1Ny fahotan'ny Joda dia voasoratra tamin'ny fanoratana sy tamin'ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin'ny vato fisaka sy eo amin'ny tandroky ny alitarany izany,[Heb. alitaranareo]
1猶大的罪觸怒 神“猶大的罪是用鐵筆銘記的,是用金鋼鑽刻在他們的心版上,和他們(“他們”有古抄本作“你們”)祭壇的角上。
2Dia amin'izay hahatsiarovan'ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin'ny hazo maitso, ambonin'ny havoana andrandraina.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
2他們的兒女也懷念著那些在各高岡上、在繁茂樹旁的祭壇和亞舍拉。
3Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin'ny faritaninao rehetra.
3我在田野的山哪!因你在四境之內所犯的罪,我必把你的財產、一切寶物和你的邱壇,給敵人作掠物。(本節或譯:“因你在四境之內所犯的罪,我必把我在田野的山、你的財產、一切寶物和你的邱壇,給敵人作掠物。”)
4Ary avy amin'ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay.[Heb. fa misy afo narehitrareo tamin'ny fahatezerako]
4因你自己的緣故,我賜給你的產業,你必失掉;我必使你在你不認識的地方,服事你的仇敵;因為你們惹起我的怒火,我的怒火必燃燒到永遠。”
5[Ny amin'ny fahatokiana olona sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, ary ny vavaka nataon'i Jeremia nangatahany famonjena] Izao no lazain'i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin'i Jehovah ny fony.
5靠主得福耶和華這樣說:“倚靠世人,恃憑肉體為自己的力量,心裡偏離耶和華的,這人該受咒詛。
6Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin'ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin'ny tany sira izay tsy onenana.[Na: ny anjavidy]
6他必像沙漠中的灌木,福樂來到,他也必看不見,卻要住在曠野乾旱之地、無人居住的鹹地。
7Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah, dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
7但倚靠耶和華,以耶和華為他所信賴的,這人是有福的。
8Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany.
8他必像一棵樹,栽種在水邊,樹根伸進河裡;炎熱來到,並不害怕,樹葉仍然繁茂;在荒旱之年,它不掛慮,並且不斷結果子。”
9Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy?
9人心詭詐,求主鑒察人心比萬物都詭詐,無法醫治;誰能識透呢?
10Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany
10“我耶和華是察透人心,試驗人肺腑的,要照著各人的行為,和各人所作的事應得的結果報應各人。”
11Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin'ny rariny: Handao azy amin'ny an-tenatenan'androny izany, ka ho adala no farany.[Na: Hilaozan'izany eo an-tenatenan'androny izy]
11使用不公正的方法發財的,就像一隻鷓鴣孵了不是自己所生的蛋;到了中年,那財富必離開他,最後他必成為一個愚昧人。
12Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin'ny voalohany ny fitoera-masintsika.
12我們的聖所是榮耀的寶座,從起初就矗立在高處。
13Ry Jehovah, Fanantenan'ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin'ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an'i Jehovah, loharano velona.[Heb. amiko]
13耶和華以色列的盼望啊!離棄你的,都必蒙羞;偏離你(“你”原文作“我”)的,他們的名字必寫在沙土上,因為他們離棄了耶和華這活水的源頭。
14Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako.
14耶和華啊!求你醫治我,我就得醫治;求你拯救我,我就得拯救;因為你是我所讚美的。
15Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin'i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany.
15看哪!他們常常對我說:“耶和華的話在哪裡?使它應驗(“應驗”原文作“來”)吧!”
16Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian'ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin'ny molotro dia miharihary eo anatrehanao.
16至於我,我沒有急忙離棄那跟從你作牧人的職分(“我沒有急忙離棄那跟從你作牧人的職分”有古譯本作“我沒有催逼你降災禍”),也沒有想望災難的日子,這是你知道的;我嘴裡所出的話都在你面前。
17Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin'ny andro fahoriana Hianao!
17求你不要使我因你驚恐,在災禍的日子,你是我的避難所。
18Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy.
18願那些迫害我的蒙羞,卻不要叫我蒙羞;願他們驚恐,卻不要使我驚恐;求你使災禍的日子臨到他們,加倍毀滅他們。
19[Ny amin'ny hanamasinana ny Sabata] Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin'ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan'ny mpanjakan'ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin'ny vavahady rehetra eto Jerosalema
19謹守安息日耶和華對我這樣說:“你去站在猶大列王出入的城門(“城門”原文作“人民城門”),又站在耶路撒冷的各城門口,
20ka lazao amin'ny olona hoe: Henoinareo ny tenin'i Jehovah ry mpanjakan'ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin'ireto vavahady ireto.
20對他們說:‘耶路撒冷諸王、猶大眾民和所有進入這些城門的猶大居民哪!你們要聽他耶和華的話。
21Izao no lazain'i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin'ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin'ny vavahadin'i Jerosalema;
21耶和華這樣說:為了自己的性命,你們要謹慎,不可在安息日挑擔子,不可挑進耶路撒冷的城門。
22ary aza mitondra entana mivoaka avy amin'ny tranonareo amin'ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo.
22也不可在安息日從你們家裡挑擔子出來;甚麼工都不可作,卻要守安息日為聖日,正如我吩咐你們列祖的。
23Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra.
23你們的列祖卻沒有聽從,毫不在意,反而硬著頸項不肯聽,不受管教。’”
24Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin'ny vavahadin'ity tanàna ity amin'ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin'izany,
24耶和華宣告說:“但如果你們真心聽從我,不在安息日挑擔子進入這城的城門,並且守安息日為聖日,在那日不作任何工作;
25izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hiditra amin'ny vavahadin'ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity.
25這樣,就必有坐大衛王位的列王,並有眾領袖隨著,進入這城的城門;列王和眾領袖乘著車,騎著馬,跟猶大人和耶路撒冷的居民一同進入這城。這城必永遠有人居住。
26Ary ho avy ny olona avy amin'ny tanànan'ny Joda sy ny manodidina an'i Jerosalema sy ny tanin'ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah.[Heb. Sefela]Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.
26必有人從猶大的各城和耶路撒冷周圍的各處,從便雅憫地、低地、山地和南地而來;他們帶著燔祭、平安祭、素祭、乳香和感恩祭到耶和華的殿裡去。
27Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin'ny vavahadin'i Jerosalema ihany amin'ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema.
27但如果你們不聽從我,不守安息日為聖日,仍在安息日挑擔子,進入耶路撒冷的城門;這樣,我就必在耶路撒冷的各城門點起火來,燒毀耶路撒冷的堡壘,沒有人能夠撲滅。”