1[Ny ho voninahitr'i Jerosalema amin'ny andro ho avy] Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
1耶路撒冷將來的榮光錫安哪!起來,發光,因為你的光已經來到,耶和華的榮耀已升起來照耀你。
2Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan'i Jehovah, ary aminao no isehoan'ny voninahiny.
2看哪!黑暗遮蓋大地,幽暗遮蔽萬民;但耶和華要升起來照耀你,他的榮耀要彰顯在你身上。
3Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin'ny famirapiratan'ny fiposahanao.
3萬國要在你的光中行走,列王必在你如旭日初升的光輝中行走。
4Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
4你舉目四面觀看吧!眾人都聚集,來到你那裡;你的兒子都要從遠方而來,你的女兒都必被懷抱而來。
5Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren'ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan'ny firenena.
5那時,你看見了,就必有光彩,你的心又驚訝又寬暢;因為大海的財富都必轉來歸你,列國的財富也都歸你。
6Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an'i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
6成群的駱駝必遮蓋你的地,米甸和以法的小駱駝要蓋滿你的國境;示巴的人都必帶著黃金和乳香來到,並且宣揚讚美耶和華的話。
7Ny ondry aman'osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin'i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin'ny fankasitrahana ho eo ambonin'ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon'ny voninahitro.
7基達的羊群都必聚集到你那裡,尼拜約的公羊要供你使用;牠們必獻在我的祭壇上,成為蒙悅納的祭品。我要榮耀我榮耀的殿。
8Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin'ny varavarankeliny?
8那些像雲彩飛來,像鴿子飛回巢裡的,是誰呢?
9Fa Izaho no andrasan'ny nosy, ary ny sambon'i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin'ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an'ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao sy ho an'ny Iray Masin'ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
9眾海島的人都必等候我,他施的船隊領先,把你的眾子,連他們的金銀,都一起從遠方帶來,都為了耶和華你的 神的名,又為了以色列的聖者的緣故,因為他已經榮耀了你。
10Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin'ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin'ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
10萬民必歸向 神外族人要重建你的城牆,他們的君王都必服事你。雖然我曾經在烈怒中擊打了你,現在我卻在恩典中憐憫你。
11Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren'ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
11你的城門必常常開,日夜都不關閉,使人把列國的財富帶來歸你,他們的君王也都被引導而來。
12Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
12不事奉你的邦或國,都必滅亡;那些邦國必全然荒廢。
13Ny voninahitr'i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masina, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
13黎巴嫩的榮耀必來歸你,就是松樹、杉樹和黃楊樹,都一起歸你,為要裝飾我聖所之地,我也要使我踏足之處得榮耀。
14Ny zanak'izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin'ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan'i Jehovah, Zionan'ny Iray Masin'ny Isiraely.
14那些素來苦待你的人,他們的子孫都必屈身來到你那裡;所有藐視你的,都要在你的腳下跪拜;他們要稱你為耶和華的城、以色列聖者的錫安。
15Ho solon'ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan'olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
15你曾經被撇棄、被憎恨,以致無人經過你那裡,但我要使你成為永遠被誇耀的,成為萬代的喜樂。
16Ary hinono amin'ny jentilisa ianao sady hinono amin'ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
16你要喝萬國的奶,又吮列王的乳,這樣,你就知道我耶和華是你的拯救者,是你的救贖主,雅各的大能者。
17Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.[Na: Hataoko fiadanana ny fanapahana anao ary fahamarinana ny mpampiasa anao]
17我要帶來黃金代替銅,帶來銀子代替鐵,銅代替木頭,鐵代替石頭。我要立和平作你的官長,立公義作你的監督。
18Ny fampahoriana tsy ho re eo amin'ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin'ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
18在你的國中必不再聽見強暴的事,在你的境內,也不再聽到荒廢和毀壞的事;你必稱你的城牆為“拯救”,稱你的城門為“讚美”。
19Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran'ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
19萬民之光白天太陽必不再作你的光,晚上月亮也必不再發光照耀你,耶和華卻要作你永遠的光,你的 神要作你的榮耀。
20Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
20你的太陽必不再下落,你的月亮也必不退縮;因為耶和華要作你永遠的光,你悲哀的日子必要終止。
21Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin'ny sahako. Asan'ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.
21你的人民都必成為義人,永遠得地為業;他們是我栽種的嫩芽,我手所作的工作,使我得榮耀。
22Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin'ny fotoany.
22最小的要成為一族,微弱的要成為強盛的國,我耶和華必按著定期速速作成這事。