1[Ny fivavahana marina, sy ny fivavahana tsy izy] Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an'ny anjomara, ka ambarao amin'ny oloko ny fahadisoany Ary amin'ny taranak'i Jakoba ny fahotany;
1禁食的真正意義你要張開喉嚨呼叫,不可停止;你要提高聲音,像吹號角一樣;你要向我子民宣告他們的過犯,向雅各家陳明他們的罪惡。
2Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan'andro isan'andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik'Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian'Andriamanitra. [Na: Sy fifaliany hanakaiky an']
2他們天天尋求我,樂意明白我的道路,好像行義的國民,不離棄他們 神的公理;他們向我求問公義的判語,又喜歡親近 神。
3Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao ? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin'ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo. [Heb. hitanareo][Na: Ary mbola arosonareo fatratra ihany sy asanareo]
3他們說:“為甚麼我們禁食,你不看呢?為甚麼我們刻苦己身,你不理會呢?”看哪!你們在禁食的日子,仍然追求自己喜歡作的事,欺壓為你們作工的人。
4Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton'ny ifadianareo ary ny hamely amin'ny totohondrin'ny faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin'ny avo.
4看哪!你們禁食,結果是吵鬧和打架,用兇惡的拳頭打人;你們不要像今天這樣的禁食,使你們的聲音可以聽聞於天上。
5Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian'ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan'i Jehovah?
5使人刻苦自己的日子,這樣的禁食是我揀選的嗎?難道只是叫人垂頭像一根葦子,用麻布和爐灰鋪在下面嗎?你可以稱這是禁食,為耶和華所悅納的日子嗎?
6Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
6我所揀選的禁食不是這樣嗎?不是要鬆開兇惡的鎖鍊,解開軛上的繩索,使被壓迫的獲得自由,折斷所有的軛嗎?
7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao ianao? [Heb. hiery ny nofonao]
7不是要把你的食物分給飢餓的人,把流浪的窮困人接到你的家裡,見到赤身露體的,給他衣服蔽體,不可逃避自己的骨肉而不顧恤嗎?
8Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan'ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr'i Jehovah ho vodi-lalanao
8這樣,你的光就必突然發出,像黎明的曙光,你的傷口就必快快復原;你的公義就必行在你的前面,耶和華的榮耀要作你的後盾。
9Ary amin'izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan'ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
9那時,你求告,耶和華必應允;你呼求,他必說:“我在這裡!”你若從你中間除掉欺壓人的軛,除去指責人的指頭和惡毒的言語,
10Ary afoinao ho an'ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin'ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
10你的心若顧念飢餓的人,使困苦的人得到飽足,你的光就必在黑暗中升起來,你的幽暗必如日中天。
11Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin'ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
11耶和華必常常引導你,在乾旱之地使你的心靈飽足,使你的骨頭堅強有力;你必像有水源澆灌的園子,又像水流不絕的泉源。
12Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany.
12你的子孫必重建久已荒廢之處,你必重建歷代拆毀了的根基;你要稱為修補破口的人,重修路徑給人居住的人。
13Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana, [Na: Azy]Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
13守安息日的福樂“因安息日的緣故,你若轉離你的腳步;在我的聖日不作你喜歡作的;你若稱安息日為可喜樂的,稱耶和華的聖日為可尊重的;你若尊重這日,不作自己的事,不尋求自己所喜悅的,或不說無謂的話,
14Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao, sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao; Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
14你就必以耶和華為樂,我要使你乘駕地的高處,用你祖雅各的產業餵養你。”這是耶和華親口說的。