1[Ny niampangana an'i Jeremia, sy ny nahafahany tamin'izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao avy tamin'i Jehovah nanao hoe:
1警告人民悔改猶大王約西亞的兒子約雅敬開始執政的時候,有這話從耶和華那裡臨到耶利米,說:
2Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, ka lazao amin'ny tanànan'ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon'i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
2“耶和華這樣說:‘你要站在耶和華殿的院子裡,對來自猶大各城,到耶和華殿敬拜的人,把我吩咐你對他們說的一切話,一字不漏告訴他們。
3Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony.
3或者他們肯聽從,各人轉離自己的惡道,我就回心轉意,不把我因為他們的惡行原想要施行的災禍,降給他們。
4Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,
4你要對他們說:耶和華這樣說:如果你們不聽從我,不遵行我設立在你們面前的律法,
5ary tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo
5不聽從我差遣到你們那裡去的我的僕人眾先知的話(我不斷差遣他們,但你們一直都不聽從),
6dia hataoko tahaka an'i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ity tanàna ity.
6我就必使這殿像示羅一樣,使這城成為地上列國咒詛的對象。’”
7Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra dia nandre an'i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon'i Jehovah.
7耶利米受審耶利米在耶和華殿裡所說的這些話,眾祭司、眾先知和眾民都聽見了。
8Koa nony efa tapitra voalazan'i Jeremia izay rehetra nasain'i Jehovah nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
8耶利米說完了耶和華吩咐他對眾民所說的一切話,眾祭司、眾先知和眾民就抓住他,說:“你必要死!
9Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Jehovah hoe: Ho tahaka an'i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin'i Jeremia tao an-tranon'i Jehovah.
9你為甚麼奉耶和華的名預言,說:‘這殿必像示羅一樣,這城必變為荒場,沒有人居住呢?’”於是眾民在耶和華的殿裡集合到耶利米那裡。
10Fa nony ren'ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady vaovaon'i Jehovah.
10猶大的領袖聽見了這些事,就從王宮上到耶和華的殿,坐在耶和華殿裡新門的入口。
11Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity tanàna ity izy araka izay efa ren'ny sofinareo.
11祭司和先知對領袖和眾民說:“這人應該處死,因為他說預言攻擊這城,正如你們親耳聽見的。”
12Dia nilaza tamin'ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin'ity trano sy ity tanàna ity.
12耶利米對眾領袖和眾民說:“耶和華差遣我預言你們所聽見,一切攻擊這殿和這城的話。
13Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.
13現在,你們要改善你們所行所作的,聽從耶和華你們的 神的話,耶和華就必回心轉意,不把所說的災禍降給你們。
14Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
14至於我,我在你們手中;你們看怎樣好,怎樣對,就怎樣待我吧!
15Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin'ity tanàna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
15不過你們要確實知道,如果你們殺死我,就必使無辜的人的血歸到你們和這城,以及這城的居民頭上,因為耶和華實在差遣了我到你們中間,把這一切話傳到你們耳中。”
16Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin'ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
16領袖人民均為耶利米辯護於是眾領袖和眾民對祭司和先知說:“這人不應該處死,因為他奉耶和華我們 神的名對我們說話。”
17Dia nisy nitsangana ny loholona ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
17那地的長老中有幾個人起來,對集合在場的全體人民說:
18Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12).
18“在猶大王希西家的日子,摩利沙人彌迦對猶大的眾民說預言:‘萬軍之耶和華這樣說:錫安要像田地被耕犁,耶路撒冷必成為廢墟,這殿的山必變為雜樹叢生的高岡。’
19Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Jehovah va izy ka nifona tamin'i Jehovah, ka dia nanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin'ny tenantsika.
19猶大王希西家和猶大眾人可曾把他處死呢?希西家不是敬畏耶和華,求他開恩,以致耶和華回心轉意,沒有把他所說的災禍降在他們身上嗎?但我們現在竟自招大禍。”
20Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin'ny anaran'i Jehovah, dia Oria, zanak'i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin'ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon'i Jeremia izany koa.
20烏利亞被殺曾有一個人,就是基列.耶琳人示瑪雅的兒子烏利亞,他奉耶和華的名說預言,攻擊這城和這地,他的預言和耶利米所說的一樣。
21Ary nony ren'i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;
21約雅敬王和他所有的勇士,以及猶大的眾領袖聽見了烏利亞的話,王就想要殺他。烏利亞聽見了,就懼怕,就逃往埃及去。
22ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak'i Akbora, mbamin'ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta.
22約雅敬王打發人到埃及去,就是派亞革波的兒子以利拿單和一些人同到埃及去。
23Ary Oria dia nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny fasam-bahoaka.Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.
23他們就把烏利亞從埃及帶出來,送到約雅敬王那裡。王用刀殺死他,把他的屍體拋在平民的墳地裡。
24Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.
24亞希甘維護耶利米然而沙番的兒子亞希甘卻保護耶利米,不許人把耶利米交在人民的手中處死。