Malagasy

聖經新譯本

Jeremiah

23

1[Faminaniana ny amin'ny mpiandry tsara, indrindra fa ny Rantsan'i Davida] Lozan'ireo mpiandry izay manimba sy mampihahaka ny ondry fiandriko, hoy Jehovah
1將來的指望“那些殘殺和趕散我牧場上的羊群的牧人,有禍了!”這是耶和華的宣告。
2Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ireo mpiandry izay miandry ny oloko: Hianareo efa nampihahaka ny ondriko sy nandronjindronjina azy, fa tsy nanolokolo azy; Koa, indro, hovaliako ianareo noho ny faharatsian'ny ataonareo, hoe Jehovah
2因此,耶和華以色列的 神論到牧養他(“他”原文作“我”)子民的牧人這樣說:“你們使我的羊群四散,把牠們趕走,並沒有看顧牠們;看哪!我必因你們的惡行懲罰你們。”這是耶和華的宣告。
3Ary Izaho hanangona ny ondriko sisa avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ka hampodiko ho any amin'ny saha niandrasana azy, dia hitombo sy hihamaro izy
3“我要親自把我羊群中餘剩的,從我把牠們趕逐到的各地,招聚出來,領牠們歸回自己的羊圈,使牠們繁殖增多。
4Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
4我要興起牧人,牧養牠們;牠們必不再恐懼驚慌,一個也不會失掉。”這是耶和華的宣告。
5Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hananganako Rantsana marina ho an'i Davida, ka hanjaka Izy sady ho hendry ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany.[Na: Solofo]
5“看哪!日子快到(這是耶和華的宣告),我必給大衛興起一個公義的苗裔;他必執政為王,行事有智慧,在地上施行公正和公義。
6Amin'ny androny no hamonjena ny Joda, sy handrian'ny Isiraely fahizay, ary izao no anarany izay hanononana Azy: Jehovah Fahamarinantsika.
6在他執政的日子,猶大必得救,以色列也必安然居住。人要稱他的名字為‘耶和華我們的義’。”
7Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta;
7“因此,看哪!日子快到(這是耶和華的宣告),人不再指著那領以色列人從埃及地上來的永活的耶和華起誓,
8Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny taranak'Isiraely niakatra sady nitarika azy avy tany amin'ny tany avaratra sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy; Dia honina ao amin'ny taniny izy.
8卻要指著那領以色列家的後裔從北方之地、從他(“他”原文作“我”)把他們趕逐到的各地上來的、永活的耶和華起誓。他們就必住在自己的地方。”
9[Faminaniana ny amin'ny mpaminany sandoka] Ny amin'ireo mpaminany. Montsamotsana ato anatiko ny foko, mangozohozo ny taolako rehetra, toy ny olona mamo aho, ary toy ny lehilahy leon-divay, noho ny amin'i Jehovah sy noho ny teniny masina.
9假先知的罪惡及報應論到那些先知,我的心在我裡面破碎,我全身的骨頭都發抖。因為耶和華的緣故,又因為他的聖言的緣故,我就像一個醉酒的人,像一個被酒灌醉的人。
10Fa feno mpijangajanga ny tany; Ary noho ny ozona no isaonan'ny tany, efa maina ny kijana any an-efitra; Ary efa ratsy ny fanaon'ny olona, sady ny tsi-fahamarinana no heriny.[Heb. lalan']
10因為這地滿了行淫的人;因受咒詛,地就悲哀,曠野的草場都枯乾了;他們走的路是邪惡的,他們的權力誤用了。
11Fa na mpaminany na mpisorona dia samy mpihatsaravelatsihy avokoa; Na dia tao an-tranoko aza dia mbola hitako ihany ny haratsiany, hoy Jehovah.[Na: ratsy fanahy]
11“先知和祭司都不敬虔,甚至在我殿裡我也看見他們的邪惡。”這是耶和華的宣告。
12Koa dia ho toy ny lala-malama amin'ny aizim-pito ny lalany; Haronjina izy, ka dia ho potraka ao; Fa hahatonga loza aminy Aho amin'ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
12“因此,他們的路必像滑地;他們必被趕逐到黑暗中,必在那裡仆倒。因為到了懲罰他們的年日,我必使災禍臨到他們。”這是耶和華的宣告。
13Ary tamin'ny mpaminanin'i Samaria no nahitako zavatra mahaloiloy: Naminany tamin'i Bala izy ka nampivily ny Isiraely oloko,
13“在撒瑪利亞的先知中,我看見可厭的事:他們竟奉巴力的名說預言,使我的子民以色列走錯了路。
14Ary tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan'ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin'ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an'i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an'i Gomora.
