1[Ny amin'ny hahafahan'ny Kaldeana an'i Jerosalema] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an'i Pasora, zanak'i Malkia, sy Zefania, zanak'i Mahasela mpisorona, hankany aminy hanao hoe:
1預言耶路撒冷必被圍困耶和華有話臨到耶利米。那時,西底家王差遣瑪基雅的兒子巴施戶珥,和瑪西雅的兒子西番雅祭司去見耶利米,說:
2Masìna ianao, manontania amin'i Jehovah ho anay; miady aminay Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, angamba Jehovah hanao aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan'ireo aminay.
2“請你替我們求問耶和華,因為巴比倫王尼布甲尼撒來攻擊我們;也許耶和華會為我們行奇事,使尼布甲尼撒離開我們回去。”
3Dia hoy Jeremia taminy: Lazaonareo amin'i Zedekia hoe:
3耶利米就對他們說:“你們要對西底家這樣說:
4Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo, izay entinareo miady eny ivelan'ny manda amin'ny mpanjakan'i Babylona sy amin'ny Kaldeana, izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan'ity tanàna ity ireo.
4‘耶和華以色列的 神這樣說:看哪!我必使你們手中的武器,就是你們用來與城外圍困你們的巴比倫王和迦勒底人作戰的武器,轉回堆積在這城的中心。
5Ary Izaho no hiady aminareo amin'ny tanana ahinjitra sy amin'ny sandry mahery ary amin'ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.
5我必在怒氣、烈怒和忿怒中,用伸出來的手和強有力的膀臂,親自攻擊你們。
6Ary hamely ny mponina amin'ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: ho fatin'ny aretim-be mandringana izy.
6我要擊打住在這城的人和牲畜,他們都要因極大的瘟疫而死。
7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin'ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin'ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny fahavalony sy eo an-tànan'izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin'ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
7然後,我必把猶大王西底家和他的臣民,就是在這城裡經過瘟疫、刀劍之災和饑荒而倖存的人,都交在巴比倫王尼布甲尼撒和他們的仇敵,以及尋索他們性命的人的手中。尼布甲尼撒要用刀劍擊殺他們,絕不顧惜,不留情,不憐憫。’”這是耶和華的宣告。
8Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana:
8勸人民向迦勒底人投降耶和華又吩咐耶利米:“你要對這人民說:‘耶和華這樣說:看哪!我把生命的路和死亡的路擺在你們面前。
9Izay mbola mitoetra eto amin'ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona, ka ny ainy no ho babony.
9凡留在這城裡的,必因刀劍、饑荒、瘟疫而死;但出去向圍困你們的迦勒底人投降的,必可以活著,撿回自己的性命。
10Fa efa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy Jehovah; hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity ka hodoroany amin'ny afo.
10因為我已經決意向這城降禍不降福;這城必交在巴比倫王的手中,他必放火把城燒毀。’”這是耶和華的宣告。
11Ary henoy ny tenin'i Jehovah ny amin'ny taranaky ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny.
11懲罰王室“你要對猶大王室說:‘你們要聽耶和華的話。
12Ry taranak'i Davida, izao no lazain'i Jehovah: Mitsarà isa-maraina, afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny alona norobaina, fandrao mivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary mirehitra ka tsy hisy hamono noho ny faharatsian'ny ataonareo.
12大衛家啊!耶和華這樣說:你們每早晨應秉公審判,解救被搶奪的脫離欺壓者的手;免得我的烈怒因你們(“你們”有古抄本作“他們”)的惡行發作,如火焚燒,無人能熄滅。
13Indro, hohatoniko ianao, ry mponina an-dohasaha, dia eo amin'ny vatolampy amin'ny tany lemaka, hoy Jehovah, dia ianareo izay manao hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay? Ary iza no sahy hiditra ato amin'ny fonenanay?Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
13看哪!在山谷上、在巖石平原上的耶路撒冷啊!我要攻擊你。’這是耶和華的宣告。‘你們說:誰能下來攻擊我們,誰能進入我們的住處呢?
14Fa hamaly anareo araka ny vokatry ny asanareo Aho, hoy Jehovah, ary handrehitra afo ao amin'ny alany, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
14我必照著你們所作的事應得的結果懲罰你們;我要在耶路撒冷的樹林中放火,吞滅她四圍的一切。’”這是耶和華的宣告。