1[Anatra mafy noho ny faharatsian'ny mpanjakan'ny Joda] Izao no lazain'i Jehovah: Midina any amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda, ka lazao any izao teny izao hoe:
1警戒君民耶和華這樣說:“你下到猶大王的宮中,在那裡宣講這些話,
2Henoy ny tenin'i Jehovah, ry mpanjakan'ny Joda, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin'ireto vavahady ireto:
2說:‘坐大衛王位的猶大王啊!你和你的臣僕,以及從這些門進來的人民,都要聽耶和華的話。
3Izao no lazain'i Jehovah: Manaova fitsarana sy fahamarinana ianareo, ka afaho amin'ny tanan'ny mpampahory ny olona voaroba; ary aza mampahory na mampidi-doza amin'ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, ary aza mandatsaka rà marina amin'ity fitoerana ity.
3耶和華這樣說:你們要施行公正和公義,解救被搶奪的脫離欺壓者的手,不可虐待或以強暴對待寄居的、孤兒和寡婦,也不可在這地方流無辜人的血。
4Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida hiditra amin'ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
4如果你們切實地行這些事,就必有坐大衛王位的列王,乘著車,騎著馬,與自己的臣僕和人民進入這王宮的各門。
5Fa raha tsy hihaino izany teny izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako, hoy Jehovah, fa ho lao tokoa ity trano ity.
5如果你們不聽從這些話,我指著自己起誓,這宮殿必變為廢墟。’”這是耶和華的宣告。
6Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpanjakan'ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an'i Gileada sy ny tampon'i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
6因為耶和華論到猶大王的宮殿這樣說:“雖然在我看來,你好像基列,好像黎巴嫩的山峰;我卻要使你變為曠野,變為無人居住的城市。
7Ary hanendry mpandrava hamely anao Aho, Izay samy hitondra ny fiadiany avy; Dia hokapain'ireo ny sederanao voafantina ka hariany ao anaty afo.[heb. hanamasina]
7我要指派毀滅者,各有兵器攻擊你;他們必砍下你最好的香柏樹,丟進火裡。
8Ary firenena maro no handalo ity tanàna ity, ka samy hanao amin'ny namany avy hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity?
8多國的人必經過這城,彼此發問:‘耶和華為甚麼這樣對待這大城呢?’
9Dia hovaliana hoe: Noho ny nahafoizany ny faneken'i Jehovah Andriamaniny sy ny nivavahany tamin'andriamani-kafa sy ny nanompoany ireny.
9必有人說:‘是因為他們離棄了耶和華他們 神的約,並且敬拜事奉別神。’”
10Aza mitomany ny maty ianareo, na misaona azy; Mitomania dia mitomania noho ilay efa lasan-ko babo; Fa tsy hiverina intsony izy, na hahita ny tany nahaterahany.
10預言沙龍之禍不要為那已死的人哀哭,不要為他悲傷;卻要為那遠去的人大大哀哭,因為他不得再回來,也不能再見自己的國土。
11Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Saloma, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay nanjaka nandimby an'i Josia rainy, saingy efa niala tamin'ity tany ity: Tsy hiverina atỳ intsony izy,
11因為論到猶大王約西亞的兒子,就是繼承他父親約西亞作王的沙龍,耶和華這樣說:“他離開了這地方,必不得再回來;
12Fa ho faty any amin'ny tany izay nitondrana azy ho babo ka tsy hahita ity tany ity intsony.
12因為他要死在被擄去的地方,不得再見這地。
13Lozan'izay manorina ny tranony amin'ny tsy rariny sy ny ati-tranony ambony amin'ny fitaka ka mampiasa maina ny namany, fa tsy mandoa ny karamany,
13預言約雅敬之禍“用不義的手段建造自己房屋、用不公正的方法建築自己樓房的,有禍了!他使自己的同胞白白作工,不把工資付給他們。
14Sady manao hoe: Hanao trano lehibe ho ahy aho sy ati-trano ambony malalaka, ary holoahany hisy varavarankely sady hasiany valin-drihana sedera sy hohosorana loko mena.
14他說:‘我要為自己建造宏偉的房屋、寬敞的樓房。’他又為房屋裝設寬闊的窗戶,用香柏木作鑲板,並且漆上紅色。
15Moa dia ho mpanjaka ianao, saingy ataonao be sedera noho ny an'ny sasany ny tranonao? Tsy efa nihinana sy nisotro va rainao sady nanao fitsarana sy fahamarinana? Tamin'izany dia nambinina izy.
15難道你是用香柏木爭勝來表明王的身分嗎?你父親不是也吃也喝,也施行公正和公義嗎?那時他得享福樂。
16Nitsara ny tenin'ny ory sy ny malahelo izy; Tamin'izany dia nambinina izy. Tsy izany va no fahalalana Ahy? hoy Jehovah.
