1[Ny nividianan'i Jeremia tany ho vavolombelon'ny finoany fa mbola hampodina ny Isiraely] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara.
1耶利米被囚猶大王西底家第十年,就是尼布甲尼撒第十八年,從耶和華那裡有話臨到耶利米。
2Fa tamin'izany no nanaovan'ny miaramilan'ny mpanjakan'i Babylona fahirano an'i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan'ny trano fiambenana, izay teo amin'ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda.
2那時,巴比倫王的軍隊正在圍困耶路撒冷,耶利米先知被囚禁在猶大王宮中衛兵的院子裡。
3Fa Zedekia, mpanjakan'ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;
3因為猶大王西底家把他囚禁起來,說:“你為甚麼預言:‘耶和華這樣說:看哪!我必把這城交在巴比倫王的手中,他必攻取這城;
4ary Zedekia, mpanjakan'ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan'ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;
4猶大王西底家必不能逃脫迦勒底人的手,他必交在巴比倫王的手中;他們必面對面彼此說話,眼對眼互相對看。
5ary ho any Babylona no hitondrana an'i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin'ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.
5巴比倫王必把西底家帶到巴比倫去;西底家必留在那裡,直到我眷顧他的時候(這是耶和華的宣告)。即使你們和迦勒底人作戰,你們必不能戰勝’?”
6Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe:
6耶利米奉命買哈拿篾之田耶利米說:“耶和華的話臨到我,說:
7Indro Hanamela, zanak'i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.
7‘看哪!你叔叔沙龍的兒子哈拿篾必來見你,說:請你買下我在亞拿突的那塊田地,因為你有近親的權利和義務去買那田地。’
8Ary Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan'ny trano fiambenana araka ny tenin'i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin'ny tanin'ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin'i Jehovah izany.
8我叔叔的兒子哈拿篾果然照著耶和華的話,到衛兵的院子裡來見我,對我說:‘請你買下我在便雅憫境內亞拿突的那塊田地,因為你有那產業的繼承權,以及近親的權利和義務;請你把它買下吧。’於是我知道這是耶和華的話。
9Ary novidiko tamin'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin'ny folo.
9我就向我叔叔的兒子哈拿篾,買下了在亞拿突的那塊田地,稱了一百九十三克銀子給他。
10Ary nosoratako tamin'ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin'ny mizana ny vola.
10把田契交給巴錄“我在契約上簽了名,把契封好了,又請了證人作證,就用天平把銀子稱給他。
11Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin'ny taratasy mivelatra koa;
11然後我取了買賣契約,一份是封好的,一份是沒有加封的,上面都有各種細則和條件。
12dia natolotro an'i Baroka, zanak'i Neria, zanak'i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, teo imason'i Hanamela, zana-drahalahin'ikaky, sy teo anatrehan'ny vavolombelona izay nanao sonia tamin'ny taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia teo anatrehan'ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan'ny trano fiambenana.
12當著我叔叔的兒子哈拿篾眼前,當著那些在買賣契約上簽名作證的人眼前,以及當著所有坐在衛兵院子裡的猶大人眼前,我把買賣契約交給了瑪西雅的孫子、尼利亞的兒子巴錄。
13Ary nandidy an'i Baroka teo anatrehan'ireo aho nanao hoe:
13我當著這些人眼前吩咐巴錄說:
14Izao no lazain'i Jenovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin'ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin'ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
14‘萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:你要拿這兩份買賣契約,就是那封好的和沒有加封的,放在一個瓦器裡,使它們可以長久保存。
15Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin'ity tany ity.
15因為萬軍之耶和華以色列的 神這樣說:將來在這地必再有人買房屋、田地和葡萄園。’
16Ary rehefa voatolotra an'i Baroka, zanak'i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin'ny vidin-tany, dia nivavaka tamin'i Jehovah aho hoe:
16耶利米之禱告“我把買賣契約交給尼利亞的兒子巴錄以後,就向耶和華禱告,說:
17Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
17‘主耶和華啊!你看,你曾用大能和伸出來的膀臂創造了天地;在你並沒有難成的事。
18Mamindra fo amin'ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran'ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany,
18你向千萬人施慈愛,又把父親的罪孽都報應在他們的兒女身上。你是偉大、有能力的 神,萬軍之耶和華是你(“你”原文作“他”)的名。
19lehibe amin'ny fisainana sy mahery amin'ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan'ny zanak'olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,
19你的計劃偉大,你的作為滿有能力;你的眼睛睜開,察看世人一切所行的,要照著各人的行為,和各人所作的事應得的結果來報應各人。
20dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin'ny Isiraely, na ao amin'ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao.
