Malagasy

聖經新譯本

Jeremiah

31

1[Ny famindram-po ho an'ny firenen'Isiraely, sy ny fanekena hatao aminy] Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.
1以色列必回歸與復興“到那時,我必作以色列各家族的 神,他們要作我的子民。”這是耶和華的宣告。
2Izao no lazain'i Jehovah: Hahita fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome fitsaharana ho an'ny Isiraely.[Na: Nahita][Na: Nandeha Aho ka nanome]
2耶和華這樣說:“在刀劍下倖存的人民,在曠野蒙受了恩寵;以色列來到她安息之處。”
3Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny]
3耶和華在古時(“在古時”或譯:“從遠處”)曾向以色列(“以色列”按照《馬索拉抄本》應作“我”,現參照《七十士譯本》翻譯)顯現,說:“我以永遠的愛愛你,因此,我對你的慈愛延續不息(“我對你的慈愛延續不息”或譯:“我要以慈愛吸引你”)。
4Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina ianao, ry Isiraely virijina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao ianao ka hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly.
4童女以色列啊!我要再次建立你,你就必被建立。你要再次拿起鈴鼓,出去和那些歡樂的人一同跳舞。
5Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria ianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra.
5你要再次在撒瑪利亞的眾山上栽種葡萄園,栽種的人栽種了,必可享用所結的果子。
6Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangana ianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika.
6因為有一天,守望的人要在以法蓮山上呼叫,說:‘起來吧!我們上錫安去朝見耶和華我們的 神。’”
7Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely.
7耶和華這樣說:“你們要為雅各喜樂歡呼,要為那在列國為首的呼喊。你們要宣告,要頌讚,說:‘耶和華啊!求你拯救你的子民,就是以色列的餘民。’
8Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, na izay manan'anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina atỳ.
8看哪!我必把他們從北方之地領回來,把他們從地極招集起來;在他們中間有瞎眼的、瘸腿的、孕婦、產婦,都在一起;他們成群結隊返回這裡。
9Amin'ny fitomaniana no hihaviany, ary amin'ny fifonany no hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, amin'ny lalana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, ary Efraima no lahimatoako.
9我引導他們的時候,他們必哭著而來,並且向我乞恩懇求。我要使他們走在溪水旁,行在平直的路上,他們必不會絆跌;因為我是以色列的父親,以法蓮是我的長子。
10Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka atao hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny.
10雅各得蒙救贖“列國啊!你們要聽耶和華的話,要在遠方的海島傳揚,說:‘那趕散以色列的 神,必再招集他們;必看守他們,像牧人看守自己的羊群一樣。’
11Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba sy efa nanafaka azy tamin'ny tanan'ny mahery noho izy.
11因為耶和華買贖了雅各,從比他更強的人手中把他救贖了出來。
12Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, ka tsy hihamalazo intsony.
12他們必來到錫安的高處歡呼;他們必容光煥發,因為耶和華賜他們各樣的美物,就是五穀、新酒和油,還有羊羔和牛犢。他們必像有水灌溉的園子,永不再枯乾。
13Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virijina mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
13那時,童女必歡樂跳舞,年輕的和年老的一起歡樂。我必使他們的悲哀變為喜樂,我必安慰他們,使他們從憂愁中得著歡樂。
14Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah.
14我必用肥脂使祭司的心滿足;我的子民必因我的美物飽足。”這是耶和華的宣告。
15Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, satria lany ritra ireny.
15耶和華這樣說:“在拉瑪聽見有聲音,是痛哭哀號的聲音;拉結為她的兒女哀哭,不肯受安慰,因為他們都不在了。”
16Izao no lazain'i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny.
16耶和華這樣說:“止住你的聲音,不要哭泣,抑制你的眼睛不要再流淚,因為你所作的必有果效;他們必從仇敵之地回來。”這是耶和華的宣告。
17Ary misy fanantenana ho anao any amparany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray.
17“你的前途必有希望;你的兒女必返回自己的地方。”這是耶和華的宣告。
18Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voafolaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, fa Hianao no Jehovah Andriamanitro.
18“我清楚聽見以法蓮為自己哀歎,說:‘你管教了我,我像一頭不馴服的牛犢受管教;求你使我回轉,我就得以回轉,因為你是耶和華我的 神。
19Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra; Menatra sady mangaihay aho, fa latsain'ny tsinin'ny fahatanorako.[Heb. niteha-pe]
19我回轉以後,就深深悔悟;我醒覺以後,就拍腿悔恨。因為我承受年幼時的恥辱,我感到羞恥和慚愧。’
20Zanako mahafinaritra va Efraima, zaza malalako va izy, no dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra azy Aho? Noho izany dia onena azy ny foko; Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah.[Heb. maneno ny tsinaiko]
20以法蓮是我親愛的兒子嗎?是我喜悅的孩子嗎?每逢我說話攻擊他,我必再次記念他。因此,我的心戀慕他;我必定憐憫他。”這是耶和華的宣告。
21Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lalana efa voavoatra, dia ilay lalana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virijina, miverena indray ho amin'ireto tanànanao ireto.