14在耶路撒冷的先知中,我看見可怕的事。他們犯姦淫,行事虛假,堅固惡人的手,以致沒有人離棄惡行;在我看來,他們都像所多瑪人,耶路撒冷的居民也像蛾摩拉人一樣。”
15Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ireo mpaminany ireo: Indro, hofahanako zava-mahafaty izy sy hampisotroiko rano mangidy, satria avy tamin'ny mpaminanin'i Jerosalema no nivoahan'ny faharatsiana ho any amin'ny tany rehetra.
15因此,論到這些先知,萬軍之耶和華這樣說:“看哪!我必使他們吃苦堇,喝毒水,因為有不敬虔的風氣,從耶路撒冷的先知中散播出來,遍及全地。”
16Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan'i Jehovah.
16萬軍之耶和華這樣說:“不要聽從這些向你們說預言的先知所說的話,他們使你們存有虛幻的希望;他們所講的異象是出於自己的心思,不是出於耶和華的口。
17Milaza mandrakariva amin'izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin'izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
17他們不斷對那些藐視我的人說:‘耶和華說:你們必平安無事!’又對所有隨從自己頑梗的心行事的人說:‘災禍必不臨到你們!’”
18Fa iza moa no efa isan'ny mpihevitra teo amin'i Jehovah ka nahita sy nandre ny teniny? Iza no nanongilana ny sofiny taminy ka nihaino ny teniny?
18可是他們中間有誰曾參與耶和華的議會,看見或聽見他的話呢?有誰曾留心聽他的話而實在聽見呢?
19He! ny tadion'i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin'ny lohan'ny ratsy fanahy.
19看哪!耶和華的旋風,在震怒中發出,是旋轉的狂風,必捲到惡人的頭上。
20Ny fahatezeran'i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.
20耶和華的怒氣必不轉消,直到他作成和實現他心中的計劃。在末後的日子,你們就會完全明白這事。
21Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho, kanefa nidodododo ihany izy, tsy niteny taminy Aho, kanefa naminany ihany izy.
21“我沒有差派這些先知,但他們自己到處跑;我沒有對他們說話,他們竟擅自說預言。
22Fa raha isan'ny mpihevitra teo amiko izy, dia ho nitory ny teniko tamin'ny oloko izy ka namerina azy hiala tamin'ny lalany ratsy sy tamin'ny faharatsian'ny nataony.
22如果他們曾參與我的議會,就必向我的子民宣告我的信息,使他們轉離他們的惡道,離開他們的惡行。
23Moa Andriamanitra etỳ akaiky ihany va Aho? hoy Jehovah. Fa tsy Andriamanitra any lavitra any koa?
23難道我只是近處的 神嗎?不也是遠處的 神嗎?”這是耶和華的宣告。
24Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.
24“人怎能躲藏在隱密處,以致我看不見他呢?(這是耶和華的宣告)。我豈不是充滿天地嗎?”這是耶和華的宣告。
25Efa reko ny nolazain'ny mpaminany, Izay naminany lainga tamin'ny anarako hoe: Nanonofy aho, nanonofy aho.
25“那些先知所說的話我都聽見了,他們冒我的名說虛假的預言:‘我作了夢!我作了夢!’
26Mandra-pahoviana? Moa ao am-pon'ireo mpaminany izay maminany lainga sy maminany araka ny fitaky ny fony va?
26那些先知心裡存著這樣的意念要到幾時呢?他們說虛假的預言,說出自己心中的詭詐;
27Ny hampanadino ny oloko ny anarako amin'ny nofiny izay lazainy amin'ny namany avy, toy ny nanadinoan'ny razany ny anarako noho ny amin'i Bala?