20你曾在埃及地行神蹟奇事,你在以色列和全人類中間直到今日也是這樣,使你自己得了名聲,好像今日一樣。
21Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta Hianao tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,
21你曾用神蹟奇事、有力的手、伸出來的膀臂,和大而可畏的事,把你的子民以色列從埃及地領出來。
22ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin'ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.
22你把這地賜給他們,就是你向他們列祖起誓,要賜給他們的流奶與蜜之地。
23Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin'izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
23他們進去,得到這地為業,卻不聽從你的話,也不遵行你的律法;你吩咐他們行的一切事,他們都沒有行,因此你使這一切災禍臨到他們身上。
24Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin'ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan'ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan'ny masonao izany.
24看哪!敵人已經迫近,築壘攻取這城。這城要因刀劍、饑荒和瘟疫的緣故,交在攻擊他們的迦勒底人手中;你所說的都實現了,你也親眼看見了。
25Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana aza ny tanàna.
25但主耶和華啊!是你對我說:“你要用銀子買下那塊田地,請證人作證。”其實這城已經交在迦勒底人的手中了。’”
26Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe:
26民必被擄、城必被毀耶和華的話臨到耶利米,說:
27Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
27“看哪!我是耶和華,是全人類的 神;在我有難成的事嗎?
28Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan'ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ka ho afany.
28因此耶和華這樣說:‘看哪!我必把這城交在迦勒底人的手中,交在巴比倫王尼布甲尼撒的手中,他必攻取這城。
29Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin'ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an'i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an'andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.
29攻打這城的迦勒底人必進來,放火燒城,城中的房屋都必燒光,因為這城的居民曾在那些房屋的屋頂上向巴力燒香,向別神澆奠祭,惹我發怒。
30Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak'Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin'ny asan'ny tànany, hoy Jehovah.
30事實上,以色列人和猶大人自幼以來,就專行我眼中看為惡的事;以色列人的手所作的,無不惹我發怒。’這是耶和華的宣告。
31Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin'ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,
31‘因為這城自從建造的那天,直到今日,都不斷惹起我的怒氣和烈怒,以致我要把她從我面前除掉。
32noho ny ratsy rehetra nataon'ny Zanak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin'ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.
32這是因為以色列人和猶大人的一切惡行,就是他們和他們的君王、領袖、祭司、先知,以及猶大每一個人和耶路撒冷居民所行的,都惹我發怒。
33Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy - eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.
33他們以背向我,不以臉向我;我不斷教導他們,他們卻不肯聽從,不接受管教;
34Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;
34竟把他們可憎的偶像安放在稱為我名下的殿中,污穢了這殿。
35ary nanorina ny fitoerana avon'i Bala, izay ao amin'ny Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an'i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
35他們在欣嫩子谷中,建造了巴力的邱壇,使自己的兒女經火獻給摩洛。這不是我吩咐的,也沒有在我心裡想過;他們竟行了這可憎惡的事,使猶大犯罪。’
36Koa noho izany dia izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
36回歸故土的應許“論到這城,就是你們說:‘因為刀劍、饑荒和瘟疫的緣故,交在巴比倫王手中的’,現在耶和華以色列的 神卻這樣說:
37Indro izy hangoniko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin'ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin'ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;
37‘看哪!我曾在怒氣、烈怒和大忿怒中,把以色列人趕逐到各地,將來我必從那裡把他們招聚出來,領他們回到這地方,使他們安然居住。
38ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
38他們必作我的子民,我也必作他們的 神。
39Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
39我要使他們有同一的心志和同一的行為,終生敬畏我,使他們和他們的子孫都得到福樂。
40dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.
40我要和他們立永遠的約,我必不離開他們,必使他們得到福樂;我也必把敬畏我的心賜給他們,使他們不會離開我。
41Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin'ity tany ity tokoa amin'ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
41我必喜歡他們,使他們得到福樂;我必全心全意、真誠地把他們栽種在這地上。’
42Fa izao no lazain'i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin'ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.[Heb. nolazaiko]
42“因為耶和華這樣說:‘我怎樣使這一切大災禍臨到這人民,我也必照樣使我應許他們的福樂臨到他們。
43Ary mbola hisy fividianana saha eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan'ny Kaldeana.Eny, saha no hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy Jehovah.[Heb. Sefela]
43你們說:“這地荒涼,沒有人煙,也沒有牲畜,是交在迦勒底人手中的。”但將來在這地上,必有人買賣田地。
44Eny, saha no hovidin'ny olona vola, ka hosoratany amin'ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema sy amin'ny tanànan'ny Joda sy amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna ny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin'ny tanàna any amin'ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin'ny fahababoany izy, hoy Jehovah.[Heb. Sefela]
44在便雅憫地,在耶路撒冷周圍的各處,在猶大各城,以及在山地、高地和南地的各城,人必用銀子買賣田地,在地契上簽名,把契封好,又請證人作證;因為我必使他們被擄的人歸回。’”這是耶和華的宣告。