21你要為自己設立路標,豎立路牌;你要留心大路,就是你走過的路。童女以色列啊,回轉吧!回到你這些城市那裡。
22Mandra-pahoviana no hirioriovanao, ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin'ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy.
22轉離正道的女兒哪,你轉來轉去要到幾時呢?因為耶和華在地上創造了一件新事,就是女的要環繞男的。
23Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holavina indray ao amin'ny tanin'ny Joda sy ao amin'ny tanànany izao teny izao, raha hampodiko avy amin'ny fahababoany izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, ry fonenan'ny fahamarinana, sy ry tendrombohitry ny fahamasinana!
23耶和華眷愛自己的子民萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:“我使被擄的人歸回的時候,他們在猶大地,在猶大的城鎮裡,必再說這樣的話:‘公義的居所啊,聖山哪,願耶和華賜福給你!’
24Ary ny Joda sy ny tanànany rehetra dia hiara-monina ao aminy ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian'ny ondry aman'osiny.
24猶大各城的人、耕地的和領著群畜遊牧的,都要一起住在猶大。
25Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako.
25疲倦的人,我必使他振作;愁苦的人,我必使他滿足。”
26Ary tamin'izay dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko.
26這時,我醒過來,四周觀看;我睡得很香甜。
27Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda Ny taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy.
27“看哪!日子快到(這是耶和華的宣告),我必使以色列家和猶大家人口和牲畜繁殖。
28Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera sy harodana sy horavana ary hampahorina, dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah.
28我先前怎樣留意把他們拔出、拆毀、傾覆、毀滅和降災;將來我也必照樣留意把他們建立和栽種起來。”這是耶和華的宣告。
29Amin'izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, ka ny nifin'ny zanany no madilo.
29“在那些日子,人必不再說:‘父親吃了酸葡萄,兒子的牙齒酸倒了。’
30Fa ny olona rehetra samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy. Dia izy ihany no hadilo nify.
30因為各人必因自己的罪孽死亡;吃酸葡萄的,那人的牙齒必酸倒。
31Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda,
31訂立新約“看哪!日子快到(這是耶和華的宣告),我要與以色列家和猶大家訂立新的約。
32Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,hoy Jehovah.[Na: tompony]
32這新約不像從前我拉他們祖先的手,領他們出埃及地的日子,與他們所立的約;我雖然是他們的丈夫,他們卻違背了我的約。”這是耶和華的宣告。
33Fa izao no fanekena havoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
33“但那些日子以後,我要與以色列家所立的約是這樣(這是耶和華的宣告):我要把我的律法放在他們裡面,寫在他們的心裡。我要作他們的 神,他們要作我的子民。
34Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalà an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
34他們各人必不再教導自己的鄰舍和自己的同胞,說:‘你們要認識耶和華。’因為所有的人,從最小到最大的都必認識我。我也要赦免他們的罪孽,不再記著他們的罪惡。”這是耶和華的宣告。
35Izao no lazain'i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fahazavana amin'ny antoandro ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin'ny alina, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany:
35那使太陽白晝發光,派定月亮和星辰照耀黑夜,又攪動海洋,使海浪澎湃的,萬軍之耶和華是他的名,他這樣說:
36Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak'Isiraely.
36“這些定律若能從我面前廢掉,以色列的後裔也就會在我面前斷絕,永遠不再成為一個國家。”這是耶和華的宣告。
37Izao no lazain'i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, na mahafantatra ny fanorenan'ny tany ambany, dia Izaho kosa hanary ny taranak'Isiraely rehetra noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah.
37耶和華這樣說:“人若能量度在上的諸天,測透地下面的根基,我也就會因以色列後裔所作的一切,棄絕他們眾人。”這是耶和華的宣告。
38Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanàna ity indray ho an'i Jehovah hatramin'ny tilikambon'i Hananela ka hatramin'ny vavahady an-jorony.
38“看哪!日子快到(這是耶和華的宣告),這城從哈楠業城樓直到角門,必為耶和華重建起來。
39Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon'ny tendrombohitra Gareba, dia hasangodina ho any Goa;Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin'ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin'ny zoron'ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masina ho an'i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
39量度的準繩還要往外量,直到迦立山,繞到歌亞。
40Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra sy ny saha rehetra hatramin'ny Lohasahan-driaka Kidrona ka hatramin'ny zoron'ny vavahadin-tsoavaly atsinanana dia ho masina ho an'i Jehovah; Tsy hongotana na horavana intsony izy mandrakizay.
40拋屍和倒灰的整個山谷,以及從汲淪溪直到東邊馬門拐角一帶所有的墓地,都必歸耶和華為聖,永遠不再拔出,不再傾覆。”