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin'izany va Aho?
6在山谷中光滑的石頭裡有你的分;只有它們是你所要得的分!你也向它們澆了奠祭,獻上了供物。這些事我豈能容忍不報復呢?
7Teo an-tampon'ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
7你在高高的山上安設你的床榻,又上到那裡去獻祭。
8Teo ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin'izay hataon'ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.[Na: Ary nojerenao ny famantarana (Heb. tanana)]
8你在門後,在門框後,安設了外族神的記號;你遠離了我,裸露了自己,就上床去,又擴張你的床,你也與他們立約;你愛他們的床,看他們的下體(“下體”原文作“手”)。
9Dia nivezivezy nankany amin'ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin'ny fiainan-tsi-hita ianao. [Na: nihosotra][Na: nietry][Heb. Sheola]
9你帶著油走到君王那裡,並且加多了你的香料,差派使者到遠方去,你甚至自己下到陰間去!
10Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
10你因路途遙遠而困乏,卻不說:“沒有希望了!”因為你找著了生命的力量,所以你不覺得疲倦。
11Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
11你怕誰?你因誰而懼怕,以致你對我說謊呢?你不記念我,也不把我放在心上,是不是因為我長久緘默,你就不懼怕我呢?
12Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
12我要說明你的公義和你所作的,但它們都必與你無益。
13Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan'ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan'ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
13你呼求的時候,讓你所收集的偶像拯救你吧!但一陣風要把它們全都颳走,一口氣要把它們全部吹去。然而那投靠我的,必承受地土,得著我的聖山作產業。
14Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan'ny oloko.
14謙卑者與作惡者的分別必有人說:“你們要填高,要填高,要修平道路;把障礙物從我子民的路上除掉。”
15Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo;
15因為那至高無上、永遠存在、他名為聖的這樣說:“雖然我住在至高至聖的地方,卻與心靈痛悔和謙卑的人同在,要使謙卑人的靈甦醒,也使痛悔人的心甦醒。
16Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko. [Heb. fofonaina]
16我必不永遠爭辯,也不長久發怒,因為這樣,人的靈,就是我所造的人,在我面前就要發昏。
17Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.
17因他貪婪的罪孽,我發怒了;我擊打他,向他掩面,並且發怒,他仍然隨著自己的心意背道。
18Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin'ny malahelo ao aminy,
18他的道路,我看見了,我卻要醫治他,引導他,把安慰賞賜他和他的哀悼者。
19Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
19我創造嘴唇的果子:平安,平安,歸給遠處的人,也歸給近處的人。”耶和華說:“我要醫治他。”
20Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
20惡人卻像翻騰的海,不能平靜,海中的水不住翻起污穢和淤泥來。
21Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
21我的 神說:“惡人必沒有平安。”