1[Fanamelohana ny mpanankarena ratsy fanahy] He! ianareo manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ny fahoriana izay efa manjo anareo.
1警告不義的有錢人你們富有的人哪,應當為那將要臨到你們的災禍哭泣哀號。
2Ny harenareo efa simba, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao.
2你們的財物朽壞了,你們的衣服給蛀了,
3Ny volamena sy ny volafotsinareo dia efa harafesina; ary ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo sady handany ny nofonareo tahaka ny afo. Efa namory harena amin'ny andro farany ianareo.
3你們的金銀生鏽,這鏽要成為控告你們的鐵證,又要像火一樣吞吃你們的肉。你們竟然在這末世積聚財寶。
4Indro, ny karaman'ny mpiasa nijinja ny taninareo, izay hazoninareo, dia mitaraina; ary ny fitarainan'ny mpijinja dia efa tafiditra amin'ny sofin'ny Tompon'ny maro.
4看哪,工人為你們收割莊稼,你們竟然剋扣他們的工資;那工資必為他們呼冤;收割者的呼聲,已經達到萬軍之主的耳中了。
5Efa velona tamin'ny fy tetỳ ambonin'ny tany ianareo sady nanaram-po tamin'ny fahafinaretana; efa namahy ny fonareo tamin'ny andro hamonoana ianareo.
5你們在世上窮奢極侈,養肥了自己,竟不知屠宰的日子到了。
6Efa nanameloka namono ny marina ianareo; fa tsy manohitra anareo izy. [ Na. Ilay marina . . . Izy]
6你們把義人定罪殺害,但他並沒有反抗。
7[Toky ho an'ny Kristiana azom-pahoriana, sy anatra samy hafa] Ary amin'izany dia mahareta tsara, ry rahalahy, mandra-pihavin'ny Tompo. Indro, ny mpiasa tany miandry ny voka-tsoa amin'ny tany ka maharitra amin'izany mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
7忍耐的人有福了所以,弟兄們,你們應當忍耐,直到主來。看哪,農夫等待著地裡寶貴的出產,為它忍耐,直到獲得秋霖春雨。
8Mahareta koa ianareo, mampahereza ny fonareo, fa efa mby akaiky ny fihavian'ny Tompo.
8你們也應當忍耐,堅定自己的心;因為主再來的日子近了。
9Aza mifampimonomonona, ry rahalahy, fandrao hohelohina ianareo; Indro, ny Mpitsara efa mitsangana eo anoloan'ny varavarana.
9弟兄們,不要彼此抱怨,免得你們受審判。看哪,審判的主已經站在門前了。
10Ry rahalahiko, aoka ny mpaminany izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo no halainareo ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy ny faharetana.
10弟兄們,你們應當效法奉主的名說話的先知,以他們為受苦忍耐的榜樣。
11Indro, ataontsika fa sambatra izay efa naharitra. Efa renareo ny faharetan'i Joba ary efa hitanareo ny faran'ny nataon'ny Tompo taminy, fa miantra indrindra ny Tompo sady be famindram-po.
11看哪,那些忍耐的人,我們稱他們是有福的;你們聽過約伯的忍耐,也看見了主賜給他的結局,知道主是滿有憐憫和仁慈的。
12Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.
12我的弟兄們,最要緊的是不可起誓:不可指著天起誓,也不可指著地起誓,任何的誓都當禁絕。你們的話,是就說是,不是就說不是;免得你們落在審判之下。
13Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana.
13義人的祈禱大有功效你們中間有人受苦嗎?他就應該禱告。有人心情愉快嗎?他就應該歌頌。
14Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [ Gr. presbytera] [ Gr. eklesia]
14你們中間有人患病嗎?他就應該請教會的長老來,讓他們奉主的名為他抹油祈禱。
15ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
15出於信心的祈禱,可以使病人康復,主必叫他起來;他若犯了罪,也必蒙赦免。
16Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
16所以你們應當彼此認罪,互相代求,這樣你們就可以痊愈。義人祈禱所發出的力量,是大有功效的。
17Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana.
17以利亞是與我們性情相同的人;他懇切祈求不要下雨,地上就三年零六個月沒有雨;
18Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.
18他又祈禱,天就下雨,地就生出土產來。
19Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampibebaka azy,aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
19我的弟兄們,你們中間若有人被騙離開了真道,如果有人使他回頭,
20aoka ho fantany fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny lalan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be.
20你們應該知道,那使罪人從歧途上轉回的,就會拯救他的靈魂脫離死亡,也會遮蓋許多罪惡。