1[Fanoharana ny amin'ny tanimanga sy ny mpanefy, ary ny anatra manaraka izany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
1陶匠製造陶器的比喻耶和華有話臨到耶利米,說:
2Mitsangàna, ka midina ho any amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga, ary any no hampandrenesako anao ny teniko.
2“起來,下到陶匠的家裡去,在那裡我要使你聽到我的話。”
3Dia nidina tany amin'ny tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary, indro, nanao ny asany teo amin'ny ankodina fanaovana izy.
3我就下到陶匠的家裡去,見他正在轉盤旁工作。
4Ary raha simba ny vilany ataony araka izay mazàna miseho amin'ny tanimanga eny an-tànan'ny mpanefy dia ataony vilany hafa indray, araka izay tian'ny mpanefy tanimanga hanaovana azy.
4陶匠用他手中的泥所做的器皿壞了,他就用這泥再做別的器皿,照著自己的意思去作。
5Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe :
5於是耶和華的話臨到我,說:
6Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon'ity mpanefy tanimanga ity va Aho, ry taranak'i Isiraely? hoy Jehovah. Indro, toy ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy azy, dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry taranak'Isiraely.
6“以色列家啊!難道我不能待你們像這陶匠所作的一樣嗎?”這是耶和華的宣告。“看哪!泥在陶匠的手中怎樣,以色列家啊!你們在我的手中也必怎樣。
7Vetivety Aho dia milaza firenena sy fanjakana hongotako sy hazerako ary horavako;[Heb. indray mipi-maso]
7我甚麼時候宣布要拔出、拆毀、毀滅一邦或一國,
8Nefa raha miala amin'ny ratsy izany firenena noteneniko izany, dia hanenenako kosa ny loza izay nokasaiko hamelezako azy.
8如果我論到的那一邦轉離他們的惡行,我就必回心轉意,不把我原定的災禍降給他們。
9Ary vetivety kosa Aho dia milaza firenena sy fanjakana haoriko sy hamboleko;
9同樣,我甚麼時候宣布要建立、栽植一邦或一國,
10Nefa raha manao izay ratsy eo imasoko izy ka tsy mihaino ny feoko, dia hanenenako kosa ny soa izay nolazaiko hanasoavako azy.
10如果他們行我眼中看為惡的事,不聽從我的話,我就必回心轉意,不把我應許的好處賜給他們。
11Koa amin'izany, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina eto Jerosalema hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho mamorona loza hihatra aminareo ary mihevitra izay hamelezako anareo; Koa samia miala amin'ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo.
11“現在你要對猶大人和耶路撒冷的居民說:‘耶和華這樣說:看哪!我正在製造災禍對付你們,擬定計劃懲罰你們。你們各人要回轉,離開自己的惡道,改正你們的行徑和作為。’
12Nefa hoy ireo: Kivy izahay izany! Fa mbola hanaraka ny hevitray ihany izahay, eny, samy hanao araka ny ditry ny fo ratsinay avy izahay rehetra.
12他們卻說:‘沒用的!我們要隨著自己的計劃而行,各人要按著自己頑梗的惡心行事。’”
13Koa izao no lazain'i Jehovah: anontanio any amin'ny jentilisa hoe: Iza no nandre zavatra toy izany? Zavatra mahatsiravina indrindra no nataon'Isiraely virijina.
13棄絕 神的必遭棄絕因此耶和華這樣說:“你們問一問列國,有誰聽見過像這樣的事呢?童女以色列竟行了一件非常駭人的事。
14Hitsahatra tsy ho eo amin'ny vatolampy any an-tsaha va ny oram-panalan'i Libanona, ary mety ho ritra va ny rano maria sady mangatsiaka avy amin'ny tany hafa?
14黎巴嫩山上巖石的積雪融化過嗎?從遠處流下清涼的溪水乾涸過嗎?
15Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an'ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin'ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin'ny sakeli-dalana madinika, dia amin'ny lalana tsy voavoatra,[Heb; zava-poana]
15但我的子民竟忘記我,向虛無的偶像燒香,以致他們在自己的路上、在古道上絆倒,行走小路,不是修建過的大道。
16Mba hahatonga ny taniny ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra mandrakizay; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sy hihifikifi-doha.
16他們的土地變為荒涼,成為永遠被人嗤笑的對象;經過這地的,都必驚駭搖頭。
17Toy ny fampielin'ny rivotra avy any atsinanana no hampielezako azy eo anoloan'ny fahavalony; Hiamboho azy Aho, fa tsy hanatrika azy, amin'ny andro hahitany loza.
17在他們的敵人面前,我要像東風吹散他們;在他們遭難的日子,我必使他們只見我的背,不見我的面。”
18[Ny nitadiavan'ny olona hamely an'i Jeremia, sy ny vavaka nataon'i Jeremia tamin'izany] Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an'i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin'ny mpisorona, na ny saina avy amin'ny hendry, na ny teny avy amin'ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.[Heb. lelantsika]
18耶利米求 神對付敵人他們說:“來吧!我們來設計對付耶利米;因為祭司的律法、智慧人的謀略、先知的話都不會斷絕。來吧!我們用舌頭攻擊他,不理會他的一切話。”
19Mihainoa ahy, Jehovah ô; Ary mihainoa ny tenin'izay miady amiko
19耶和華啊!求你傾聽我的申訴,聽那些指控我的人的聲音。
20Ratsy va no havaly ny soa? Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anatrehanao nitaraina ho azy hampiala ny fahatezeranao aminy.
20良善的應得惡報嗎?他們竟然挖陷坑害我。求你記念我怎樣站在你面前,為他們說好話,使你的烈怒離開他們。
21Koa aoka ho mosarena ny zanany, ary atolory ho amin'ny herin'ny sabatra izy, ka ho foana anaka ny vadiny sady ho tonga mpitondratena; Ary aoka ny lehilahy lehibe aminy haripaky ny aretina, ary ny zatovony ho fatin-tsabatra amin'ny ady.
21因此,願你使他們的兒女遭受饑荒,把他們交給刀劍(“刀劍”原文作“刀劍的手”);願他們的妻子喪夫失子;願他們的男人被殺死,他們的壯丁在戰場上被刀劍擊殺。
22Aoka hisy fidradradradrana ho re ao an-tranony, raha mitondra miaramila iray toko any aminy tampoka Hianao; Fa efa nihady lavaka hamandrihana ahy izy sady nanafim-pandrika haningorana ny tongotro.Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.
22你使侵略者忽然臨到他們的時候,願人從他們的屋裡聽見呼救聲;因為他們挖陷坑要捉拿我,埋藏網羅要絆我的腳。
23Fa Hianao, Jehovah ô, no mahalala ny fisainana rehetra ataony hamelezany ahy ho faty; Aza avela ny helony; Ary aza vonoina tsy ho eo imasonao ny fahotany, fa aoka ho solafaka eo anatrehanao izy; Mameleza azy amin'ny andro fahatezeranao.
23耶和華啊!至於你,你知道他們要殺我的一切計謀。求你不要赦免他們的罪孽,不要從你面前塗抹他們的罪!使他們在你面前絆倒;求你在發怒的時候,對付他們。