1[Ny amin'ny ota, izay efitra fisarahana, sy ny fandravana azy] Indro, ny tànan'i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare;
1先知譴責人民的罪看哪!耶和華的手不是縮短了,以致不能拯救;他的耳朵不是不靈,不能聽見;
2Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
2而是你們的罪孽使你們與你們的 神隔絕;你們的罪惡使他掩面不顧你們,不聽你們的禱告。
3Fa ny tananareo dia voaloto amin'ny rà, ary ny rantsan-tananareo amin'ny heloka; ny molotrareo miteny lainga, ny lelanareo mibedibedy faharatsiana.
3因為你們的手沾滿了血,你們的指頭被罪孽玷污,你們的嘴唇說虛謊的話,你們的舌頭講出兇言。
4Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.
4沒有人按公義求告,沒有人憑誠實爭辯;他們都倚靠虛無,說虛謊的話;所懷的是毒害,所生的是罪孽。
5Mikotrika ny atodin'ny menarana izy ary manenona ny tranon-kala; Izay homana ny atodin'ireny dia ho faty, fa raha poritra iny, dia menarana no miporitsaka avy ao.
5他們所孵化的是毒蛇的蛋,他們所結的是蜘蛛的網,吃了牠們的蛋,就一定死;蛋破了,就孵出蝮蛇來。
6Ny tranon-kalany tsy azo atao fitafiana, ary ny asany tsy mahatafy azy; ny asany dia asa fampahoriana, ary asan-doza no eo an-tànany.
6他們的網,不能作衣服,他們所作的,也不能遮蓋自己;他們所作的是罪孽的作為,他們的手裡滿是強暴的行為。
7Ny tongony miriotra ho amin'ny ratsy sy mimaona handatsaka rà marina; ny fisainany dia fisainana fampahoriana, fandravana sy fandringanana no eo amin'ny alehany.
7他們的腳奔跑行惡,他們急於流無辜人的血;他們的思想都是邪惡的思想,他們的行徑全是破壞和毀滅。
8Ny lalan'ny fiadanana tsy fantany; ary tsy misy rariny ao amin'ny alehany; lalana miolakolaka ny lalany, ka na iza na iza mandia izany dia tsy mahita fiadanana.
8平安的路,他們不認識,在他們的行徑中沒有公平;他們為自己使道路彎曲,行在其上的,都不認識平安。
9Ary noho izany dia lavitra antsika ny rariny, ary ny fahamarinana tsy mahatratra antsika; miandry ny mazava isika, nefa indro ny maizina, ary fahazavana, fa mbola ao amin'ny aizim-pito ihany no andehanantsika.
9因此,公平遠離我們,公義趕不上我們,我們指望亮光,不料,卻是黑暗。我們指望光明,卻行在幽暗中!
10Mitsapatsapa manara-drindrina tahaka ny jamba isika eny, mitsapatsapa tahaka ny tsy mana-maso; tafintohina amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny maizimaizina isika, ary eo amin'ny matanjaka dia tahaka ny maty isika. [Na: any an-efitra]
10我們摸索牆壁,好像瞎子一樣;我們摸索,如同沒有眼睛的人一般;我們在中午跌倒,有如在黃昏跌倒一樣;我們在肥壯的人中,好像死人一般。
11Isika rehetra mampierona tahaka ny bera ary mitoloko tokoa tahaka ny voromailala; miandry ny rariny isika, nefa tsy misy, ary ny famonjena, nefa lavitra antsika izany.
11我們都咆哮如熊,悲鳴像鴿子;我們等候公平,卻沒有公平;指望拯救,拯救卻離我們很遠。
12Fa efa betsaka eo anatrehanao ny fiodinanay, ary ny fahotanay miampanga anay; eny, tsaroanay ny fahadisoanay, ary ny helokay dia fantatray,
12因為我們的過犯在你面前增多,我們的罪作證控告我們,我們的過犯與我們在一起;我們知道我們的罪孽,
13Dia ny miodina sy ny mandà an'i Jehovah, ary ny miala amin'ny fanarahana an'Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po. [Heb. torontoronina]
13就是悖逆、否認耶和華,轉去不跟從我們的 神,說欺壓和背道的話,心裡懷著謊言,隨即說出來;
14Nahemotra ny rariny, ary mijanon-davitra ny hitsiny; fa tafintohina eny an-kalalahana ny fahamarinana, ary ny hitsim-po tsy mahazo miditra.
14公平被迫後退,公義站在遠處;誠實在街上跌倒,正直不能進入。
15Eny, tsy eo ny fahamarinana; ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena hobabom'ny sasany. Ary hitan'i Jehovah ny tsi-fisian'ny rariny, ka nataony fa ratsy izany;
15誠實缺乏,遠離惡事的人反成為掠物。耶和華看見了,就看這為惡事,因為一點公平也沒有。
16Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana, ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
16耶和華必拯救自己的子民他見無人行善,無人代求,就非常詫異,所以他用自己的膀臂為他施行拯救,以自己的公義扶持他。
17Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany; ary niakanjo ny akanjo famaliana Izy eny, nandray ny fahasaro-piaro ho akanjo ivelany Izy.
17他穿上公義的鎧甲,戴上救恩的頭盔,穿上復仇的衣服,披上熱心作外袍。
18Araka ny asa natao no hamaliany, dia fahatezerana mirehitra ho an'ny fahavalony, famaliana ho an'ny rafiny; ary ny nosy dia hovaliany tokoa.
18他要按照各人的行為施行報應,把烈怒降與他的敵人,把報應加給他的仇敵,向眾海島的人施行報應。
19Ary hatrany andrefana dia hatahotra ny anaran'i Jehovah ny olona ary ny voninahiny hatramin'ny fiposahan'ny masoandro; ary ny fihaviny dia ho toy ny rano maria, Ampandehanin'ny Fanahin'i Jehovah.[Na: Fa raha avy toy ny ony ny fahavalo. Ny Fanahin'i Jehovah hanangana faneva hisakana azy]
19這樣,人從日落之處必敬畏耶和華的名,從日出之地也必敬畏他的榮耀,仇敵像河水沖來的時候,耶和華的氣必向他催逼。
20Dia hisy Mpanavotra ho tonga any Ziona, Ho amin'ny Jakoba izay miala amin'ny fahadisoana, hoy Jehovah.Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
20“必有一位救贖主來到錫安,來到雅各家中那些轉離過犯的人那裡。”這是耶和華說的。
21Raha Izaho, dia izao no fanekeko aminy, hoy Jehovah: Ny Fanahiko Izay ao aminao sy ny teniko izay nataoko teo am-bavanao dia tsy hiala amin'ny vavanao, na amin'ny vavan'ny taranakao, na amin'ny vavan'ny taranaky ny taranakao, hatramin'izao ka ho mandrakizay, hoy Jehovah.
21耶和華說:“至於我,我與他們所立的約是這樣:我加在你們身上的靈和我放在你口裡的話,必不離開你的口,不離開你後裔的口,也不離開你後裔的後裔的口,從現在直到永遠;這是耶和華說的。”