Malagasy

聖經新譯本

James

3

1[Anatra ny amin'izay mety hataon'ny mpampianatra, indrindra fa ny tsy hanotany amin'ny lelany, ary ny toetry ny fahendrena avy any ambony] Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
1要制伏舌頭我的弟兄們,你們不應該有太多人作教師,因為知道我們作教師的將受更嚴厲的審判。
2Fa tafintohina amin'ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin'ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
2我們在許多的事上都有過錯,假如有人在言語上沒有過錯,他就是完全的人,也能夠控制全身。
3Ary raha asiantsika lamboridy amin'ny vavan'ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
3我們若把嚼環扣入馬嘴,使牠們馴服,就能駕馭牠們的全身。
4Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin'ny rivotra mahery, dia ahodin'ny familiana kely foana izy ho any amin'izay tian'ny mpitondra.
4試看,船隻雖然甚大,又被狂風催逼,舵手只用小小的舵,就可以隨意操縱。
5Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon'ny antontan-kazo arehitry ny afo kely! [ Na: ala]
5照樣,舌頭雖然是個小肢體,卻會說誇大的話。試看,星星之火,可以燎原;
6Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin'ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy; [ Gr. Gehena]
6舌頭就是火,在我們百體中,是個不義的世界,能污穢全身,把整個生命在運轉中焚燒起來,而且是被地獄之火點燃的。
7Fa folaka avokoa ny karazan'ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin'ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny; [ Gr. fomban']
7各類飛禽、走獸、昆蟲、水族,都可以馴服,而且都已經被人類制伏了;
8fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
8可是沒有人能夠制伏舌頭;它是喋喋不休的惡物,充滿了致命的毒素。
9Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik'Andriamanitra.
9我們用它來稱頌我們的主和天父,又用它來咒詛照 神的形象被造的人。
10Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
10同一張嘴竟然又稱頌主,又咒詛人;我的弟兄們,這是不應該的!
11Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany?
11同一泉眼裡能夠湧出甜水和苦水來嗎?
12Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy.
12我的弟兄們,無花果樹能結橄欖嗎?葡萄樹能長無花果嗎?鹹水也不能發出甜水來。
13Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.
13從天上來的智慧你們中間誰是有智慧、有見識的呢?他就應當有美好的生活,用明智的溫柔,把自己的行為表現出來。
14Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. [ Gr. mangidy]
14如果你們心中存著刻薄的嫉妒和自私,就不可誇口,也不可說謊抵擋真理。
15Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an'ny demonia.
15這種智慧不是從天上來的,而是屬地的、屬血氣的和屬鬼魔的。
16Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
16因為凡有嫉妒和自私的地方,就必有擾亂和各樣的壞事。
17Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy. [ Na: miangatra]Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana. [ Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana]
17至於從天上來的智慧,首先是純潔的,其次是和平的,溫柔的,謙遜的,滿有恩慈和善果,沒有偏袒,沒有虛偽。
18Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana. [ Na: Izay mampandroso ny fihavanana no mamafy ny vokatry ny fahamarinana amin'ny fihavanana]
18這是締造和平的人,用和平所培植出來的義果。