1Ary Pasora, zanak'i Imera, mpisorona sady mpiandraikitra ny tranon'i Jehovah, raha nandre an'i Jeremia naminany izany zavatra izany,
1耶利米預言猶大被擄音麥的兒子巴施戶珥祭司,就是耶和華殿的總管,他聽見了耶利米預言這些事,
2dia namely an'i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin'ny boloky hazo izay teo am-bavahadin'i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan'ny tranon'i Jehovah.
2就毆打耶利米先知,把他枷鎖在耶和華殿裡,朝向便雅憫的上門內。
3Ary nony ampitso, dia nesorin'i Pasora tamin'ny boloky hazo Jeremia. Dia hoy Jeremia taminy: Tsy nataon'i Jehovah hoe Pasora ny anaranao, fa Magora-misabiba.[Pasora = fiadanana manodidina(?)][Magora-misabiba = Fampangorohoroana manodidina]
3次日,巴施戶珥把耶利米從枷鎖上解下來,耶利米就對他說:“耶和華不再稱你的名為巴施戶珥,卻要稱你為瑪歌珥.米撒畢(“瑪歌珥.米撒畢”意即“四圍驚慌”)。
4Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an'ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon'ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan'ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin'ny sabatra.
4因為耶和華這樣說:‘看哪!我要使你自己和你所有的朋友都驚惶失措;他們必倒在他們仇敵的刀下,你也必親眼看見。我要把全猶大交在巴比倫王手中;他要把他們擄到巴比倫去,或用刀擊殺他們。
5Ary ny harena rehetra amin'ity tanàna ity sy ny vokatry ny fisasarany rehetra sy ny zava-tsoany rehetra ary ny rakitry ny mpanjakan'ny Joda rehetra dia samy hatolotro eo an-tànan'ny fahavalony, ka dia hamabo sy haka azy ireny ary hitondra azy ho any Babylona.
5我要把這城的一切財物、一切勞碌得來的、一切珍寶和猶大列王的一切寶物,都交在他們仇敵的手中;仇敵要把這一切搶劫掠奪,帶回巴比倫去。
6Ary ianao, ry Pasora, sy izay rehetra mitoetra ao an-tranonao dia ho lasan-ko babo; ary ho tonga any Babylona ianao, ka any no hahafatesanao, ary any koa no handevenana anao mbamin'ny sakaizanao rehetra izay efa naminanianao lainga.
6巴施戶珥啊!你和所有住在你家裡的人,都要被擄去;你和你所有的朋友,就是你向他們說假預言的,都要到巴比倫去,死在那裡,也葬在那裡。’”
7[Ny fitarainana nataon'i Jeremia] Jehovah ô, notaominao aho ka voataona; Nosamborinao aho ka resinao; Tonga fihomehezana mandritra ny andro aho; Izy rehetra dia maneso ahy.
7因傳 神的信息而受苦耶和華啊!你愚弄了我,我受了愚弄;你比我強大,你勝了我。我整天成了別人譏笑的對象,人人都嘲弄我。
8Fa na oviana na oviana no itenenako, dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana! Fa ny tenin'i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan'andro.
8因為我每次發言,都大聲呼叫;我呼喊,說:“有強暴和毀滅!”耶和華的話使我整天受人辱罵和譏諷。
9Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin'ny anarany. Nefa izany dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin'ny taolako; Ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.
9如果我說:“我不再提起他,也不再奉他的名說話”,他的話就像火在我心中焚燒,被困在我的骨裡;我不能再抑制,實在不能了。
10Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.
10我聽見許多人耳語:“瑪歌珥.米撒畢!告發他,我們要告發他!”我所有的知己朋友都等著看我行差踏錯,他們說:“希望他會上當,我們就可以勝過他,向他報復。”
11Kanefa Jehovah momba ahy toy ny lehilahy mahery mahatahotra, ary noho izany dia ho tafintohina ny mpanenjika ahy ka tsy haharesy; Ho menatra indrindra izy, satria tsy hendry. Fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina izany![Na: tsy ambinina]
11但耶和華與我同在,像一個威武可畏的勇士,因此,逼迫我的都必跌倒,不能得勝。他們必大大蒙羞,因為他們失敗了;這永遠的恥辱是人不能忘記的。
12Fa Hianao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mamantatra ny marina ka mizaha toetra ny voa sy ny fo ho hitako ny famalianao azy, fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
12萬軍之耶和華啊!你試驗義人,察看人的心腸肺腑;求你讓我看見你在他們身上施行的報復,因為我已經把我的案件向你陳明了。
13Mihirà ho an'i Jehovah, miderà an'i Jehovah; Fa Izy namonjy ny fanahin'ny malahelo tamin'ny tanan'ny mpanao ratsy.
13你們要歌頌耶和華,讚美耶和華;因為他救了窮乏人的性命,脫離惡人的手。
14Ho voaozona anie ny andro izay nahaterahako! Aoka tsy hotahina anie ny andro izay niterahan'ineny ahy!
14咒詛自己的生日願我生的那一天受咒詛!願我母親生我的那一天不蒙祝福!
15Ho voaozona anie ny olona izay nitondra teny mahafaly tamin'ikaky nanao hoe: Tera-dahy ianao! Ka nahafaly azy indrindra.
15那向我父親報喜信:“你得了一個男孩”,叫我父親十分高興的,願那人受咒詛!
16Aoka Izany lehilahy izany ho toy ny tanàna izay noravan'i Jehovah ka tsy nanenenany; Ary aoka izy handre fitarainana nony maraina sy akoralava nony mitataovovonana,
16願那人像耶和華所傾覆而不顧惜的城市,願他早晨聽見哀號,午間聽見戰爭的吶喊。
17Satria tsy nahafaty ahy tany an-kibo izy, hahatonga an'Ineny ho fasako, ka hivesatra ahy mandrakariva ny kibony.Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany aman-kenatra ny androko!
17因為他沒有使我死於母腹,好使我的母親成了我的墳墓,我永遠留在母腹中。
18Nahoana re aho no nivoaka avy tany an-kibo mba hahita fahoriana sy alahelo, ka ho lany aman-kenatra ny androko!
18我為甚麼要出母胎,經歷勞苦和憂傷,並且我的年日都消逝在羞辱之中呢?