16他為困苦和貧窮人伸冤,那時他得享福樂。這不是認識我的真義嗎?”這是耶和華的宣告。
17Nefa tsy misy alehan'ny masonao sy ny eritreritrao afa-tsy ny filan-karena ihany sy ny fandatsahana rà marina ary ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny.
17“但你的眼你的心甚麼都不顧,只顧你的不義之財,只知流無辜人的血,施行欺壓和迫害的事。”
18Ary noho izany dia izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda: Ny olona tsy hisaona azy hoe: Indrisy, tompokolahy! na: Indrisy, tompokovavy! Ny olona tsy hitomany azy hoe: Indrisy, tompoko! na: Indrisy ny voninahiny!
18因此,論到猶大王約西亞的兒子約雅敬,耶和華這樣說:“人必不為他哀傷,說:‘哀哉,我哥哥!’‘哀哉,我姊姊!’人必不為他哀傷,說:‘哀哉,主上!’‘哀哉,尊榮的王!’
19Halevina toy ny fandevina boriky izy, ka hotaritarihina sy hariana any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema.
19他像驢子一樣被埋葬,被拖走,拋在耶路撒冷城門外。”
20Miakara any Libanona, ka mitaraina; Dia asandrato any Basana ny feonao, ary mitaraina any Abarima; Fa ringana avokoa ireo tia anao.
20“耶路撒冷啊,上黎巴嫩哀叫吧!在巴珊揚聲吧!從亞巴琳哀叫吧!因為你的盟友都毀滅了。
21Efa niteny taminao Aho, fony ianao mbola nipetraka tsy nanana ahiahy; Nefa hoy ianao: Izaho tsy hihaino. Fanaonao hatry ny fony ianao mbola tanora ny tsy mihaino ny teniko.
21你安定的時候,我曾警告過你,你卻說:‘我不聽!’從你幼年以來,你就是這樣,不聽從我的話。
22Ny mpitondra anao rehetra ho paohin'ny rivotra, ary ireo tia anao ho lasan-ko babo, eny, ho menatra sy hangaihay tokoa ianao noho ny haratsianao rehetra.[Heb. mpiandry ondry]
22風要捲走你所有的牧人,你的盟友要被擄去;那時,因你的一切惡行,你必蒙羞受辱。
23Ry ilay mponina any Libanona, izay manao ny akaninao eny amin'ny sedera, indrisy ny fisentoanao, raha iharan'ny faharariana ianao, toy ny fanaintainan'ny vehivavy raha miteraka![Na: fahantranao]
23住在黎巴嫩,在香柏林中搭窩的啊!有痛苦臨到你,像產婦劇痛的時候,你要怎樣呻吟呢?”
24Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin'ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
24預言哥尼雅之禍“我指著我的永生起誓(這是耶和華的宣告),猶大王約雅敬的兒子哥尼雅,雖然你是我右手上的印戒,我也要把你從手上脫下來,
25Ka hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainao sy eo an-tànan'izay atahoranao, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo amin'ny tanan'ny Kaldeana.
25交在那些尋索你性命和你們懼怕的人手中,就是交在巴比倫王尼布甲尼撒和迦勒底人手中。
26Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.
26我要把你和生你的母親驅趕到異地去,你們不是生在那裡,卻要死在那裡。
27Fa ny tany iriny hiverenana dia tsy hiverenany.
27你們(“你們”原文作“他們”)渴望歸回本國,卻不得回去。”
28Moa ity lehilahy Jekonia ity dia vilany vingavingaina sy efa hotorotoroina ary fanaka tsy mahafinaritra va? Koa nahoana no nariana izy sy ny taranany ka natsipy any amin'ny tany tsy fantany?
28哥尼雅這個人是被鄙視、被摔碎的瓶子,是沒有人喜悅的器皿嗎?他和他的後裔為甚麼被驅趕,被拋棄到他們不認識的地去呢?
29Ry tany! ry tany! ry tany! Henoy ny tenin'i Jehovah.Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony
29大地啊!大地啊!大地啊!要聽耶和華的話。
30Izao no lazain'i Jehovah Soratanareo ho tsy manam-para ity lehilahy ity, dia lehilahy tsy hambinina amin'ny androny; Fa tsy hisy amin'ny taranany izay hambinina Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, na hanapaka ao amin'ny Joda intsony
30耶和華這樣說:“你們要寫下,這人算為無子,他的一生毫無成就;因為他的後裔中沒有一人可以成功,能坐在大衛的王位上,再次統治猶大。”