27他們以為藉著互相傳述自己的夢,就可以使我的子民忘記我的名,好像他們的列祖因巴力忘記了我的名一樣。
28Ny mpaminany izay manonofy dia aoka hilaza nofy, ary izay manana ny teniko dia aoka hanambara marina ny teniko. Fa moa inona izay mololo, raha oharina amin'ny vary? hoy Jehovah.
28作了夢的先知,讓他把夢述說出來;但得了我話語的先知,該忠實地傳講我的話。禾稈怎能和麥子相比呢?”這是耶和華的宣告。
29Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
29“我的話不是像火,不是像能打碎巖石的大鎚嗎?”這是耶和華的宣告。
30Koa, indro, fa hasiako ny mpaminany, hoy Jehovah, izay samy mangalatra ny teniko amin'ny namany avy.
30“所以,看哪!那些先知互相偷取對方的話,當作我的話,我要對付他們。”這是耶和華的宣告。
31Indro, hoy Jehovah, hasiako ny mpaminany, izay mampiteny ny lelany hoe: Hoy Izy.
31“看哪!那些先知用自己的舌頭說:‘這是耶和華的宣告’,我要對付他們。”這是耶和華的宣告。
32Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin'ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
32“看哪!那些藉虛假的夢說預言的,我要對付他們。”這是耶和華的宣告。“他們述說這些夢,以虛謊和誇張的話使我的子民走錯了路。我沒有差派他們,也沒有吩咐他們;他們對這人民毫無益處。”這是耶和華的宣告。
33Ary raha manontany anao ity firenena ity, na ny mpaminany, na ny mpisorona, ka manao hoe: Inona no entan'i Jehovah? Dia ataovy aminy hoe: Ny amin'ny entana hariako ianareo, hoy Jehovah.[Na: faminaniana ny loza]
33耶和華的默示“如果這人民、或先知、或祭司問你說:‘耶和華有甚麼默示呢?’你要回答他們:‘你們就是重擔(“你們就是重擔”按照《馬索拉抄本》應作:“甚麼默示?”現參照《七十士譯本》翻譯。“重擔”和“默示”原文是同一個字),我要丟棄你們。’”這是耶和華的宣告。
34Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.
34“無論是先知、是祭司,或是人民,凡說‘這是耶和華的默示’的,我都要懲罰那人和他的家。”
35Samia manontany amin'ny namany sy ny rahalahiny avy ianareo hoe: Ahoana no navalin'i Jehovah? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?
35你們各人對自己的鄰舍,對自己的兄弟要這樣說:“耶和華回答了甚麼?耶和華說了甚麼?”
36Fa ny hoe: Ny entan'i Jehovah dia tsy hotononinareo intsony; Fa ny tenin'ny olona avy ihany no ho entan'ny tenany, satria efa navadikareo ny tenin'Andriamanitra velona, dia Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitsika.
36你們不可再提耶和華的默示,你們各人所說的話將成為自己的重擔;因為你們曲解永活的 神萬軍之耶和華我們 神的話了。
37Izao no hanontanianareo amin'ny mpaminany; Ahoana no navalin'i Jehovah anao? Ary ahoana no nolazain'i Jehovah?[Heb. hanontanianao]
37你們要對 神的先知(“你們要對 神的先知”或譯:“耶利米啊,你要對那些先知”)說:“耶和華回答了你甚麼?耶和華說了甚麼呢?”
38Fa raha hoy ianareo: Entan'i Jehovah, Dia izao no lazain'i Jehovah: Noho ny nilazanareo ny teny hoe: Ny entan'i Jehovah, nefa efa nanirahako ihany ianareo nataoko hoe: Aza manao hoe: Ny entan'i Jehovah,
38如果你們仍說:“這是耶和華的默示”,耶和華就必這樣說:“你們既然說‘這是耶和華的默示’這句話,而我又曾差派人去告訴你們不可再說‘這是耶和華的默示’;
39Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.
39因此,看哪!我必把你們當作重擔舉起來(“我必把你們當作重擔舉起來”或譯:“我必定忘記你們”),把你們連同我賜給你們和你們列祖的城都從我面前丟棄。
40Ary hataoko mihatra aminareo ny fahafaham-baraka mandrakizay sy ny fahamenarana mandrakizay izay tsy hohadinoina.
40我必使你們蒙受永遠的凌辱、永遠的羞恥,是不能忘記的。”