1[Ny amin'ny zioga hataon'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny vozon'ny firenena izay resiny, sy ny namporisihan'i Jeremia azy hitondra izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah hoe:
1列國必服事巴比倫王猶大王約西亞的兒子西底家(“西底家”有古抄本作“約雅敬”)開始執政的時候,有這話從耶和華那裡臨到耶利米,說:
2Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,[Na: kofehy]
2“耶和華對我這樣說:‘你要用繩套和木頭做軛,套在自己的頸上。
3ary ampanatero any amin'ny mpanjakan'i Edoma sy any amin'ny mpanjakan'i Moaba sy any amin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona sy any amin'ny mpanjakan'i Tyro ary any amin'ny mpanjakan'i Sidona izany ho entin'ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda;
3然後藉著那些前來耶路撒冷朝見猶大王西底家的使臣的手,把軛送到以東王、摩押王、亞捫王、推羅王、西頓王那裡。
4ary asaovy lazainy amin'ny tompony avy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin'ny tomponareo:
4你要吩咐使臣對他們的王說:萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:你們要這樣對你們的王說:
5Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin'ny heriko lehibe sy tamin'ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an'izay sitraky ny foko ny tany.
5是我用大能和伸出來的膀臂創造了大地,以及地面上的人和獸;我看給誰適合,就把地給誰。
6Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.
6現在我已經親自把這一切國家都交在我僕人巴比倫王尼布甲尼撒的手中,連田野的走獸,我也交給他,供他奴役。
7Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan'ny fotoana hamaliana ny tanin'izy io kosa, ka hampanompoin'ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.
7列國都要服事他和他的兒子、孫子,直到他本國遭報的時候來到;那時,許多國家和大君王都要奴役他。
8Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona, dia hovaliako amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin'ny tànany.
8不服事巴比倫王的必遭災禍“‘無論哪一國、哪一邦,不服事巴比倫王尼布甲尼撒,不把頸項放在巴比倫王的軛下,我必用刀劍、饑荒和瘟疫去懲罰那國,直到我藉著巴比倫王的手把他們完全消滅。’這是耶和華的宣告。
9Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo.
9‘至於你們,不可聽從你們的先知,也不可聽從占卜的、解夢的、算命的和行邪術的;他們告訴你們說:你們必不會服事巴比倫王。
10Fa lainga no vinanin'ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.
10因為他們向你們說虛假的預言,使你們遠離你們的土地;我要趕逐你們,你們必要滅亡。
11Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin'ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.
11但哪一國肯把頸項放在巴比倫王的軛下,服事他,我就必使那國仍留在本土,可以在那裡耕種和居住。’”這是耶和華的宣告。
12Ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda. koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
12勸西底家服事巴比倫王我照著這一切話對猶大王西底家說:“你們要把頸項放在巴比倫王的軛下,服事他和他的人民,就可以生存。
13Nahoana no ho fatin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin'ny vahoakanao, araka ny nolazain'i Jehovah ny amin'ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan'i Babylona?
13你和你的人民為甚麼要因刀劍、饑荒和瘟疫而死,正如耶和華論到不肯服事巴比倫王的國家所說的一樣呢?
14Koa aza mihaino ny tenin'ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin'ireo aminareo.
14不要聽從那些對你們說‘你們必不會服事巴比倫王’的先知的話,因為他們向你們說的是虛假的預言。
15Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin'ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
15我並沒有差遣他們(這是耶和華的宣告),他們卻冒我的名說虛假的預言,以致我趕逐你們,使你們和那些向你們說虛假預言的先知都一同滅亡。”
16Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Aza mihaino ny tenin'ny mpaminaninareo. izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon'i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.
16預言聖殿器皿必被擄去我又對眾祭司和這眾民說:“耶和華這樣說:‘你們的先知對你們預言,說:耶和華殿中的器皿快要從巴比倫送回來了。他們的話,你們不要聽從,因為他們對你們說的是虛假的預言。
17Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan'i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity?
17你們不要聽從他們,只要服事巴比倫王,就可以生存。為甚麼要使這城變為廢墟呢?
18Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin'i Jehovah, dia aoka hifona amin'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema
18如果他們是真先知,如果他們有耶和華的話,就讓他們向萬軍之耶和華祈求,使那些留在耶和華殿中和猶大王宮中,以及在耶路撒冷中的器皿,不會被送到巴比倫去。’
19Fa izao ny lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, ny amin'ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin'ny fanaka hafa izay mbola sisa amin'ity tanàna ity,[Heb. ranomasina]
19因為萬軍之耶和華這樣說,論到這些柱子、銅海、盆座和留在這城其餘的器皿,
20dia izay tsy nalain'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, fony izy nitondra an'i Jekonia, zanak'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin'ny manan-kaja rehetra amin'ny Joda sy Jerosalema,
20就是巴比倫王尼布甲尼撒把猶大王約雅敬的兒子耶哥尼雅,以及猶大和耶路撒冷所有的貴族,從耶路撒冷擄到巴比倫去的時候,沒有拿走的器皿;
21eny, izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ny fanaka izay sisa ao an-tranon'i Jehovah sy ao an-tranon'ny mpanjakan'ny Joda sy ato Jerosalema:Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity.
21論到那些留在耶和華殿中和猶大王宮中,以及在耶路撒冷中的器皿,萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:
22Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan'ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin'ity tanàna ity.
22‘這些器皿必被送到巴比倫,存在那裡,直到我眷顧這些器皿的日子。那時,我必把它們帶上來,放回這地方。’”這是耶和華的宣告。