Malagasy

聖經新譯本

James

4

1[Fananarana ny tia ady sy ny mpisintaka sy ny manendrikendrika ary ny tsy manaiky ny fitondran'Andriamanitra] Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin'ny momba ny tenanareo?
1與世俗為友就是與 神為敵你們中間的爭執和打鬥是從哪裡來的呢?不是從你們肢體中好鬥的私慾來的嗎?
2Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka. [Na: mialona]
2你們放縱貪慾,如果得不到,就殺人;你們嫉妒,如果一無所得,就打鬥爭執。你們得不到,因為你們不求;
3Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.
3你們求也得不到,因為你們的動機不良,要把所得的耗費在你們的私慾上。
4Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.
4淫亂的人哪,你們不知道與世俗為友,就是與 神為敵嗎?所以與世俗為友的,就成了 神的仇敵。
5Ary ataonareo va fa miteny foana ny Soratra Masina? Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika dia iriny amin'ny fahasaro-piaro. [ Na: ny Soratra Masina hoe] [ Na: izay mitoetra ato anatintsika] [ Na: Ny Fanahy, Izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fahasaro-piaro; na: Ny fanahy, izay nampitoeriny ato anatintsika, dia maniry amin'ny fialonana]
5聖經說:“ 神愛他那安置在我們裡面的靈,愛到嫉妒的地步”(或譯:“ 神安置在我們裡面的靈,愛到嫉妒的地步”),你們想這話是徒然的嗎?
6Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: "Andriamanitra manohitra ny mpiavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34].
6但 神所賜的恩更大;所以聖經上說:“ 神抵擋驕傲的人,賜恩給謙卑的人。”
7Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
7你們應當順服 神,抵擋魔鬼,魔鬼就逃避你們。
8Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
8你們應當親近 神, 神就親近你們。罪人啊,要潔淨你們的手;三心兩意的人哪,要清潔你們的心。
9Oria, sy mitomania, ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo, ary hody fanjoretana ny fifalianareo.
9你們要愁苦、悲哀、哭泣,把歡笑變為傷痛,把快樂變為憂愁。
10Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.
10你們務要在主面前謙卑,他就使你們高升。
11Aza mifanaratsy, ry rahalahy. Izay manaratsy rahalahy na mitsara ny rahalahiny dia manaratsy ny lalàna sy mitsara ny lalàna; fa raha mitsara ny lalàna ianao, dia tsy mpankatò ny lalàna, fa mpitsara.
11不可彼此批評弟兄們,不要互相毀謗;人若毀謗弟兄,或判斷弟兄,就是毀謗律法、判斷律法了。如果你判斷律法,就不是實行律法的人,而是審判官了。
12Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
12立法的,審判的,只有一位,就是那能拯救人,也能毀滅人的 神;你這判斷鄰舍的,你是誰呢?
13He! ianareo izay manao hoe: Anio na ampitso dia hankany Ananona izahay ary hitoetra any herintaona ka hividy sy hivarotra ary hahazo tombom-barotra,
13不可自誇自恃你們說:“今天或明天,我們要到某城去,在那裡住一年,作生意賺錢。”
14kanefa tsy mahalala ny ho ampitso ianareo. Inona moa ny ainareo? Fa zavona ihany ianareo, izay miseho vetivety, dia levona.
14其實明天怎樣,你們並不知道。你們的生命是甚麼呢?你們本來是過眼雲煙,轉瞬之間就消逝了。
15Fa aleo manao izao: Raha sitrapon'ny Tompo, ka velona izahay, dia hataonay izao na izany.
15你們倒不如說:“主若願意,我們就可以活著,作這事或作那事。”
16Fa izao dia mirehareha amin'ny fahasahianareo ianareo; ratsy ny fireharehana rehetra toy izany.Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
16但現在你們竟然張狂自誇;這一切自誇,都是邪惡的。
17Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.
17人若知道該行善事,卻不去行,這就是他的罪了。